Lesona 6: Ny ora fitsarany

    Hodinihana mandritry ny herinandro : Dan. 8; Dan. 9; Ezra 7; Mat. 3:13-17; Rôm. 5:6-9; Mar. 15:38; Lev. 16:16. 

    Tsianjery: "Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava." - Rôm. 13:11,12. 

    Taona maro lasa izay, nitantara ny amin'ny doro ala tao amin'ny valanjavaboary nasiônalin'i Yellowstone any Etazonia ny gazetiboky National Geographic. Taorian'ny fahamaizana dia niakatra tendrombohitra iray ireo mpiambina ny ala mba hanombana ny fahavoazana. Nahita vorona tonga lavenona teo am-pototry ny hazo iray ny anankiray tamin'izy ireo. Somary naharikoriko azy ny nahita ity toe-javatra tsy mahazatra ity ka navadiny tamin'ny hazokely ilay vorona. Rehefa nailiny ilay vorona dia zana-borona telo no nihazakazaka avy tao ambany helatry ny reniny efa maty. Ilay reny be fitiavana izay nahatsapa ny loza nananontanona dia nitondra ireo zanany hatreo am-pototr'ilay hazo ka nanangona azy ireo tao ambany elany. Azony natao ny nanidina ho any amin'ny toerana azo antoka saingy nandà ny handao ireo zanany izy. Endrey ny fanehoan'izany ny sarin'ny mpino izay voaro ao amin'i Kristy! Nandevona Azy teo Kalvary ny afon'ny fitsaran' Andriamanitra, ka ireo rehetra ao amin'i Kristy dia voaro mandrakizay ao ambany elany. Notsaraina tahaka ny mpanota voaheloka i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana mba hahatonga antsika ho mponina marin'ilay fanjakana any an-danitra. Notsaraina toy ny mpanao heloka bevava Izy mba hanafahana antsika amin'ny afo mandravan'ny fahaverezana mandrakizay, amin'ny heviny an-kolaka sy ara-bakiteny izany. 

    Araka ny efa hitantsika dia tsy maintsy misy fitsarana mialoha ny fiavian'i Kristy. Amin'ny feo mafy no anambaran'ny anjely fa "tonga ny andro fitsarany" - Apôk. 14:7. Ny bokin'ny Daniela dia manome antsika ny fotoana hanombohan'izany fitsarana izany. 

    Vakio ny Dan. 8:14. Inona ny fandaharam-potoana manokana omen'i Daniela antsika momba ny fanadiovana ny fitoerana masina? 

    Ny Jiosy tsirairay dia nahatakatra mazava tsara ny hevitry ny fanadiovana ny fitoerana masina teto an-tany. Tamin'ny andro fanavotana, izay andro fitsarana, no nanaovana izany. Na dia takatr'i Daniela aza ny foto-kevitry ny fanadiovana ny fitoerana masina sy ny fitsarana dia very hevitra izy mahakasika ny 2300 andro.

    Vakio ny Dan. 8:27 sy ny Dan. 9:21, 22. Inona ny nataon'i Daniela teo anatrehan'ny fahitana momba ny 2300 andro ary inona no nasetrin'Andriamanitra izany? 

    Ao amin'ny fiafaran'ny Dan. 8 dia torana i Daniela ary niteny hoe: "ary gaga aho ny amin'ny fahitana, nefa tsy nisy nahafantatra izany"- Dan. 8:27. Ny fahitana mikasika ny 2300 andro izany (efa nohazavaina ny ambin'ny fahitana; jereo ny Dan. 8:19-22). Ny toko manaraka, ny Dan. 9, dia mitantara ny nahatongavan'ny anjely Gabriela mba hanazava amin'i Daniela ny faminaniana mikasika ny 2300 andro. "Ry Daniela ô, avy hampahazava saina anao aho."- Dan. 9:22. Nampitolagaga an' i Daniela i Gabriela tamin'ny nilazany taminy ny valin'ny vavaka nataony, valinteny lehibe lavitra noho izay noeritreretiny izany. Nitondra an' i Daniela namakivaky ny fotoana i Gabriela ary nanambara taminy ny fahamarinana ny amin'ny Mesia izay ho avy. Nomeny azy ny fe-potoana marina momba ny fiantombohan'ny asa fanompoan'ny Mesia sy ny fahafatesana mahatsiravina hihatra Aminy, toe-javatra izay mifandray mivantana amin'ny fanadiovana ny fitoerana masina ao amin'ny Dan. 8. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny fahafatesan'i Kristy sy ny fitsarana dia mifamatotra tsy afa-misaraka. 

