"Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy i Filipo taminy: Andeha hizaha" - Jao. 1:46.
Mofon'aina:
Tamim-panetren-tena no nanom-bohan'i Kristy ny asany lehibe ho fanarenana ilay taranaka lavo. Tsy tany amin'ireo tanàn-dehibe sy toeram-pampianarana malaza Izy no nanorim-ponenana fa tao amin'ilay tanàna kely tsotra tsy dia misy mpahalala tao Nazareta. Tao amin'io toerana io, izay noheverina ho tsy mba misy zava-tsoa, no niasan'Ilay Mpanavotra izao tontolo izao tamin'ny ankamaroan'ny fotoany, tamin'ny maha-mpandrafitra Azy. Isan'ny mahantra ny tranony; tsy niavaka tamin'ny fahalalana, na harena, na toerana ambony ny fianakaviany. Teo amin'ny lalana tsy maintsy nodiavin'ny mahantra, ny ailikiliky ny fiarahamonina, sy ny ory no nandehanany fony Izy tety an-tany, ka nentiny teo Aminy ny fahoriana rehetra izay tsy maintsy nozakain' ireo mijaly.
Nirehareha ny Jiosy fa ho toy ny mpanjaka no hiavian'ny Mesia, handresy ny fahavalony ary hanorotoro ny mpanompo sampy amin'ny fahatezerany. Saingy tsy asa nanirahana an'i Kristy ny hanandratra ny lehilahy sy ny vehivavy mba hikolokolo ny avonavony. Azon'ity Nazareana tsotra ity natao ny nanao zinona izao tontolo izao sy ny avonavony, satria Izy no Mpanapaka sy Komandy tany an-danitra, saingy tamim-panetren-tena no nahatongavany, nanehoany fa tsy harena, na toerana ambony, na fahefana no omen'Ilay Andriamanitry ny lanitra voninahitra, fa ny fo torotoro izay natao mendrika noho ny herin'ny fahasoavan' i Kristy. Ny fanaovana sorona ny ainy ho antsika no namaranan'i Kristy ny fiainany feno fisasarana sy fandavan-tena. (...)
Mpamonjy velona i Kristy. Mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra Izy ankehitriny amin'ny maha-Mpisolovava antsika, manao fanelanelanana ho antsika; ary miantso antsika hibanjina Azy Izy, mba hovonjena. Efa tanjon'ilay mpaka fanahy hatrizay ny hanakona an'i Jesôsy tsy ho hitan'ny masontsika, mba hahatonga antsika hiantehitra amin'ny sandrin'ny olombelona hahazoana fanampiana sy hery (...).
Tahaka ny nanandratan'i Mosesy ilay menarana tany an'efitra, ka izay rehetra voakaikitry ny menarana afo dia velona rehefa nijery izany, no tsy maintsy hanandratan'ny mpanompony ny Zanak' Olona eo anatrehan' izao tontolo izao. — RH, 29 Septambra 1896
Hianarana mandritry ny herinandro : Apôk. 14:12; Efes. 2:8-10; Mat. 27:45-50; Apôk.13:15-17; Apôk. 14:4; Lio. 5:18-26.
Tsianjery: "Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa, niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon Andriamanitsika." – Apôk. 7:2,3.
Eo am-pandinihantsika ireo toe-javatra hiseho amin'ny andro farany momba ny mariky ny bibidia dia misy hevi-dehibe iray mivohitra: ny fahasamihafan'ny fomba fiasan'Andriamanitra sy ny an'ny fahavalon'ny fanahy.
Araka ny efa nianarantsika, ireo lohahevi-dehibe ifanolanana ao amin'ilay adin'i Kristy sy i Satana dia mikasika ny fahatokiana, ny fahefana ary ny fiankohofana. Ireo faminaniana manoritsoritra ny fahefan'ilay bibidia ao amin'ny Apôk . 13, ilay tandroka kely ao amin'ny Dan. 7 sy ilay "zanaky ny fahaverezana" ao amin'ny 2 Tes. 2, dia samy milaza fahefana izay mandrombaka ny fahefan'Andriamanitra, handidy ny olona hanaiky azy, ary hampiditra rafi-pivavahana sandoka. Ary amin'ny fampiasan-kery no anaovany izany, amin'ny fanerena tsotra izao ary indraindray koa amin'ny fandrokidrokiana na fanambatambazana – mba hanerena ho amin'ny fiankohofana avokoa izany rehetra izany.
