Lesona 5: Ny vaovao mahafaly momba ny fitsarana

    Hodinihana mandritra ny herinandro: Apôk. 14:7; Sal. 51:1-4; Apôk. 20:12; Dan. 7:9,14,26; Apôk. 4:2-4; Apôk. 5:1-12.

    Tsianjery: "Nanao tamin'ny feo mahery hoe: Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany; ary miankohofa eo anoloan'lzay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano." - Apôk. 14:7.

    Ny hazo fijaliana sy ny fitsarana dia samy maneho fa marina sy mamindra fo Andriamanitra. Mitaky ny fahafatesan'ny mpanota ny lalàna nodikaina. Hoy ny fitsarana: "Fafahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." Rôm. 6:23. Raha azo novana na nofoanana ny lalàn'Andriamanitra dia tsy ho nilaina ny nahafatesan'i Jesôsy. Manamafy ny maha-mandrakizay ny lalàna ny fahafatesan'i Kristy ary ny lalàna no fototry ny fitsarana.

    Vakio ny Apôk. 20:12. Ahoana no fitsarana antsika? Inona no ifandraisan'ny asa tsara ataontsika sy ny famonjena antsika?

    Ny asantsika no manambara ny safidintsika sy ny fahatokiantsika amin'Andriamanitra. Araka ny Efes. 2:8,9 dia "fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha." Saingy rehefa mamonjy antsika i Kristy dia ovany isika. "Fa asany ïsika, voaforona tao amin'i Kristy Jesôsy mba hanao asa tsara." - Efes. 2:10. Ny asa tsara ataontsika, izay vitantsika noho ny herin'ny Fanahy Masina, dia tsy mamonjy antsika fa vavolombelona manambara ny fahamarinan' ny finoantsika. Ny fitsaran'Andriamanitra farany dia manaisotra ny fihatsaram-belatsihy rehetra sy ny lainga rehetra, ary manindrona hatrany amin'ny farany lalina ao anatintsika. Manoritsoritra ny toerana misy antsika amin'ny fitsarana eo anatrehan'Andriamanitra i Ellen G. White, ka hazavainy tsara ao amin' ity lahatsorany ity fa ny filazantsara sy ny fitsarana dia mifampitantana. "Ny fanehoana ireo vahoakan'Andriamanitra ho toy ny mijoro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fitafiana maloto dia tokony hisarika ireo izay mitonona fa mpanompony ho amin'ny fanetren-tena lehibe sy amin'ny fibebahana lalina. Izay manadio marina ny fony amin'ny fankatoavana ny fahamarinana dia hanana fisainana Tena fanetren-tena eo am-pandinihana ny tenany. Arakaraka ny hibanjinany akaiky ny toetran'i Kristy tsy misy pentina no haniriany mafy kokoa hifanaraka amin'ny endriny sy hahitany ny tenany kosa ho tsy manam-pahadiovana na fahamasinana. Kanefa na tokony hahatsapa ny maha-mpanota antsika aza isika dia mila hiantehitra amin'i Kristy ho fahamarinantsika, fanamasinana antsika ary fanavotana antsika. Tsy afaka miaro tena amin'ny fiampangan'i Satana isika. I Kristy izany no afaka mitalaho amim-pahombiazana ho antsika. Mahay mampangina ilay mpiampanga amin'ny tohan-kevitra miorina amin'ny fahamendrehan'ny Tenany Izy fa tsy amin'ny fahamendrehantsika." TFC, b. 5, tt. 471,472.

    Araka io voalazan'i Ellen G. White io, ahoana no ahitanao fa tsy  afa-misaraka ny filazantsara sy ny fitsarana? Inona ny fanantenana azonao raisina ho anao manokana avy amin'io fifandraisana eo amin'ny filazantsara sy ny fitsarana io?

