Rafitra roa mifanohitra

    Vakio ny Apôk. 12:17 sy ny Apôk. 17:14. Ahoana no amaritana ny fiangonan'Andriamanitra eto, ary inona ny fihetsik'i Satana manoloana izany?

    Nandritra ny taonjato maro dia nanana vahoaka nahatoky Taminy hatrany Andriamanitra. Ireo izay "mitandrina ny didin'Andriamanitra" no ilazan'ny Apôk. 12:17 ny fahatokian'ireo, ary any amin'ny andininy hafa dia voalaza ho "voantso sy voafidy ary mahatoky" izy ireo (Apôk. 17:14). 

    Vakio ny Apôk. 14:8 sy ny Apôk. 17:1,2. Inona ny fanambarana lehibe ataon'llay anjely, ary ahoana no anoheran"i Babilôna izany fanambarana izany?

    Tamin'ny faramparan'ny taonjato voalohany no nanoratan'i Jaona ny bokin'ny Apôkalipsy. Tamin'io fotoana io dia efa antontam-bovoka sisa ilay tanànan'i Babilona fahiny. Rehefa nanoratra ny hafatra ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy i Jaona dia efa potika taonjato maro talohan'izany ilay tanànan'i Babilôna ara-bakiteny.

    Ao amin'ny Apôkalipsy dia natao tandindona maneho ny Babilônan'ny andro farany ny tanànan'i Babilôna fahiny. Ao amin'ireo faminanian'ny Apôkalipsy, Babilôna dia maneho rafitra ara-pivavahana diso izay hanana ireo toetra nampiavaka an'i Babilônan'ny Testamenta Taloha. Ireo fitsipika izay nifehy an'i Babilôna fahiny no ho rafitra fototr'ilay Babilôna môderina sy ara-panahy.

    Ao amin'ny Apôk. 17:1-6 dia misy vehivavy mitafy lamba volomparasy sy jaky izay mizotra mamakivaky ny fotoana. Nitaingina bibidia nivolon-jaky ilay vehivavy. Vehivavy janga no iantsoan'ny Baiboly azy. Nandao ilay tokony ho malalany izy, dia i Jesôsy Kristy. Eto ny apôstôly Jaona dia mampiseho sary antsika momba ilay rafitra ara-pivavahana nihemotra izay misy akony mahery vaika eo amin'izao tontolo izao. Diniho ilay filazany hoe: io fahefana io no "ilay nijangajangan'ny mpanjakan'ny tany, sady natao leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany" - Apôk. 17:2. "Ireo mpanjakan'ny tany dia nijangajanga taminy, ary ny mponin'ny tany kosa natao mamon'ny divain'ny fijangajangany", hoy ny ao amin'ny DIEM. Mamo? Ratsy mandrakariva izany ao amin'ny Baiboly. Ary ny fijangajangana? Maneho fampianaran-diso, foto-pampianarana sandoka, ary fampiharana tsy araka ny tokony ho izy izany. 

    Voataonan'io fahefana io ho amin'ny ratsy avokoa na ireo mpitondra na ireo vahoaka. Inona no hany fiarovana ho antsika? (Vakio ny Efes. 6:10-18.) 

    Please publish modules in offcanvas position.