- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 2: Hafatra telo ho an'izao tontolo rehetra izao
- Lesona 8: Ny sabata sy ny farany
Famitahana miharihary
Ho fanimbana ny toetra manokana ananan'ny famoronana antsika dia nampiditra fisandohana miharihary ny devoly. Tahatahaka izao izany zavatra sandoka izay neken'ny sasany tamintsika izany. Andriamanitra no antony voalohan'ny famoronana saingy nila fotoana lava Izy mba hampisy ny fiainana. Ny fivoarana miandalana no dingana nampiasainy. Noforonina mba hampirindra ireo "tahirin-kevitra siantifika" amin'ny fitantaran'ny Genesisy izany hevitra izany. Ambarany amin'izany fa vanim-potoana lava sy tsy voafaritra ireo andro famoronana ireo, ary ny fiainana teto an-tany dia efa nisy an-davitrisa taona maro izay.
Vakio ny Sal. 33:6, 9 sy ny Heb. 11:3. lnona no ambaran'ireo andalon-tSoratra Masina mazava tsara ireo amintsika ny amin'ny fomba namoronan' Andriamanitra an'izao tontolo izao?
Mazava ny fitantaran'ny Baiboly. Andriamanitra "no niteny dia ary izany; Izy no nandidy, dia nitoetra mafy izany"-Sal. 33:9. "Finoana no ahafantarantsika fa tenin'Andrianianitra no nanaovana izao tontolo izao"- Heb. 11:3. Ny toko voalohany ao arnin'ny Genesisy dia milaza fa namorona izao tontolo izao tao anatin'ny enina andro ara-bakiteny izay ahitana 24 ora Andriamanitra, ary nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito. Tsy maneho zavatra hafa ankoatra izany ny firafitry ny fomba fiteny ampiasaina ao amin'ny Gen. 1 sy 2. Na ireo manam-pahaizana tsy mino ny famoronana natao tao anatin'ny enina andro ara-bakiteny aza dia miaiky fa nanana fikasana hampianatra momba ny famoronana tao anatin'ny henemana ny mpanoratra.
Ny teny hebreo ilazana ny "andro" ao amin'ny Gen. 1 dia "yom". Manerana ny Baiboly, isaky ny manolo ny teny "yom" ho mpamari-toetra ny isa anankiray (andro fahatelo, andro voalohany, na ny ankoatra izay) dia mametra ny fotoana ho 24 ora izany. Tsy misy toe-javatra na dia iray aza ao amin'ny Baiboly izay anovan'ny isa ny anarana "yom" ho vanim-potoana tsy voafaritra. Fe-potoana 24 ora mandrakariva no tondroin'izany ary tsy miovaova.
Raha tsy namorona izao tontolo izao tao anatin'ny enina andro ara-bakiteny tokoa Andriamanitra, dia inona no hevitry ny Sabata andro fahafito? Nahoana no nanome baiko mahakasika izany Andriamanitra? Tsy hisy antony mihitsy ny hamelana ny Sabata ho toy ny lova mandrakizain'ny herinandro famoronana tao anatin'ny henemana raha toa ka tsy nisy hatrany am-piandohana ny herinandro famoronana izay ahitana andro enina. Ny fanekena ny taona marobe nanaovana ny famoronana dia fisalasalana ny amin'ny filana ny Sabata andro fahafito. Mametraka fisalasalana lehibe mikasika ny fahamarinan'ny Soratra Masina koa izany.
Ny fototry ny fahefan'Andriamanitra mihitsy no iantefan'ny fihaikan'i Satana amin'ny famelezany ny Sabata, ary inona moa no mahomby kokoa eo amin'ny famotehana ny fahatsiarovana ny enina andro Famoronana raha tsy ny fandavana ny maha-tena zava-misy izany Famoronana tao anatin'ny enina andro izany? Tsy mahagaga raha toa olona maro, ao anatin'izany ny Kristianina, no manao tsinontsinona ny Sabata andro fahafito. Drafitra mialoha sahady ny famitahana farany tokoa izany!