    Ny bokin'ny faminanian' i Daniela sy ny Apôkalipsy dia mifameno ary milaza amintsika ny fizotry ny toe-javatra amin'ny andro faran'ny tantaran'ny tany. Ambaran'ny bokin'ny Apôkalipsy fa tonga ny andro fitsaran'Andriamanitra. Ny bokin'i Daniela kosa dia manambara ny fotoana niantombohan'ny fitsarana.

    Ao amin'ny Dan. 7 Andriamanitra dia maneho ny tantaran'izao tontolo izao amin' ilay mpaminany. Mitsangana ny firenena ary mianjera. Mampahory ny vahoakan'Andriamanitra ireo fahefana mpanenjika. Rehefa avy nilazalaza momba an'i Babilôna, i Medo-persia, i Grisia ary i Rôma sy ny fizarazaran'ny fanjakana rômanina, ary ny fanenjehana ny fiangonana mandritra ny 1260 taona voalaza ao amin'ny andalan-teny Andriamanitra (Dan. 7:25; jereo koa ny Apôk. 12:14), dia nisarika ny sain'i Daniela ho amin'ny fisehoan-javatra be voninahitra any an-danitra izay hamerenana ny zavatra rehetra amin'ny laoniny. Nosarihina avy eo amin'ny fitsanganana sy ny fianjeran'ny firenena ary ireo fahefana mpampahory eto an-tany ny fijerin'ilay mpaminany, ho amin'izay misy ny seza fiandrianan'izao tontolo rehetra izao sy ny fitsaran'Andriamanitra farany, rehefa hanarina ny tsy mety rehetra Izy ka hametraka ny fanjakam-pahamarinany mandrakizay.

    Nitondra an'i Daniela tao anatin'ny fahitana ara-paminaniana Andriamanitra, niala avy tamin'ny fisavorovoroana lehibe ho amin'ny voninahitry ny fitoerana masina any an-danitra sy ny fitsarana faratampony izao tontolo rehetra izao, izay handraisan'i Kristy, Ilay tena Mpanapaka ara-dalàna ity tontolo ity, avy amin'ny Rainy ny fanjakana izay Azy araka ny rariny sy ny hitsiny.

    Vakio ny Dan. 7:9,10,13 ary lazalazao izay hitan'i Daniela ao amin'ireo andininy ireo. Inona koa ny vokatr'izany fitsarana izany ? Vakio ny Dan. 7:14,26,27.

    Tapaka ao amin'ny fitsaran'ny lanitra ny anjaran'ny olombelona rehetra. Voasandratra ny lalàna. Mandresy ny fahamarinana. Manjaka ny rariny. Anisan'ny seho mahatalanjona sy mahafinaritra ary mampitolagaga indrindra ao amin'ny Soratra Masina manontolo izany. Ary ny vaovao mahafaly dia ho tsara fiafara ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky, dia ireo izay mitafy ny akanjom-pahamarinan'i Kristy.

    Eo anatrehan'izao tontolo rehetra izao no anatonan'i Jesôsy ny Rainy any an-danitra. Manodidina ny seza fiandrianan'Andriamanitra ireo mponin'ny lanitra marobe. Manatrika amim-pitalanjonana io fitsarana io izao tontolo izao tsy mbola lavo. Hifarana tsy ho ela ilay fifanandrinana izay nampahory nandritra ny arivo taona maro. Tapitra hatreo ny ady ho an'ny seza fiandrianan'izao tontolo rehetra izao; efa voafaritra izay ho tompon'ny fanapahana mandrakizay.

    Marina ny nambaran'i Daniela momba ireo fanjakana izay nipoitra ary raya avy eo, araka ny efa voambara mialoha. Nahoana àry no tsara tokoa ny mitoky amin'ny Tenin'Andriamanitra ny amin'izay lazainy momba ilay fanjakana farany, dia "fanjakana mandrakizay" izay "tsy ho rava"?

