Lesona 9: Ilay tanàna antsoina hoe « Fikororohana »

    Hianarana mandritry ny herinandro : Apôk.17:1,2,15; Apôk .18:1-4; Apôk. 17:4-6; Mat.16:18; Jer. 50: 33-38; Sal. 115:4-8.

    Tsianjery: "Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky." - Apok. 17:14. 

    Ny lohahevitra fototry ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy dia voafintina ao amin'ny Apokalipsy amin'ny alalan'ny tandindon'ny vehivavy roa: ny iray mitafy masoandro, ao amin'ny Apôk. 12 ary ny iray mitafy lamba jaky, ao amin'ny Apok. 17.

    Hita ao amin'ny Apôk. 12 ny tandindona manaitra ny amin'ilay vehivavy mitafy masoandro, ao amin'ny famirapiratan'ny voninahitr' i Kristy. Mahatoky amin'i Jesosy, Ilay tena malalany izy. Tsy voaloton'ny fampianaran-diso izy. Manerana ny Baiboly, ny vehivavy madio dia tandindon'ny vadin'i Jesosy, dia ny fiangonana marina. Hoy ny mpaminany ao amin'ny Jer. 6:2: "Toy ny vehivavy tsara tarehy sy nampihantaina i Ziona zanakavavy" (DIEM). Mampiasa ny teny hoe "Ziona zanakavavy" na ny vehivavy mahatoky ny mpaminany mba hilazana ny vahoakan'Andriamanitra. (Jereo koa ny Efes. 5:25-32 sy ny Hos. 2:20.)

    Mifanohitra amin'izany, ampitovian'ny Baiboly amin'ny fivarotan-tena na fijangajangana ny fihemorana (Jak. 4:4). Nitaraina toy izao i Ezekiela raha nilaza ny amin'ny fiodinana sy ny tsy fahatokian'ny Isiraely: "Raha manitsakitsa-bady ny vehivavy, dia olon-kafa no alainy fa tsy ny vadiny" - Ezek. 16:32, DIEM.

    Mandritra ity herinandro ity isika dia handinika ny amin'ireo vehivavy roa ao amin'ny Apokalipsy ireo, ary handalina misimisy kokoa ny amin'ny fifanoherana eo amin'ny marina sy ny diso. 

    Vakio ny Apôk. 12:17 sy ny Apôk. 17:14. Ahoana no amaritana ny fiangonan'Andriamanitra eto, ary inona ny fihetsik'i Satana manoloana izany?

    Nandritra ny taonjato maro dia nanana vahoaka nahatoky Taminy hatrany Andriamanitra. Ireo izay "mitandrina ny didin'Andriamanitra" no ilazan'ny Apôk. 12:17 ny fahatokian'ireo, ary any amin'ny andininy hafa dia voalaza ho "voantso sy voafidy ary mahatoky" izy ireo (Apôk. 17:14). 

    Vakio ny Apôk. 14:8 sy ny Apôk. 17:1,2. Inona ny fanambarana lehibe ataon'llay anjely, ary ahoana no anoheran"i Babilôna izany fanambarana izany?

    Tamin'ny faramparan'ny taonjato voalohany no nanoratan'i Jaona ny bokin'ny Apôkalipsy. Tamin'io fotoana io dia efa antontam-bovoka sisa ilay tanànan'i Babilona fahiny. Rehefa nanoratra ny hafatra ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy i Jaona dia efa potika taonjato maro talohan'izany ilay tanànan'i Babilôna ara-bakiteny.

    Ao amin'ny Apôkalipsy dia natao tandindona maneho ny Babilônan'ny andro farany ny tanànan'i Babilôna fahiny. Ao amin'ireo faminanian'ny Apôkalipsy, Babilôna dia maneho rafitra ara-pivavahana diso izay hanana ireo toetra nampiavaka an'i Babilônan'ny Testamenta Taloha. Ireo fitsipika izay nifehy an'i Babilôna fahiny no ho rafitra fototr'ilay Babilôna môderina sy ara-panahy.

