Fianarana fanampiny

    "Ny hafatra ao amin'ny Apokalypsy 14, izay manambara ny fahalavoan Babylona dia ampiharina amin'ireo fivavahana izay nadio teo aloha nefa tonga maloto ankehitriny. Koa satria manaraka ny fampitandremana momba ny fitsarana ity hafatra ity, dia tsy maintsy torina amin'ny andro farany, noho izany dia tsy azo hampiharina amin'ny Eglizin'i Rôma irery izy. Satria efa an-jato taonany maro no efa teo am-pahalavoana io fiangonana io." —HM, t. 396. Ny Dan. 3 — tantaran'ireo Hebreo telo izay nomena didy hoe "miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka" - Dan. 3:5, tany Babilona fahiny — dia mijoro ho ohatra, tandindon' izay hitranga rehefa hanery ny olona ho amin'ny fiankohofana amin'ny "sary" i Babilona ara-panahy amin'ny andro farany (jereo ny Apôk. 13:15; Apôk. 14:9,11; Apôk. 16:2; Apôk.19:20; Apôk. 20:4). Mahaliana ny manamarika fa ny didy izay ho nodikain'ireo Hebreo telo lahy raha nanaiky izy ireo, izany hoe ny didy faharoa (Eks. 20:4,5), dia iray amin'ireo didy anankiroa izay novan'io fahefana io, fahefana izay voalaza any amin'ny andininy hafa fa hitady "hanova fotoana sy lalana" (Dan. 7:25).

    Inona ilay didy iray hafa novany? Mazava loatra fa ny didy fahefatra, izay araka ny efa hitantsika ary ho hitantsika indray fa ivon'ny fiankohofana manontolo, ary ho lohahevitra lehibe fototry ny fifanolanana amin'ny fotoan-tsarotra farany rehefa tsy maintsy hanapa-kevitra isika na hiankohoka amin' Ilay "nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito" Eks. 20:11 (jereo koa ny Apôk . 14:7), na amin'ny bibidia sy ny satiny. 

    Fanontaniana hifanakalozan-kevitra: 

    1. Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny Tilikambon'i Babela sy i Babilona ara-panahy ankehitriny? Inona no mampitovy azy roa ireo?
    2. Ahoana no hampifandrindrana hevitra roa mifanohitra? Nomen'i Jesôsy  fahefana ny fiangonany kanefa mampidi-doza ny mametraka ny fiainam-pivavahantsika eo am-pelatanan'ny mpitari-pivavahana. Hatraiza ny fetran'ny fahefan'ny fiangonana?

    3. Ahoana no hahatakarantsika to ny fanompoan-tsampy, anankiray amin'ireo fahotan'i Babilona, dia tsy midika ho fiankohofana amin'ny sarivongana fotsiny? Ahoana no mety hahalatsaka antsika, na dia protestanta (manohitra ny fihemorana) aza, ao anatin'ny fandriky ny fanompoan-tsampy?

    4 Inona koa no mampitovy ny Dan. 3 sy ny fiankohofana an-tery hita ao, amin'izay efa nampitandremana antsika fa hitranga amin'ny andro farany? 

    Please publish modules in offcanvas position.