    Raha misy zavatra ambaran'ny Baiboly mazava tsara dia izao izany: Andriamanitra dia Andriamanitry ny fitsarana ary na ho ela na ho haingana, na amin'ny fomba ahoana na ahoana, dia ho avy ny fitsarana. Ny fitsarana marina izay tsy mba misy eto an-tany ankehitriny dia ho tonga, ary Andriamanitra mihitsy, Izay "Mpitsara ny tany rehetra", no hanatanteraka izany (Gen. 18:25; jereo koa ny Sal. 58:11, Sal. 94:2, Sal. 98:9). Araka ny nosoratan'i Paoly hoe: "Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy isika rehetra." - Rôm. 14:12.

    Mampatahotra ny mieritreritra izany, sa ahoana hoy ianao? Dia ny hoe ampamoahin'Andriamanitra isika, dia Ilay Andriamanitra izay mahalala ny zava-dalina indrindra, ka «ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy» - Mpitt. 12:14.

    Na izany aza, amin'ny farany, ny fitsarana dia misy fahatsarana sy maneho ny fahasoavan'Andriamanitra, ary manambara fa marina sy mpamindra fo Izy amin'ny fitondrany ireo voavonjy, eny fa na amin'ny fitondrany ireo very koa aza.

    Amin'ity herinandro ity isika dia handinika lalina kokoa ny amin'ireo lohahevitra momba ny fitsarana, mifandraika amin'ilay ady lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy izay mahamay tokoa eto amin'izao tontolo izao, ary hojerentsika manokana ny amin'izay hitranga rehefa hiatrika ilay "fitsarana hoavy" (Asa 24:25) tsy azo ihodivirana ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky.

    Ny boky farany ao amin'ny Baiboly, ny Apôkalipsy, dia mifantoka amin'ny fifaranan'ilay fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy nandritra ny fotoana ela. Nanohitra ny fahamarinana sy ny rariny ary ny fahendren'Andriamanitra i Losifera, ilay anjely mpikomy. Nilaza izy fa tsy marina Andriamanitra ary niangatra tamin'ny fomba nitantanany izao tontolo àry rehetra izao. Ao anatin'io fifandirana ny amin'ny toetran'Andriamanitra io indrindra no misy ilay fitsarana farany voalazan'ny Apôkalipsy.

    Izao no ambaran'ny Apôk. 14:7: "Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra izy fa tonga ny andro fitsarany, ary miankohofa eo anoloan'Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano." Nahoana no zava-dehibe ny hoe taorian'ny nilazany momba ny "filazantsara mandrakizay" no nilazan'ilay anjely voalohany ny amin'ny fitsaran'Andriamanitra? Inona no ifandraisan'ny "filazantsara mandrakizay" amin'ny fitsaran'Andriamanitra?

    Mifamatotra tsy azo sarahina ny filazantsara sy ny fitsarana, izay samy ao anatin'ny hafatry ny anjely voalohany. Raha tsy nisy ny "filazantsara mandrakizay" dia tsy ho nanana fanantenana isika mandritra ny fitsarana. Raha ny marina, araka ny ho hitantsika, ny "filazantsara mandrakizay" no hany fanantenantsika ao anatin'ny fitsarana.

    Tsy isalasalana fa ampahany ao anatin'ny filazantsara ny fanambarana fitsarana. Mandritra ny fitsarana dia ho hitan'ireo tontolo tsy lavo fa nanao izay rehetra azony natao Andriamanitra hamonjena ny olombelona tsirairay avy. Manambara ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny famindram-pony ny fitsarana. Maneho momba ny fitiavany sy ny lalàny izany, ary miresaka ny amin'ny fahasoavany mamonjy sy ny heriny manafaka.

    Isan'ny hevitra farany ampiasain'Andriamanitra ho famahana ny olan'ny fahotana ny fitsarana. Ao anatin'ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy eo anivon'izao tontolo rehetra izao no namalian'Andriamanitra ireo fiampangan'i Satana tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana; ary mandritra ny fitsarana kosa no anambarany fa efa nanao izay rehetra azony natao Izy mba hamonjena antsika sy hitaomana antsika ho eo amin'ny hazo fijaliana.

