Ny lohahevitra fototry ny fifanandrinana lehibe eo amin'ny tsara sy ny ratsy dia voafintina ao amin'ny Apokalipsy amin'ny alalan'ny tandindon'ny vehivavy roa: ny iray mitafy masoandro, ao amin'ny Apôk. 12 ary ny iray mitafy lamba jaky, ao amin'ny Apok. 17.
Hita ao amin'ny Apôk. 12 ny tandindona manaitra ny amin'ilay vehivavy mitafy masoandro, ao amin'ny famirapiratan'ny voninahitr' i Kristy. Mahatoky amin'i Jesosy, Ilay tena malalany izy. Tsy voaloton'ny fampianaran-diso izy. Manerana ny Baiboly, ny vehivavy madio dia tandindon'ny vadin'i Jesosy, dia ny fiangonana marina. Hoy ny mpaminany ao amin'ny Jer. 6:2: "Toy ny vehivavy tsara tarehy sy nampihantaina i Ziona zanakavavy" (DIEM). Mampiasa ny teny hoe "Ziona zanakavavy" na ny vehivavy mahatoky ny mpaminany mba hilazana ny vahoakan'Andriamanitra. (Jereo koa ny Efes. 5:25-32 sy ny Hos. 2:20.)
Mifanohitra amin'izany, ampitovian'ny Baiboly amin'ny fivarotan-tena na fijangajangana ny fihemorana (Jak. 4:4). Nitaraina toy izao i Ezekiela raha nilaza ny amin'ny fiodinana sy ny tsy fahatokian'ny Isiraely: "Raha manitsakitsa-bady ny vehivavy, dia olon-kafa no alainy fa tsy ny vadiny" - Ezek. 16:32, DIEM.
Mandritra ity herinandro ity isika dia handinika ny amin'ireo vehivavy roa ao amin'ny Apokalipsy ireo, ary handalina misimisy kokoa ny amin'ny fifanoherana eo amin'ny marina sy ny diso.