- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 2: Hafatra telo ho an'izao tontolo rehetra izao
- Lesona 7: Miankohofa amin’ny Mpahary
Fampidirana
Mora tokoa ny manadino, indrindra ireo zavatra izay efa fantatsika hatry ny ela na efa niainantsika matetika. Jereo ohatra ny ankizy madinika, izay tsy manaja ny ray aman-dreniny izay efa fantany nandritra ny androm-piainany. Mora amintsika ny tsy mihevitra intsony ny masoandro, ny lanitra, ny rivotra, na ny tany eo ambany tongotsika.
Kanefa efa mba nosaininao ve hoe, hatraiza ny fanadinoantsika ny fisiantsika? Izany hoe, impiry isika no efa niato ka nametraka ilay fanontaniana lalina sady malaza manao hoe: "Nahoana ny zavatra no manam-pisiana fa tsy hoe tsy misy fotsiny?"
Voalohany, nahoana ity tontolontsika ity, mbamin'ireo zava-mahatalanjona feno voninahitra sy fahalehibiazana rehetra ao aminy, no misy? Inona ny antony mitombina, izay maneho fifanoherana lehibe amin'izany, raha toa ka tsy misy ny tontolo misy antsika sy isika ao anatin'izany? Araka ny tsangan-kevitra farany nambaran'ny mpahay siansa (miova matetika mantsy ny hevitr'izy ireo), dia tsy nisy izao tontolo rehetra izao fahiny. Izany hoe, ny fisiantsika dia kisendrasendra, ary fahagagana no maha-eto antsika. Kanefa na eo aza ireo anganongano momba ny niandohan'ny tontolo rehetra avy amin'ny tsy misy na avy amin'ny kajikajy matematika, dia misy ny tontolontsika satria Andriamanitra ilay Mpahary no namorona azy mbamin'izay rehetra ao aminy.