    Hosokafana ny boky fitanana an-tsoratra any an-danitra izay mandrakizay sady mazava sy marina amin'ny tsipiriany rehetra (jereo ny Dan. 7:10). Sarobidy loatra amin'Andriamanitra isika ka miato mihitsy izao tontolo rehetra izao mba handinika ireo safidy izay nataontsika manoloana ny tsilon-tsaina avy amin'ny Fanahy Masina sy eo anatrehan'ny fanavotana izay nomen'i Kristy maimaim-poana ho antsika teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary.

    Vakio amim-pitandremana tsara ny Sal. 51:1-4, indrindra fa ny and. 4. Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny hevitry ny fitsarana sy ny tanjon'izany?

    Ao amin'ny Apôk. 4 dia nahita varavarana nivoha tany an-danitra i Jaona ary nandre fanasana hoe "Miakara aty, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay." - Apôk. 4:1. Nanasa ilay apôstôly i Jesôsy mba hijery avy eo amin' ilay varavarana nivoha tao amin'ny fitoerana masina tany an-danitra hahitany ireo fisehoan-javatra mandrakizay mahakasika ilay ady lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy. Azontsika atao koa ny mijery miaraka amin'i Jaona eo amin'izany varavarana mivoha izany, izay hanome topy maso antsika ny amin'ny drafi-pamonjena mandrakizay. Vavolombelona mahita ireo hevitra tapahina ao amin'ny fitsaran'ny lanitra àry isika ankehitriny. Mizotra eo ambany masontsika ireo toe-javatra fototra mitranga ao amin' ilay ady lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy.
    Vakio ny Apôk. 4:2-4. Eo amin'ny sehatry ny fitsarana, inona no hitanao eto, izay mitovy amin'ny ao amin'ny Dan. 7?

    Miharihary fa ao amin'ny efitra misy ny seza fiandrianana io fisehoan-javatra io. Mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana Andriamanitra Ray, voahodidin'ny mponin'ny lanitra. Ny fisian'ny kotrokorana sy ny helatra dia maneho ara-tandindona ny fitsaran'Andriamanitra. Hitantsika ao amin'ny Apôk. 4:4 koa fa misy loholona 24 manatrika manodidina ny seza fiandrianan'Andriamanitra.

    Iza ireo loholona 24 ireo? Tamin'ny Isiraely fahiny dia nisy fizarana 24 teo amin'ny fisoronana nataon'ny Levita. Nisolo tena ny vahoaka teo anatrehan'Andriamanitra ireo mpisorona ireo. Ao amin'ny 1 Pet. 2:9, ny apôstôly dia milaza fa "taranaka voafidy", "fanjaka-mpisorona" ireo mpinon'ny Testamenta Vaovao. Mety ho solontenan'ireo voavonjy rehetra izay, indray andro any, ho faly manodidina ny seza fiandrianan'ny Ray ireo loholona 24 ireo; na koa mety ho solontenan'ireo olona natsangana tamin'ny maty tamin' ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, ary niakatra ho any an-danitra niaraka Aminy ireo (Mat. 27:52, Efes. 4:7,8).

    Na iza ireo na iza, dia vaovao mahafaly izany. Hanodidina ny seza fiandrianan'Andriamanitra ny sasany amin'ireo voavonjy. Niatrika fakam-panahy tahaka antsika izy ireo. Nandresy izy noho ny fahasoavan'i Kristy sy ny herin'ny Fanahy Masina. "Nitafy fitafiana fotsy" izy ireo, izay manambara ny fahamarinan'i Kristy izay manarona sy manadio azy ho afaka amin'ny fahotany. Manana satroboninahitra volamena izy ireo eo an-dohany, izay midika fa nandresy tamin'ny ady nifanaovany tamin'ny ratsy izy ireo ka anisan'ireo be finoana sy fianakavian'ny mpanjakan'ny lanitra.