    Ao amin'ny Apôk. 17:1-6 dia misy vehivavy mitafy lamba volomparasy sy jaky izay mizotra mamakivaky ny fotoana. Nitaingina bibidia nivolon-jaky ilay vehivavy. Vehivavy janga no iantsoan'ny Baiboly azy. Nandao ilay tokony ho malalany izy, dia i Jesôsy Kristy. Eto ny apôstôly Jaona dia mampiseho sary antsika momba ilay rafitra ara-pivavahana nihemotra izay misy akony mahery vaika eo amin'izao tontolo izao. Diniho ilay filazany hoe: io fahefana io no "ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany" - Apôk. 17:2. "Ireo mpanjakan'ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mponin'ny tany kosa natao mamon'ny divain'ny fijangajangany", hoy ny ao amin'ny DIEM. Mamo? Ratsy mandrakariva izany ao amin'ny Baiboly. Ary ny fijangajangana? Maneho fampianaran-diso, foto-pampianarana sandoka, ary fampiharana tsy araka ny tokony ho izy izany. 

    Voataonan'io fahefana io ho amin'ny ratsy avokoa na ireo mpitondra na ireo vahoaka. Inona no hany fiarovana ho antsika? (Vakio ny Efes. 6:10-18.) 

    Vakio ny Apôk. 17:1,2,15 sy ny Apôk. 18:1-4. Hatraiza ny velaran'ny fahefan'l Babilôna? 

    Mahenika ny olona rehetra manerana izao tontolo izao ny fahefana ananan'ny rafitr'ilay fiangonana lavo, izay mamitaka ny firenena rehetra. Romotry ny hatezerana i Satana fa "hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" ny filazantsara, ary "hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity". Koa ampiasainy avokoa izao famitahana rehetra izao mba hamaboana ny sain'ny "mponina amin'ny tany" (Apôk. 14:6, Mat. 24:14, Apôk. 17:2).

    Tohizan'ny Apôk. 17:2 ny fanazavany momba ny zava-miafin'i Babilôna lehibe ka arnbarany fa "nijangajanga" tamin'ny mpanjakan'ny tany izy. Inona izany fijangajangana izany? Maneho firaisana tsy ara-dalàna izany, dia ny firaisan'ny fiangonana amin'ny fanjakana, raha ny rafitry ny fiangonana lavo no resahina. Ao amin'ny rafitry ny fiangonana marina kosa, ny fiangonana dia miray amin'i Jesôsy Kristy. Mila hery sy fahefana avy amin'ireo mpitondra fanjakana eto an-tany ny fiangonana lavo. Mila ny fanjakana izy hanamafy sy hampanan-kery ny lalàny. Tsy manovo hery ao amin'i Jesôsy, Ilay tena filohany izy, fa mitady fanohanana avy amin'ny fanjakana.

    Manohy ny fanoritsoritany manaitra ny Apôk. 17:2: "leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany." Ny ranom-boaloboka madio dia tandindona ampiasaina manerana ny Testamenta Vaovao entina hanehoana ny ran'i Kristy madio sy tsy voaloto izay nalatsaka ho famonjena antsika teo amin'ny hazo fijaliana (Mat. 26:27-29). Hoy i Jesôsy ao amin'ny Lio. 22:20: "Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako". Rehefa mivadika ny divay madio sy vaovaon'ny filazantsara, rehefa ny fampianaran' olombelona mpitari-pivavahana no asolo ny fampianaran'ny Tenin'Andriamanitra, dia tonga "divain'i Babilôna" izany (jereo ny Mat. 15:9).

    Mariho koa fa miantso ny vahoakany hiala ao Babilôna Andriamanitra. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao: feno fahalovana sy faharatsiana ilay rafitra, ary lehibe tokoa ny velarany ka voafaokany hatramin' ireo olo-mahatoky, izay antsoin'ny Tompo hoe "ry oloko" (Apôk. 18:4), farafahakeliny mandritra ny fotoana voafaritra. Tonga anefa ny fotoana izay hiantsoan'Andriamanitra azy ireo hiala amin'io rafitra voaloto sy ratsy io, izay eo an-dalam-paharavana noho ny faharatsiany, araka ny voalaza hoe: "fonenan'ny demonia (...) ary akanin'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina." - Apôk. 18:2. 

    Inona ny anjara asan'ireo izay mitory ny hafatry ny anjely raha ampiasain'Andriamanitra izy ireo hiantso ny "olony" hiala ao Babilôna? 

    Vakio ny Apok. 17:4-6. Inona no ambaran'ireo andininy ireo antsika momba ny toetr'ity rafitry ny ratsy ity?

    Araka ny efa hitantsika, ny Apôk. 17 dia manoritsoritra rafitra ara-pivavahana mihemotra izay mampiditra fampianarana maro samihafa avy amin'i Babilonan'ny Testamenta Taloha ho ao amin'ny fivavahana kristianina.

