Zava-miafina, Babilona lehibe

    Vakio ny Apok. 17:4-6. Inona no ambaran'ireo andininy ireo antsika momba ny toetr'ity rafitry ny ratsy ity?

    Araka ny efa hitantsika, ny Apôk. 17 dia manoritsoritra rafitra ara-pivavahana mihemotra izay mampiditra fampianarana maro samihafa avy amin'i Babilonan'ny Testamenta Taloha ho ao amin'ny fivavahana kristianina.

    "Mba hahazoana mahatakatra ny toetran'i Babilona dia mila miverina any amin'izay niresahana momba azy voalohany ao amin'ny Baiboly isika, dia ao amin'ny Genesisy. Teo amin'ny lemaky ny tany Sinara no nanomboka ny zava-drehetra, izay faritra any atsimon' Mesopotamia, any atsimon'i Irak ankehitriny, nantsoina hoe Babilôna . Teo no nanorenana ny tilikambon'i Babela, izay naneho ny avonavon'ny olona, ny fiarovany ny tenany, ary ny tsy fiankinany amin'Andriamanitra (Gen. 11:1-4)". — Angel Manuel Rodriguez, paper entitled "The Closing of the Cosmic Conflict: Role of the Three Angels 'Messages," t. 43.

    Ny tilikambon'i Babela, izay toerana nisy an'i Babilona fahiny dia naorina ho fihaikana mivantana ny Tenin'Andriamanitra. Tsangambato ho voninahitry ny tenany no nanorenan'izy ireo an'i Babela, ary dia nanorokoro ny fiteniny Andriamanitra. Toy izao no ilazan'ny Genesisy izany: "Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehôvah  no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra." - Gen. 11:9. 

    Tena ratsy indrindra io rafitra io ka izany no namaritana azy hoe "leon'ny ran'ny olona masina sy ny ran'ny maritioran'i Jesôsy"- Apôk. 17:6 – sary mahatsiravina izay maneho ny fahalotoan'i Babilôna izany (jereo koa ny Isa. 49:26).

    Raha ny marina dia maneho fivavahana miorina amin'ny fampianaran'olombelona, mifototra amin'ny hevitr' olombelona, ary tohanan'ny fomba arnam-panaon'ny olombelona i Babilona ara-panahy. Endri-pivavahana namboarin'olombelona izany, ary mpitari-pivavahana mamiratra tokoa angamba no nanorina azy, saingy manohitra ny fahefan'ny filazantsara sy ny fiangonana izay naorin' i Jesôsy izy, izay fiangonana miorina amin'ny fitiavana fa tsy amin'ny herisetra.

    Manoritsoritra ireo rafi-pivavahana roa ireo ny bokin'ny Apôkalipsy. Ny voalohany dia maneho fitokiana tanteraka amin'i Jesôsy  sy fianteherana amin'ny Teniny. Ny faharoa kosa maneho fitokiana amin'ny fahefan'olombelona sy fianteherana amin'ireo olombelona mpampianatra ara-pivavahana. Finoana miorina amin'i Kristy sady miankina tanteraka amin'ny fahasoavany, ny sorona sy ny fanavotana nataony ho famonjena antsika, ny andaniny. Ny ankilany kosa dia finoana miorina amin'ny maha-olombelona, izay asolo toerana ny fiankinana tanteraka amin'i Kristy ho famonjena, satria miantehitra amin'ny fombafomban'ny fiangonana. 

    Ahoana no ahafahantsika miaro tena tsy ho voataonan'ny hery miasa manginan'i Babilona, ka tsy hironantsika ho amin'ny fiankinana amin'ny tenantsika ohatra, izay mora tokoa, fa amin'Andriamanitra tanteraka kosa? 

    Please publish modules in offcanvas position.