    Mahita ny seza fiandrianana any an-danitra koa isika, izay itoeran'Andriamanitra. Manodidina ny seza fiandrianana ireo mponin'ny lanitra, ary injany fa manomboka mihira ny lanitra manontolo sady mihamafy hatrany ny firedon'ny hira fiderany: "Hianao, Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao no nahanisy sy nahary azy." - Apôk. 4:11.

    Ao amin'ny Apôk. 5:1-3 dia mahita seza fiandrianana indray isika. Misy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony aseho. Voaisy ny tombo-kasen 'Andriamanitra izany ary tsy misy olona na any an-danitra na eto an-tany mahasokatra ilay boky. Mihorohoro ireo mponin'ny lanitra. Lehibe ny olana. Tsy misy anjely afaka misolo tena ny olombelona eo amin'ny fitsarana farany ny tany. Mitomany i Jaona satria tsy misy mahasokatra ilay boky. Avy eo dia manao teny mampahery an'i Jaona ny iray amin'ireo loholona. Jesôsy, ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra no mendrika hanokatra ny boky.

    Mibanjina ilay hany vahaolana ho an'ny fahotana i Jaona ao amin'ny Apôk. 5:5. Eto dia hitan'ilay mpaminany antitra ny fomba tokana hahafahan'ny olona rehetra miatrika ilay fitsarana farany eo anoloan'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. "Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida no efa naharesy ka hanokatra  ny boky (...) Ary hitako fa, indro, (...) nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono" - Apôk. 5:5,6.

    Vakio ny Apôk. 5:8-12. Inona ny fihetsika nasehon'ny lanitra manontolo nanoloana ny filazana fa mendrika ny hanokatra ny bokin'ny fitsarana i Jesôsy ary hanavotra antsika?

    Nandray ny bokin'ny fitsarana  i Jesôsy, Ilay Zanak'ondrin'Andriarnanitra nanao sorona ny ainy ho famonjena ny olombelona rehetra ka nanokatra izany. Velom-piderana sy dibo-kafaliana ny lanitra manontolo. Ny nandresen'i Kristy ny fakam-panahin'i Satana, ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary, ny fitsanganany tamin'ny maty, ny asa fanompoana ataony amin'ny maha-Mpisoronabe Azy, dia mitondra famonjena ho an'izay rehetra mifidy ny hamaly ny fahasoavany amin'ny finoana. Vaovao mahafaly loatra ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ny fitsarana. Manambara izany fa tapitra hatreo ny fanjakan'ny ota ary afaka ny vahoakan'Andriamanitra.

    Misy mampahery kokoa noho izany ve? Miaro antsika eo amin'ny fitsarana i Jesôsy. Manarona antsika ny fiainam-pahamarinany tonga lafatra. Miasa ao anatintsika ny fahamarinany mba hanavao antsika. Mamela ny helotsika ny fahasoavany, manova antsika ary manome hery antsika mba hananantsika fiainana araka ny sitrapon 'Andriamanitra.

    Tsy misy tokony hatahorantsika. Miaro antsika eo anoloan'ny fitsarana i Jesôsy ary resy ny fahefan'ny ratsy. Manome "rariny" ny vahoakan'Andriamanitra ny fitsarana (Dan. 7:22). Ny tanjon'ny fitsarana dia tsy ny hampiseho ny haratsiantsika tsy akory fa ny hanambara ny fahatsaran'Andriamanitra.

    Saintsaino indray ny amin'ilay fanantenana lehibe ananantsika amin'ny fitsarana: Jesôsy, Ilay Mpisolo antsika. Nahoana no izany no hany fanantenantsika?

    Diniho ireto hevitra mazava tsara omen'ny Fanahin'ny faminaniana antsika ireto momba ny toerana misy ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany, amin'ny andro fitsarana, sy amin'ny fahataperan'izao tontolo izao.