    Zava-dehibe ny fifandraisana mivantana misy eo amin'ny fahafatesan'i Jesôsy araka izay voalazan'ny Dan. 9:24-27 sy ny fitsarana ao amin'ny Dan. 8:14, nahoana? Inona ny fahamarinana lehibe ampianarin'izany fifandraisana izany eto? 

    Vakio ny Dan. 8:17, 19, 26. Amin'ny vanim-potoana manao ahoana no nanambaran'ilay anjely fa mihatra ny fahitana ao amin'ny Dan. 8 sy ny 2300 andro? Nahoana no zava-dehibe tokoa ny hahatakarana izany? 

    Misy ireo milaza fa andro ara-bakiteny ny 2300 andro. Inoan'izy ireo koa fa ny tandroka kely ao amin'ny Dan. 8 dia manondro ilay mpitari-tafika Antiochus Epiphane (216-164 TIK), izay nanafika an'i Jerosalema sy nandoto ny tempoly jiosy, na dia tsy nifanaraka tamin'ny vanim-potoana nisy azy aza ny 2300 andro. Izany fanazavana izany anefa dia mifanohitra amin'ny fanambarana mazava nataon'ilay anjely ny amin'ny hiharan'io fahitana io amin'ny "andro farany". Azo antoka fa tsy niaina tamin'ny andro farany i Antiochus.

    Ao amin'ny Dan. 8 no anombohan'i Gabriela ny fanazavany ny faminaniana momba ny 2300 andro. Nomeny anarana hoe Medianina sy Persianina ilay ondrilahy, ary ny osilahy kosa dia naneho an'i Grisia (Dan. 8:20, 21). Na dia tsy nomena anarana tahaka ireo fahefana anankiroa teo alohany aza ilay manaraka - ilay tandroka kely - dia mazava fa i Rôma izany (Dan. 8:9, 23, 24). Aorian'izay dia maneho fe-potoana iray ara-pôlitika sy ara-pivavahan'i Rôma izy, izay nanjerana "ho amin 'ny tany ny fahamarinana" (Dan. 8:10-12,25) sy nisalovanana ny fanompoana ataon'i Kristy any an-danitra (Dan. 8:10-12). Ny fanadiovana ny fitoerana masina ao amin'ny Dan. 8:14, ny toe-javatra faratampony amin'io toko io, no valintenin'Andriamanitra asetriny ny fihaikana nataon'ireo fahefan'ny tany sy fahefana ara-pivavahana izay niezaka ny handrombaka ny Fahefany. Ampahany amin'ny vahaolana aroson'Andriamanitra ho an'ny olan'ny fahotana izany.

    Vonona ny hanazava ireo tsipirian'ny vanim-potoana ara-paminaniana avy amin'Andriamanitra i Gabriela. Amin'ny fiafaran'ny Dan. 8 dia hitantsika mazava tsara fa tsy takatr' i Daniela ny ampahan'ny fahitana momba ny 2300 andro (Dan. 8:27). Efa nohazavaina ny ampahany teo aloha momba ny osilahy sy ny ondrilahy ary ny tandroka kely, ary notononina tamin'ny anarany mihitsy aza ireo fahefana anankiroa voalohany (Dan. 8:20, 21). Na izany aza dia tsy nohazavaina ny momba ny fanadiovana ny fitoerana masina.

    Ny anjely Gabriela izay niseho tao amin'ny Dan. 8 dia miseho ao amin'ny Dan. 9 ankehitriny, ary milaza aminy hoe: "Tamin'ny niantombohan'ny fivavakao dia nisy teny nivoaka, ka dia tonga hanambara arninao aho, satria malala indrindra ianao; koa diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana."- Dan. 9:23. Fahitana inona izany? Ho hitantsika rahampitso, ny fahitana momba ny 2300 andro, ilay hany ampahany tamin'ilay fahitana teo aloha, ao amin'ny Dan. 8, izay tsy mbola nohazavainy tamin'i Daniela. 

    Niantso an'i Daniela hoe "malala indrindra" i Gabriela. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny fifandralsana ety misy eo amin'ny lanitra sy ny tany? 

    Vakio ny Dan. 9:23. Inona ny torolalana manokana nomen'ilay anjely an'i Daniela? Nahoana izany no zava-dehibe ho an'ny fahatakarana ny hevitry ny fanadiovana ny fitoerana masina ao amin'ny Dan. 8:14? 