Mifanohitra amin'izany, ny fitiavana no hery lehibe manosika ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Ao amin'ny fiankohofana amin'Andriamanitra no misy ny fifaliana sy ny firavoravoan'ny vahoakany lehibe indrindra fa tsy amin'ny fiankohofana amin'ny bibidia. Manolo-tena ho Azy izy ireo satria fantatr'izy ireo ny haben'ny fanolorany tena ho azy ireo. Zavatra tokana no hiaro ny tsirairay avy amintsika mba tsy handray ny mariky ny bibidia amin'ny andro farany, dia ny fitiavana lalina an'i Jesôsy , hany ka tsy misy maharava ny fifikirantsika Aminy.
Hamakafaka ireo lohahevitra ireo isika ato amin'ity lesona ity.
Araka ny efa hitantsika tao amin'ny Apôk. 14:7, Andriamanitra dia miantso ny olona rehetra hiankohoka amin'ny Mpahary. Izany no hafatry ny anjely voalohany. Mampitandrina ny olona ny amin'i "Babilôna", rafi-pivavahana sandoka izay efa nisy tany Babilôna fahiny Andriamanitra. Izany no hafatry ny anjely faharoa.
Mampitandrina amin'ny fiankohofana amin'ny bibidia ny anjely fahatelo ao amin'ny Apôk. 14:9,10. Amin'ny feo mafy no anambaran'ilay anjely hoe: "Raha misy miankohoka eo anoloan 'ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin'ny handriny na amin'ny tanany, dia izy koa no hisotro ny divain'ny fahatezeran'Andriamanitra".
Vakio ny Apôk. 14:12. Inona ireo toetra roa mampiavaka ny vahoakan' Andriamanitra amin'ny andro farany hitantsika ao amin'io andininy io? Inona no maha-zava-dehibe ireo toetra roa ireo?
Ny teny grika nadika hoe "faharetana" eto dia hupomone, izay azo adika amin'ny fomba mazava kokoa hoe "fiaretana tsy azo hozongozonina". Hanana vahoaka mahatoky Aminy Andriamanitra amin'ny andro farany, na eo anivon'ny fanoherana sy ny fanenjehana masiaka aza. Hijoro amin'ny fiaretana tsy azo hozongozonina izy ireo, Andriamanitra no ivon'ny fiainany, fahasoavana sy fankatoavana no mameno ny fiainany.
Ny fiankohofana amin'ny Mpahary (Apôk. 14:7) dia mifanipaka tanteraka amin'ny fiankohofana amin'ny bibidia (Apôk . 14:9) ary hita eo amin'ireo vahoaka izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy manana ny finoana an'i Jesôsy izany (Apôk. 14:12). Io fifanolanana farany io, izay ankatoavana an'i Kristy na ankatoavana ny fahefan'ny bibidia, dia miompana amin'ny fiankohofana; ary ny ivon'io ady lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy io, dia ny Sabata.
Vakio ny Rôm. 8:1-4, Efes. 2:8-10, ary ny Kôl. 1:29. Inona no ambaran'ireo andininy ireo antsika mikasika ny vokatry ny fiainana amim-pinoana?
Rehefa miaina amim-pinoana isika dia mandray ny fahasoavany ary voaova ny fiainantsika. Tsy hanana "finoana an'i Jesôsy" fotsiny ireo mpanara-dia ny Mpamonjy mahafatra-po fa hanana ny "finoan'i Jesôsy" koa (araka ny dikan-tenin'ny Baiboly amin'ny teny frantsay sy anglisy). Ny finoana nananan'i Jesôsy tamin'ny ora farany dia ho finoan'izy ireo koa, ary hitoetra ho mahatoky izy ireo na dia hatramin'ny fahafatesana aza, toa an'i Jesôsy.
Mahatoky amin'ny zavatra bitika ve ianao? Inona no mety hambaran'izany momba ny toetranao rehefa ho tonga ny tena fizahan-toetra? (Jereo ny Lio. 16:10)
Vakio ny Mat. 27:45-50. Inona no ambaran'izany antsika momba ny fanandramana niainan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana? Inona no tian'i Jesôsy ambara raha nanontany an'Andriamanitra Izy hoe: "nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" Ary ahoana no hanampian'io tranga io antsika hahatakatra ny hevitry ny hoe manana "ny finoan'i Jesôsy"?