    "Mba hahazoana mahatakatra ny toetran'i Babilona dia mila miverina any amin'izay niresahana momba azy voalohany ao amin'ny Baiboly isika, dia ao amin'ny Genesisy. Teo amin'ny lemaky ny tany Sinara no nanomboka ny zava-drehetra, izay faritra any atsimon' Mesopotamia, any atsimon'i Irak ankehitriny, nantsoina hoe Babilôna . Teo no nanorenana ny tilikambon'i Babela, izay naneho ny avonavon'ny olona, ny fiarovany ny tenany, ary ny tsy fiankinany amin'Andriamanitra (Gen. 11:1-4)". — Angel Manuel Rodriguez, paper entitled "The Closing of the Cosmic Conflict: Role of the Three Angels 'Messages," t. 43.

    Ny tilikambon'i Babela, izay toerana nisy an'i Babilona fahiny dia naorina ho fihaikana mivantana ny Tenin'Andriamanitra. Tsangambato ho voninahitry ny tenany no nanorenan'izy ireo an'i Babela, ary dia nanorokoro ny fiteniny Andriamanitra. Toy izao no ilazan'ny Genesisy izany: "Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehôvah  no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra." - Gen. 11:9. 

    Tena ratsy indrindra io rafitra io ka izany no namaritana azy hoe "leon'ny ran'ny olona masina sy ny ran'ny maritioran'i Jesôsy"- Apôk. 17:6 – sary mahatsiravina izay maneho ny fahalotoan'i Babilôna izany (jereo koa ny Isa. 49:26).

    Raha ny marina dia maneho fivavahana miorina amin'ny fampianaran'olombelona, mifototra amin'ny hevitr' olombelona, ary tohanan'ny fomba arnam-panaon'ny olombelona i Babilona ara-panahy. Endri-pivavahana namboarin'olombelona izany, ary mpitari-pivavahana mamiratra tokoa angamba no nanorina azy, saingy manohitra ny fahefan'ny filazantsara sy ny fiangonana izay naorin' i Jesôsy izy, izay fiangonana miorina amin'ny fitiavana fa tsy amin'ny herisetra.

    Manoritsoritra ireo rafi-pivavahana roa ireo ny bokin'ny Apôkalipsy. Ny voalohany dia maneho fitokiana tanteraka amin'i Jesôsy  sy fianteherana amin'ny Teniny. Ny faharoa kosa maneho fitokiana amin'ny fahefan'olombelona sy fianteherana amin'ireo olombelona mpampianatra ara-pivavahana. Finoana miorina amin'i Kristy sady miankina tanteraka amin'ny fahasoavany, ny sorona sy ny fanavotana nataony ho famonjena antsika, ny andaniny. Ny ankilany kosa dia finoana miorina amin'ny maha-olombelona, izay asolo toerana ny fiankinana tanteraka amin'i Kristy ho famonjena, satria miantehitra amin'ny fombafomban'ny fiangonana. 

    Ahoana no ahafahantsika miaro tena tsy ho voataonan'ny hery miasa manginan'i Babilona, ka tsy hironantsika ho amin'ny fiankinana amin'ny tenantsika ohatra, izay mora tokoa, fa amin'Andriamanitra tanteraka kosa? 

    Ny antso ao amin'ny Apokalipsy dia antso maika ho amin'ny fanoloran-tena, izay voafintina ao amin'ny tandindon'ireo vehivavy roa voasoritsoritra ao. Na indraindray aza toa ho resy no ahitana ny vahoakan'Andriamanitra ao amin'io ady lehibe ifanandrinan'ny marina sy ny diso io, dia manome toky Andriamanitra fa handresy ny fiangonany amin'ny farany. 

    Ampitahao ny Mat. 16:18 sy ny Apok. 17:14. Inona ny toky nomen'i Jesôsy ny mpianany mikasika ny fiangonany?

    I Kristy no fototra mafy iorenan'ny fiangonany. Mifototra amin'ny fampianaran'ny Teniny ny fiangonany ary tarihin'ny Fanahiny. Fa i Babilona kosa, araka ny efa hitantsika, dia miorina amin'ny fampianarana sy ny fombafomba noforonin' olombelona. Izay mpitari-pivavahana rehetra mametraka ny hevitra na ny fomban'olombelona eo amin'ny toeran'ny sitrapon'Andriamanitra voambara ao amin'ny Soratra Masina, na ho ambonin'izany sitrapony izany, dia manome vahana ilay fikorokoroan'i Babilona.