    Nilaza mazava tamin'i Daniela ilay anjely hoe: "diniho ny teny, ary aoka ho fantatrao ny fahitana."- Dan. 9:23. Teny momba ny inona izany, ary fahitana inona? Koa satria tsy misy fahitana voasoratra ao amin'ny Dan. 9 dia azo antoka fa miresaka ny amin'ny ampahany amin'ilay fahitan'ny Dan. 8 izay tsy takatr'ilay mpaminany ny anjely Gabriela — ny fahitana momba ny 2300 andro (Dan. 8:27). 

    Manohy ny teniny i Gabriela ao amin'ny Dan. 9:24-27. Inona ny toe-javatra teo amin'ny fiainan'i Jesôsy sy ny asa fanompoany voalaza eto? 

    Ny ampahany voalohany amin'io faminaniana io dia mahakasika ny vahoakan'Andriamanitra, ,ny Jiosy. "Fito-polo herinandro no voatendry ho an'ny firenenao" ny firenena jiosy (Dan. 9:24). Ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly, ny andro iray ara-paminaniana dia midika ho taona iray ara-paminaniana ara-bakiteny (Ezek. 4:6; Nom. 14:34). Ao amin'ny bokin'i Daniela sy ny Apôkalipsy, rehefa manana sary an'ohatra iray ianao dia matetika no misy fe-potoana ara-paminaniana koa miaraka amin'izany. Izao no iray amin'ireo fomba ahazoantsika antoka ny amin'ny fampiharana ny fitsipika ara-paminaniana momba ny andro iray mira taona iray: rehefa mampiasa izany ao amin'ny faminanian'i Daniela isika dia mifanandrify tsara eo amin'ny filaharan'ny fotoana ny toe-javatra tsirairay (jereo ny lesona rahampitso). Raha ampiharintsika io fitsipika io dia misy 490 andro ao anatin'ny 70 herinandro. Koa satria ny andro ara-paminaniana iray dia taona iray ara-bakiteny, dia 490 taona ara-bakiteny ny 490 andro.

    Hoy i Gabriela tamin'i Daniela hoe: "Fito-polo herinandro no voatendry (...)"- Dan. 9:24; ny teny nadika hoe "voatendry" dia chathak, izay adika hoe "nesorina avy tamin'ny...". Nesorina avy tamin'ny inona izany? Azo heverina fa io no hany fe-potoana ara-paminaniana voatondro eto: ny 2300 andro ao amin'ny Dan. 8:14. Ireo 490 taona ireo, fe-potoana ara-paminaniana, dia mifandray mivantana amin'ilay faminaniana momba ny fotoana ao amin'ny Dan. 8:14, ilay hany ampahany amin'ny fahitana tsy nohazavaina tao amin'ny Dan. 8 sy ilay hany faminaniana momba ny fotoana ao amin'ny Dan. 8 koa. Araka izany dia hitantsika fa manampy an'i Daniela hahatakatra izay tsy takany tao amin'ny toko teo a loha ny anjely Gabriela, dia ny 2300 andro izany. 

    Toe-javatra iray manan-danja ho an'i Daniela sy ny Jiosy no nanombohan'ny anjely Gabriela io faminaniana momba ny 490 taona io: baiko ny amin'ny hanavaozana sy hananganana indray an'i Jerosalema. Na efa nisy didy maro aza navoaka momba an'i Jerosalema dia hitantsika ao amin'ny Ezra 7 fa ny didy navoaka tamin'ny 457 TlK no namela ny Jiosy hiverina any amin'ny tanindrazany ary koa hijoro ho fiarahamonina ara-pivavahana (jereo ny Ezra 7:13,27). Zava-dehibe ny hanamarihana fa ny didin'i Artaksersesy dia nivoaka tamin'ny fararanon'ny taona 457 TlK. Nanomboka tamin'io didy tamin'ny taona 457 TlK io hatramin'ny Mesia, araka ny bokin'i Daniela, dia hisy 69 herinandro na 483 taona. Raha manomboka amin'ny taona 457 Tlk isika ary mandroso araka ny fizotry ny tantara dia tonga amin'ny taona 27 TrK. Ny teny hoe Mesia dia midika hoe "Ilay voahosotra". Natao batisa tamin'ny taona 27 TrK i Jesôsy Kristy, ilay Mesia (jereo ny Mat. 3:13-17). Taonjato maro tany aloha no naminanian'i Daniela ny taona marina hanaovana batisa an'i Kristy, fotoana izay hanombohan'i Jesôsy ireo telo taona sy tapany hanaovany ny asa fanompoany. 