    "Ny famindrampon'Andriamanitra no fanantenana tokana ho azy ireo, ary ny vavaka no hany fiarovana ho azy. Tahaka ny nanaovan'i Josoa fitalahoana teo anatrehan'ilay Anjely no hitalahoan'ny fiangonana sisa amin'ny fo torotoro sy finoana marina mba hahazoany famindrampo sy fanafahana amin'ny alalan'i Jesôsy Ilay Mpisolovava azy. Tsapan'izy ireo tanteraka ny maha-be fahotana ny fiainany, hitany ny fahalemeny sy ny tsy fahamendrehany, ary kivy izy eo am-pijerena ny tenany. Mijoro eo anilany hiampanga azy ilay mpaka fanahy, tahaka ny nijoroany mba hanohitra an' i Josoa. Tondroiny ny fitafiana maloto eo amin' izy ireo sy ny toetrany feno kilema. Asehony ny fahalemena sy ny hadalan'izy ireo, ny fahotan'ny tsy fahaizany mankasitraka, ny tsy fitoviany amin'i Kristy, izay nanala baraka ny Mpanavotra azy. (...) Nahitana fahadisoana lehibe tamin'ny lafiny maro teo amin'ireo vahoakan'Andriamanitra. Fantatr'i Satana mazava tsara ireo fahotana nakany fanahy azy ireo ka aharihariny mazava izany sady hoy izy: `Moa ve Andriamanitra handroaka ahy sy ireo anjeliko tsy ho eo amin'ny fanatrehany kanefa hamaly soa ireo meloka amin'ny fahotana tahaka ny anay ihany? Tsy hanao izany ianao, Andriamanitra ô, noho ny fahamarinanao. Raha izany dia tsy hijoro amin'ny fahamarinana sy ny fitsarana ny seza fiandriananao. Ny rariny dia mitaky ny hanononana valim-pitsarana manameloka azy ireo.' Na dia nanota aza anefa ireo mpanara-dia an'i Kristy dia tsy nametraka ny tenany ho eo ambany fifehezan'ilay ratsy. Efa nahafoy ny fahotany izy ireo ary nikatsaka ny Tompo tamim-panetren-tena sy tamin'ny fo torotoro, ary Ilay Mpisolovava azy any an-danitra no manao fifonana ho azy. Hoy Ilay nanaovana herisetra lehibe indrindra noho ny tsy fahaizan'izy ireo mankasitraka, Ilay mahalala tsara ny fahotany ary koa ny fibebahany: "Hananatra anao anie Jehôvah , ry Satana.' Efa nafoiko ho an'ireo fanahy ireo ny aiko. Efa vita tombo-kavatsa eo am-pelatanako izy ireo." — TFC, b. 5, tt. 473,474.

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

    1. Mampiova inona eo amin'ny fiainanao andavanandro ny fahafantarana fa "tonga ny andro fitsarana"? Raha tsy mandainga ny ankamaroany amintsika dia azo inoana fa hamaly hoe: "tsy mampiova na inona na inona". Ahoana no ahafahantsika miova?

    2. Nahoana ny fitsarana no vaovao mahafaly fa tsy vaovao ratsy? Resaho ao amin'ny kilasy ny amin'ny asan'i Jesôsy ho antsikaqqq ao amin'ny fitsarana. Ahoana no hampaherezan'izany antsika ho mahatoky Aminy, sady fantatsika fa tsy azo antenaina ny hamonjena antsika raha tsy noho izay nataony ho antsika irery ihany?

    3. Saintsaino ny amin'ny fitsarana izay manambara ny toetran'Andriamanitra eo anatrehan'izao tontolo rehetra izao. Mifandraika indrindra amin'ny fizotr'llay fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy izany; amin'ny fomba ahoana?

    Please publish modules in offcanvas position.