    Tamin'ny andron'ny Babilona fahiny dia iray ihany ny fiangonana sy ny fanjakana. Rehefa nipetraka tao amin'ny tempoliny teo amin'ny seza fiandrianam-panjakany i Nebokadnezara mpanjaka, dia noeritreretina ho niteny tamin' ny anaran' ireo andriamanitra izy. Nisy fotoana namoahan'ny mpanjakan' i Babilona didy maneran-tany, ho fihaikana Ilay Andriamanitra marina, izay nanery ny olona hivavaka sy hiankohoka araka izay andidiany azy. Izany dia tandindona maneho mazava ny toe-javatra tsy maintsy hatrehin' ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky izay tsy mety hiankohoka amin'ny sary, amin'ny andro farany. (Jereo ny Dan. 3).

    Amin'ny andro faran'ity tany ity dia hisy rafitra hitsangana: fiangonana sy fanjakana mikambana, Babilona ara-panahy, izay misy mpitarika ara-panahy milaza ny tenany ho miteny toa an'Andriamanitra. Hambara ho tenin'Andriamanitra ny teniny, ary ny didiny ho didin'Andriamanitra. Nandritra ny taonjato maro, ireo Papa mpitari-pivavahana romanina dia nanambara fa izy ireo no mitana ny toeran'Andriamanitra eto an-tany. Ao amin'ny taratasy nalefany ho an'ny eveka rehetra tamin'ny 20 Jona 1894 dia nanambara ny Papa Leon XIII hoe: "Ny toeran'Andriamanitra Tsitoha no tananay eto amin'ity tany ity." Hoy koa ny rakibolana "Ferraris Ecclesiastical Dictionary": "Manana fahamendrehana lehibe ny Papa ary ambony tokoa ka tsy olombelona tsotra fotsiny, fa toa an'Andriamanitra izy, sy solontenan' Andriamanitra." Mampahafantatra io fahefana io i Paoly raha nilaza hoe: "(...) ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra." - 2 Tes. 2:4. 

    Satria efa hitantsika toa  manana vahoaka mahatoky ao "Babilona" Andriamanitra, nahoana no tokony hitandrina tsara isika rehefa miresaka momba izany mba tsy hitsaratsara olona amin'ny maha-olona azy, Izay tsy mifandraika amin'llay rafitra?

    Misy marika iray koa hamantarana ilay "zava-miafina, Babilôna lehibe". Ny fanompoan-tsampy no ivon'ny fanompoam-pivavahana babiloniana. 

    Vakio ny Jer. 50:33-38 sy ny Jer. 51:17,47. Inona no hitanao ao amin'ireo andininy ireo momba ny fivavahan'i Babilona fahlny amin'ny sarin-javatra voasokitra, sy ny nasetrin'Andriamanitra izany?

    Nilaza mialoha ny handravan'ny Medianiana sy ny Persianina an' i Babilona ny Jer. 50 sy 51. Antony iray nahatonga ny faharavan' i Babilona ny fanompoany sampy. Nino ny Babilonianina fa ny sary dia fanehoana ireo andriamaniny. Teo amin'ny fivavahana babilonianina dia mmasina ny fikolokoloana ny sarivongan'ireo andriamanitra sy ny fiankohofana tamin'ireo. Ho azy ireo dia monina ao amin'ny sarivongany ao amin'ny tempoly ireo andriamanitra, ary ao anatin'ny hery voajanahary izay asehony. Raha voaroba na potika ireo sampy dia fahaverezan'ny fiarovan'ireo andriamanitra no nandraisana izany. Nandritra ny vanim-potoan'ny Fanjakana Babilonianina Vaovao dia nandositra tany amin'ny honahona, tany atsimon' i Mezopotamia, niaraka tamin' ireo sarivongan'ny andriamanitr'i Babilona ny andriana kaldeanina Marduk-apla-iddina II, mba hiaro azy ireo amin'ny tafik'i Sankeriba avy any Asiria. (Jane R. McIntosh, Ancient Mesopotamia: New Perspectives, ABC-CLIO, Inc., [Santa Barbara, CA, 2005] tt. 35-43). 

    Ampifanoherin' ireo mpaminanin'ny Baiboly amin'Andriamanitra Mpamorona Izay velona sy mpanome aina, ny fivavahana amin' ireny sary tsy misy aina ireny (Jer. 51:15,16,19).