    Vakio ny Rôm. 5:6-9 sy ny Dan. 9:26. Inona ny fahamarinana lehibe ambara eto? 

    "Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesi saingy tsy ho an'ny Tenany"- Dan. 9:2 (dikan-teny NKJV). "Hovonoina" ny Mesi na hohomboana amin'ny hazo fijaliana Ampian'ilay andininy hoe "saingy ts ho an'ny Tenany" izany. Raha lazain amin'ny teny hafa, ny fahafatesan'i Kris teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary dia h antsika fa tsy ho an'ny Tenany; azo lazain fa izany no antony nanoratan'i Paoly hoe "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavan antsika, fa fony mbola mpanota isika, di maty hamonfy antsika Kristy."- Rôm. 5:8. Hitantsika ao amin'ny Dan. 9:27 fa amin'ny fisasahan'ny herinandro, ireo fito taona farany, dia "hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa" i Kristy. Teo amin'ny fisasahan'ny faha-70 herinandro amin'ny taona 31 TrK, dia nanamafy n fanekena mandrakizay tamin'ny alalan'ny rany tamin'ny nahafatesany teo amin'n hazo fijaliana i Kristy ka tsy nisy heviny ara paminaniana intsony ny rafitra fanaovan fanatitra rehetra. 

    Ireo faminaniana ireo dia manamba fa hohomboana amin'ny hazo fijaliana Kristy, ilay Mesia, ka hitsahatra tsy hanap heviny ara-paminaniana intsony ny rafi fanaovana fanatitra amin'ny fararanon'n taona 31 TrK. Tanteraka tamin'ny tsipirian kely indrindra ireo faminaniana ireo Tamin'ny Paska indrindra, rehefa nanolotr ny zanak'ondrin'ny Paska ny mpisoronab no nohomboana teo amin'ny hazo fijalian ho antsika i Kristy. 

    Hazony ao an-tsaina hatrany izay voasoratra etsy ambony ka vakio ny Mar. 15:38 sy ny Mat. 3:15, 16. Ahoana no anampian'ireo andininy ireo antsika hahatakatra ny faminanian'ny Dan. 9:24-27? 

    Ireo 490 taona voalohany amin'ny faminaniana momba ny 2300 taona dia natokana ho an'ny firenena jiosy fahiny sy ny fiavian'ny Mesia. Ny ampahany farany amin'ny 2300 taona dia mahakasika ny vahoakan'Andriamanitra, na ny Jiosy na ny Jentilisa izany, ary koa mifandraika amin'ny fanadiovana ny fitoerana masina any an-danitra sy ny fiavian'i Kristy fanindroany. Mifandraika amin'ny fiavian'ny Mesia voalohany ary mifarana amin'ny taona 34 TrK ireo 490 taona voalohany. Rehefa esorina ao amin'ny 2300 taona ny 490 taona dia mahazo 1810 taona isika. Miantraika amin'ny vahoakan'Andriamanitra ireo 1810 taona ireo. Raha manomboka amin'ny taona 34 TrK isika ary manampy 1810 taona amin'izany dia tonga eo amin'ny taona 1844 TrK. 

    Eo anatrehan'ny fanadiovana na ny famerenana amin'ny laoniny ny fahamarinana momba ny fitoerana masina sy ny fitsaran'ny lanitra amin'ny andro farany dia mandefa ny antsony farany amin'ny taranak' olombelona rehetra Andriamanitra ao amin'ny Apôk. 14:6, 7 mba hamalian'izy ireo ny Fitiavany sy hanekeny ny Fahasoavany ary hiainany fiainana feno fankatoavana sy araka an'Andriamanitra. 

    Vakio ny Lev. 16:16. Inona ny anton'ny fanadiovana ny fitoerana masina ary inona no ampianarin'izany antsika momba ny filazantsara? 

    Noho ny fahotan'ny vahoaka sy ny helok'izy ireo dia tsy maintsy nodiovina ny fitoerana masina; tamin'ny alalan'ny ram-biby ihany no nanaovana izany. Tahaka izany koa ho antsika. Mila Mpamonjy isika; ny ainy no naseho ara-tandindona tamin'ny alalan'ireo biby novonoina tamin'ny andro fanavotana; izany no hany fomba hahafahana amin'ny fitsarana. 

    Vakio ny Lev. 23:26-29. inona ny baiko nomen'Andriamanitra hataon'ny vahoakany amin'io andro fitsarana io, ary inona no hevitr'izany ho antsika ankehitriny? 

