Vakio ny Apôk. 17:1,2,15 sy ny Apôk. 18:1-4. Hatraiza ny velaran'ny fahefan'l Babilôna?
Mahenika ny olona rehetra manerana izao tontolo izao ny fahefana ananan'ny rafitr'ilay fiangonana lavo, izay mamitaka ny firenena rehetra. Romotry ny hatezerana i Satana fa "hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" ny filazantsara, ary "hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity". Koa ampiasainy avokoa izao famitahana rehetra izao mba hamaboana ny sain'ny "mponina amin'ny tany" (Apôk. 14:6, Mat. 24:14, Apôk. 17:2).
Tohizan'ny Apôk. 17:2 ny fanazavany momba ny zava-miafin'i Babilôna lehibe ka arnbarany fa "nijangajanga" tamin'ny mpanjakan'ny tany izy. Inona izany fijangajangana izany? Maneho firaisana tsy ara-dalàna izany, dia ny firaisan'ny fiangonana amin'ny fanjakana, raha ny rafitry ny fiangonana lavo no resahina. Ao amin'ny rafitry ny fiangonana marina kosa, ny fiangonana dia miray amin'i Jesôsy Kristy. Mila hery sy fahefana avy amin'ireo mpitondra fanjakana eto an-tany ny fiangonana lavo. Mila ny fanjakana izy hanamafy sy hampanan-kery ny lalàny. Tsy manovo hery ao amin'i Jesôsy, Ilay tena filohany izy, fa mitady fanohanana avy amin'ny fanjakana.
Manohy ny fanoritsoritany manaitra ny Apôk. 17:2: "leon'ny divain'ny fijangajangany ny mponina tamin'ny tany." Ny ranom-boaloboka madio dia tandindona ampiasaina manerana ny Testamenta Vaovao entina hanehoana ny ran'i Kristy madio sy tsy voaloto izay nalatsaka ho famonjena antsika teo amin'ny hazo fijaliana (Mat. 26:27-29). Hoy i Jesôsy ao amin'ny Lio. 22:20: "Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin'ny rako". Rehefa mivadika ny divay madio sy vaovaon'ny filazantsara, rehefa ny fampianaran' olombelona mpitari-pivavahana no asolo ny fampianaran'ny Tenin'Andriamanitra, dia tonga "divain'i Babilôna" izany (jereo ny Mat. 15:9).
Mariho koa fa miantso ny vahoakany hiala ao Babilôna Andriamanitra. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia izao: feno fahalovana sy faharatsiana ilay rafitra, ary lehibe tokoa ny velarany ka voafaokany hatramin' ireo olo-mahatoky, izay antsoin'ny Tompo hoe "ry oloko" (Apôk. 18:4), farafahakeliny mandritra ny fotoana voafaritra. Tonga anefa ny fotoana izay hiantsoan'Andriamanitra azy ireo hiala amin'io rafitra voaloto sy ratsy io, izay eo an-dalam-paharavana noho ny faharatsiany, araka ny voalaza hoe: "fonenan'ny demonia (...) ary akanin'ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina." - Apôk. 18:2.
Inona ny anjara asan'ireo izay mitory ny hafatry ny anjely raha ampiasain'Andriamanitra izy ireo hiantso ny "olony" hiala ao Babilôna?