    Vakio ny Eks. 20:4-6 sy ny Sal. 115:4-8. Inona no ambaran'ireo momba ny fanompoan-tsampy?

    Na dia lalina kokoa noho ny fiankohofana fotsiny amin'ny sarin-javatra vita amin'ny hazo sy vato aza ny olan'ny fanompoan-tsampin' ilay Babilona ara-panahy, dia manao tahaka ny nataon' i Babilona fahiny izy amin'ny fampidirana sarin-javatra voasokitra ao amin' ny fanompoam-pivavahana ataony. Ny fampiasana sary ho toy ny azo ivavahana, na "itsaohana", araka ny filazan' izy ireo azy, dia fandikana ny didy faharoa satria mametra ny fahafahan'ny Fanahy Masina mametraka ao an-tsaintsika ireo zavatra momba ny mandrakizay izany ary mampihena ny fahalehibeazan'Andriamanitra ho tahaka ilay sarivongana tsy misy aina. Nampidirina tao amin'ny fivavahana kristianina ireny sarivongana ireny tamin'ny taonjato fahefatra mba hahatonga ny fivavahana kristianina ho mora eken'ny vahoaka jentilisa. Indrisy fa matetika no omena ny hasina sy ny haja izay tokony ho an'Andriamanitra irery ihany ireny sary ireny, ka mahatonga fitotonganana ara-panahy tokoa. 

    "Ny hafatra ao amin'ny Apokalypsy 14, izay manambara ny fahalavoan Babylona dia ampiharina amin'ireo fivavahana izay nadio teo aloha nefa tonga maloto ankehitriny. Koa satria manaraka ny fampitandremana momba ny fitsarana ity hafatra ity, dia tsy maintsy torina amin'ny andro farany, noho izany dia tsy azo hampiharina amin'ny Eglizin'i Rôma irery izy. Satria efa an-jato taonany maro no efa teo am-pahalavoana io fiangonana io." —HM, t. 396. Ny Dan. 3 — tantaran'ireo Hebreo telo izay nomena didy hoe "miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka" - Dan. 3:5, tany Babilona fahiny — dia mijoro ho ohatra, tandindon' izay hitranga rehefa hanery ny olona ho amin'ny fiankohofana amin'ny "sary" i Babilona ara-panahy amin'ny andro farany (jereo ny Apôk. 13:15; Apôk. 14:9,11; Apôk. 16:2; Apôk.19:20; Apôk. 20:4). Mahaliana ny manamarika fa ny didy izay ho nodikain'ireo Hebreo telo lahy raha nanaiky izy ireo, izany hoe ny didy faharoa (Eks. 20:4,5), dia iray amin'ireo didy anankiroa izay novan'io fahefana io, fahefana izay voalaza any amin'ny andininy hafa fa hitady "hanova fotoana sy lalana" (Dan. 7:25).

    Inona ilay didy iray hafa novany? Mazava loatra fa ny didy fahefatra, izay araka ny efa hitantsika ary ho hitantsika indray fa ivon'ny fiankohofana manontolo, ary ho lohahevitra lehibe fototry ny fifanolanana amin'ny fotoan-tsarotra farany rehefa tsy maintsy hanapa-kevitra isika na hiankohoka amin' Ilay "nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito" Eks. 20:11 (jereo koa ny Apôk . 14:7), na amin'ny bibidia sy ny satiny. 

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra: 

    1. Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny Tilikambon'i Babela sy i Babilona ara-panahy ankehitriny? Inona no mampitovy azy roa ireo?
    2. Ahoana no hampifandrindrana hevitra roa mifanohitra? Nomen'i Jesôsy  fahefana ny fiangonany kanefa mampidi-doza ny mametraka ny fiainam-pivavahantsika eo am-pelatanan'ny mpitari-pivavahana. Hatraiza ny fetran'ny fahefan'ny fiangonana?

    3. Ahoana no hahatakarantsika to ny fanompoan-tsampy, anankiray amin'ireo fahotan'i Babilona, dia tsy midika ho fiankohofana amin'ny sarivongana fotsiny? Ahoana no mety hahalatsaka antsika, na dia protestanta (manohitra ny fihemorana) aza, ao anatin'ny fandriky ny fanompoan-tsampy?

    4 Inona koa no mampitovy ny Dan. 3 sy ny fiankohofana an-tery hita ao, amin'izay efa nampitandremana antsika fa hitranga amin'ny andro farany? 

    Please publish modules in offcanvas position.