    Nasaina "nampahory ny tenany" ireo Isiraelita. Io fiteny io dia milaza fa nasaina nanetry tena sy nandinika ny fony izy ireo, nasaina niaiky ny fahotany sy nibebaka ary nangataka tamin'Andriamanitra mba hanadio azy tahaka ny nanadiovan'ny mpisoronabe ny fitoerana masina teto an-tany. 

    Ireo toko ara-paminaniana, ny Dan. 7-9 sy ny Apôk. 14, dia mita ntoka manokana amin'ireo antso maika mba hiomanana ho amin'ny andro fitsarana. Hatramin'ny 1844 dia miaina amin'ny andro fitsarana isika ary izao no ambaran'ny hafatr'ilay anjely voalohany ao amin'ny Apôkalipsy: "tonga ny andro fitsarany"- Apôk. 14:7. Ahoana àry no "ampahoriantsika ny tenantsika" amin'izao fotoana Izao? 

    Indro misy fomba tsotra sy haingana handinihana ny faminaniana momba ny 70 herinandro ao amin'ny Dan. 9:24-27.

    Voalohany, ireo 70 herinandro (Dan. 9:24).
    Manaraka, ireo 7 herinandro sy 62 herinandro, na 69 herinandro (Dan. 9:25) amin'ireo 70 herinandro. 
    Eo koa ny herinandro farany, ny faha-70 (Dan. 9:27).
    Ary farany, dia voazara io herinandro farany io — "hatramin'ny antsasaky ny herinandro" (Dan. 9:27), mizara ho telo taona sy tapany anankiroa izany.

    70 herinandro ahitana 69 herinandro sy herinandro iray izany. Ary io herinandro io dia mizara roa. Apetraka fotsiny ny daty 457 TlK eo am-piandohana ary atao ny kajy tsotra dia tonga eo amin'ny 1844 eo amin'ny fizotry ny fotoana isika.
    Fanampin'izany, tsy nilaza ny fotoana niantombohan'ny 2300 andro mihitsy ny Dan. 8 raha miresaka momba ireo 2300 andro ireo. "Telon-jato sy roa arivo andro; ary nony afaka izany, dia amin'izay vao hodiovina ny fitoerana masina"- Dan. 8:14. Hatramin'ny 2300 andro — nanomboka oviana izany? Nahoana no tsy tamin'ny fotoana nanomezana ny fahitana an'i Daniela, "tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Belsazara mpanjaka"- Dan. 8:1?

    Tsy mety raha izany. Tsy nahitana an'i Babilôna mantsy ny fahitana ao amin'ny Dan. 8. Manomboka am in'ireo toe-javatra manaraka izany, izany hoe ny Medianina sy Persianina, i Grisia, i Rôma, hatramin'ny "farany". Nahoana no avy amin'ny toe-javatra iray tsy ao anatin'ny fahitana (Babilôna) no amaritana ny toe-javatra iray (ny fanadiovana ny fitoerana masina) izay ao anatin'ny fahitana? Ny fotoana iaingan'ny fahitana dia tokony ho avy ao amin'ny fahitana ihany izay manomboka amin'ny Medianina sy Persianina ary mitohy hatramin'ny "farany". Taona maro tokoa izany.

    Iza amin'ireo no nanomboka izany? Tsy voalaza ao amin'ny Dan. 8 fa ao amin'ny Dan. 9 no ilazana izany amintsika. 

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra: 

    1. Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny fifandraisana ety misy eo amin'ny filazantsara sy ny fitsarana, araka ny isehoan'izany amin'ireo sokajy roa ireo, izay raha ny marina dia faminaniana iray ihany. Nahoana no vaovao mahafaly ho antsika tokoa ny fifandraisana misy eo amin'ireo anankiroa ireo? Ahoana no hanampian'io fifandraisana io hanamaivana ny tahotra izay mahazo ny olona maro momba ny fitsarana?

    2. Mieritrereta bebe kokoa ny amin'ny fahamarinana ambara ao amin'ny Dan. 9:26 izay milaza fa novonoina ny Mesia saingy "tsy ho an'ny Tenany". Inona no tian'izany hambara? Ho an'iza no namonoana Azy, ary nahoana?

    3. Vakio indray ny Lev. 16:16 sy ny Lev. 23:26-29. Resaho ny amin'ny antony nanadiovana ny fitoerana masina (Lev. 16:16) sy ny tokony ho fihetsiky ny olona rehefa mitranga izany (Lev. 23:26-29). Inona ny fifandraisana misy eo amin'izay mitranga eto sy ny tokony ho hevitr'izany ho antsika amin'izao fotoana izao?

    Please publish modules in offcanvas position.