- RATSIMAITOARIVO
- Telovolana 2: Hafatra telo ho an'izao tontolo rehetra izao
- Lesona 10: Ny famitahana farany ataon'ny satana
Fampidirana
Indray maraina mahafinaritry ny volana Septambra tamin'izay tao Chicago. Raha niposaka teo amin'ny farihy Michigan ny masoandro, niady tamin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana teo amin'ny lalambe Kennedy sy Eisenhower ny mponina ary nankany am-pianarana ny ankizy, dia tantara iray mampatahotra no nanomboka niseho ka nampihorohoro ireo mponina tao Chicago. Narary mafy ny olona, ary maty ora vitsy monja ny sasany taorian'ny nihinanany fanafody Tylenol. Ny fitiliana natao dia nahitana fa nisy "cyanure de potassium", izay poizina mahafaty, ny fanafody tsirairay. Olona iray misy aretin-tsaina no nanao fanovana tamin'izany fanafody izany. Hatramin'izao andro izao dia tsy faritatra hoe iza no nanao izany.
Araka izay efa hitantsika, ny Apokalipsy dia mampitandrina antsika fa "ny olona rehetra monina ambonin'ny tany" dia hisotro zava-mahafaty antsoina hoe "divain' i Babilona". Misy foto-pinoana sy fampianarana diso izay hitarika ho amin'ny fahafatesana amin'ny farany. Na izany aza dia tsy avela tsy hanana fanefitra izao tontolo izao, dia ny fiarovana amin'izany poizina ara-panahy izany: ny hafatry ny anjely telo.
Hotohizantsika ao amin'ny lesona amin' ity herinandro ity ny fandinihana ny famitahana ataon'i Babilona ary koa ny drafitra nataon'i Jesôsy mba hamonjena antsika amin'ireny sy ny fahafatesana aterany.