- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 2: Hafatra telo ho an'izao tontolo rehetra izao
- Lesona 4: Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy
Fampidirana
Nilaza fanoharana momba ny andro farany ny mpanoratra danoà iray antsoina hoe Søre Kierkegaard. Toy izao izany: Nisy afo nirehitra tao ambadiky ny teatra lehibe iray. Nivoaka ny mpanao hatsikana anankiray izay nandray anjara tamin'ny fampisehoana mba hampitandrina ny mpanatrika: Mivoaha fa mirehitra ity toerana ity! Nihevitra ny mpanatrika fa vazivazy izany, ary anisan'ny fampisehoana ihany, ka nitehaka fotsiny izy ireo. Naverin'ilay mpanao hatsikana ilay fampitandremana: Mivoaha! Mivoaha! Saingy arakaraky ny nampitandremany azy ireo no vao maika nahamafy ny tehaka. Ho an'i Kierkegaard dia tahaka izany no hiafaran'izao tontolo izao; hitehaka ireo olona izay mino fa vazivazy izany.
Fantatsika fa ny fiafaran'izao tontolo izao sy ireo toe-javatra mialoha izany dia tsy vazivazy tsy akory. Miatrika ny toe-java-tsarotra lehibe indrindra izay ratsy lavitra noho ny safodrano izao tontolo izao ankehitriny. Petera mihitsy aza no nampiasa ny tantaran'ny safodrano ho tandindon'ny farany; nampitandrina izy fa tahaka ny naharavan'izao tontolo izao taloha tamin'ny alalan'ny rano, amin'ny andro farany "ny lanitra dia ho lasa amin'ny firimorimoana mafy, ary ho levon'ny afo tenan'ny zavatra rehetra, ka hodorana avokoa ny tany sy ny asa izay eo aminy."- 2 Pet. 3:10. Satria efa nome fampitandremana ny amin'izay hoavy isika dia tokony hiomana koa ankehitriny.