Ny antso ao amin'ny Apokalipsy dia antso maika ho amin'ny fanoloran-tena, izay voafintina ao amin'ny tandindon'ireo vehivavy roa voasoritsoritra ao. Na indraindray aza toa ho resy no ahitana ny vahoakan'Andriamanitra ao amin'io ady lehibe ifanandrinan'ny marina sy ny diso io, dia manome toky Andriamanitra fa handresy ny fiangonany amin'ny farany.
Ampitahao ny Mat. 16:18 sy ny Apok. 17:14. Inona ny toky nomen'i Jesôsy ny mpianany mikasika ny fiangonany?
I Kristy no fototra mafy iorenan'ny fiangonany. Mifototra amin'ny fampianaran'ny Teniny ny fiangonany ary tarihin'ny Fanahiny. Fa i Babilona kosa, araka ny efa hitantsika, dia miorina amin'ny fampianarana sy ny fombafomba noforonin' olombelona. Izay mpitari-pivavahana rehetra mametraka ny hevitra na ny fomban'olombelona eo amin'ny toeran'ny sitrapon'Andriamanitra voambara ao amin'ny Soratra Masina, na ho ambonin'izany sitrapony izany, dia manome vahana ilay fikorokoroan'i Babilona.
Tamin'ny andron'ny Babilona fahiny dia iray ihany ny fiangonana sy ny fanjakana. Rehefa nipetraka tao amin'ny tempoliny teo amin'ny seza fiandrianam-panjakany i Nebokadnezara mpanjaka, dia noeritreretina ho niteny tamin' ny anaran' ireo andriamanitra izy. Nisy fotoana namoahan'ny mpanjakan' i Babilona didy maneran-tany, ho fihaikana Ilay Andriamanitra marina, izay nanery ny olona hivavaka sy hiankohoka araka izay andidiany azy. Izany dia tandindona maneho mazava ny toe-javatra tsy maintsy hatrehin' ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky izay tsy mety hiankohoka amin'ny sary, amin'ny andro farany. (Jereo ny Dan. 3).
Amin'ny andro faran'ity tany ity dia hisy rafitra hitsangana: fiangonana sy fanjakana mikambana, Babilona ara-panahy, izay misy mpitarika ara-panahy milaza ny tenany ho miteny toa an'Andriamanitra. Hambara ho tenin'Andriamanitra ny teniny, ary ny didiny ho didin'Andriamanitra. Nandritra ny taonjato maro, ireo Papa mpitari-pivavahana romanina dia nanambara fa izy ireo no mitana ny toeran'Andriamanitra eto an-tany. Ao amin'ny taratasy nalefany ho an'ny eveka rehetra tamin'ny 20 Jona 1894 dia nanambara ny Papa Leon XIII hoe: "Ny toeran'Andriamanitra Tsitoha no tananay eto amin'ity tany ity." Hoy koa ny rakibolana "Ferraris Ecclesiastical Dictionary": "Manana fahamendrehana lehibe ny Papa ary ambony tokoa ka tsy olombelona tsotra fotsiny, fa toa an'Andriamanitra izy, sy solontenan' Andriamanitra." Mampahafantatra io fahefana io i Paoly raha nilaza hoe: "(...) ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin'ny tempolin'Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra." - 2 Tes. 2:4.
Satria efa hitantsika toa manana vahoaka mahatoky ao "Babilona" Andriamanitra, nahoana no tokony hitandrina tsara isika rehefa miresaka momba izany mba tsy hitsaratsara olona amin'ny maha-olona azy, Izay tsy mifandraika amin'llay rafitra?