Raha teo amin'ny hazo fijaliana i Jesôsy, voasaron'ny haizina, nizaka ny fahamelohana, ny henatra sy ny fanamelohan'ny fahotan'izao tontolo izao, ary rehefa nahatsiaro ho tafasaraka tamin'ny fitiavan'ny Rainy Izy, dia niantehitra tamin'ny fifandraisana nananany tamin'ny Ray nandritra ny androm-piainany. Izany hoe, noho ny niankinany tanteraka tamin'ny Ray nandritra ny fiainany, na tao anatin'ny fotoana mamy aza, dia voaomana hiatrika ny fotoan-tsarotra indrindra i Jesôsy, eny fa na dia ny fahafatesana teo amin'ny hazo fijaliana aza. Feno toky ny Mpamonjy, na dia nanery Azy hisalasala aza ireo toe-javatra rehetra nanodidina Azy. Tsy kivy i Jesosy na dia toa nandao Azy aza Andriamanitra.
"Teo anivon'ny haizina mahatahotra, raha toa nafoin'Andriamanitra i Kristy, dia nosotroiny hatramin'ny farany ny kapoaka mangidin'ny fahorian'ny olombelona. Ny fankasitrahan'ny Rainy Azy, izay hitany porofo teo amin'ny fiainany hatramin'izay, no niantherany tao anatin'ireo ora nahatsiravina ireo. (...) Nandresy i Kristy, noho ny finoana." — CT, t. 2q
Lalina, feno toky, feno fanoloran-tena ny finoan'i Jesôsy, hany ka tsy hain'ireo demonia manerana izao tontolo izao, ary tsy vitan'ireo fisedrana rehetra eto an-tany ny manozongozona izany. Izany dia finoana matoky na dia tsy mahita aza, mino na tsy mahatakatra aza, mifikitra na dia kely aza no azo amikirana. Na io "finoan'i Jesôsy" io aza dia fanomezana raisintsika amin'ny alalan'ny finoana, ary hitondra antsika hamakivaky ny fotoan-tsarotra ho avy. Ny "finoan'i Jesôsy" mitoetra ao am-pontsika no mahatonga antsi hiankohoka amin'i Kristy amin'ny maha-Filoha faratampony Azy, sy haharitra hatramin'ny farany rehefa ho tonga ny fanerena handray ny mariky ny bibidia voalaza ao amin'ny Apôkalipsy.
Tsy zavatra mipoitra tampoka anefa izany. Mianatra miaina amim-pinoana isan'andro, hatramin' izay ka hatramin'izao, ny vahoakan'Andriamanitra. Na amin'ny mora na amin'ny sarotra, na rehefa toa akaiky Andriamanitra, na toa lavitra – dia tsy mampaninona izany, "Fa ny marina amin'ny finoana no ho velona" - Gal. 3:11 (jereo koa ny Hab. 2:4). Ankehitriny no fotoam-piomanana. Ny fizahan-toetra tsirairay ankehitriny, raha atrehina amim-pinoana sy faharetana, dia mety hitondra voa sarobidy eo amin'ny fiainantsika.
Saino ny amin'ny fotoana izay efa nahatsapanao fa toa mikoro ny tontolo manodidina anao, ka ny finoana no sisa nanananao. Ahoana no nahafaka anao tamin'izany? Inona ny lesona voarainao? Inona ny fanandramana niainanao ka mety hanampy ny hafa eo am-pandalovany toe-javatra mitovy amin'izany?
Ny faminaniana mikasika ny mariky ny bibidia dia momba ny tsy fanajana ny fahalalahana ara-pivavahana, ny fandrarana ny olona na ny fikambanana iray tsy hahazo hividy na hivarotra ho famaizana azy, ny fanenjehana, ary farany, ny famoahana didy mampamono. Mahagaga anefa fa hafatra fampaherezana koa izany. Na ao anatin'ny fotoan-tsarotra indrindra aza dia hanohana ny olony izay "mitandrina ny didiny sy ny finoana an'i Jesôsy " Andriamanitra (Apôk. 14:12). Ary ao anatin'ireo didy ireo, mazava loatra, no misy ny didy fahefatra – ny Sabata andro fahafito.
Ny faminaniana momba ny mariky ny bibidia ao amin'ny Apôk. 13 dia manambara amintsika ny ratsy indrindra faratampony amin'ilay ady ataon'i Satana amin'Andriamanitra. Ny famitahana no paikady voalohany ampiasainy amin'izany. Miresaka fotoana mbola ho avy ny Apôk. 13, izay hiasan'ny devoly eto an-tany amin'ny alalan'ny fahefana ara-politika sy ara-pivavahana mitambatra; io fahefana io no antsoina hoe bibidia, ary hampiasa hery izy.
Marina tokoa fa tsy vaovao tsy akory ny fanenjehana ara-pivavahana. Efa nisy izany hatramin'ny namonoan'i Kaina an' i Abela noho ny nanaovan'i Abela fanompoam-pivavahana nifanaraka tamin'ny toromarika nomen'Andriamanitra azy ireo (jereo ny Gen. 4:1-8). I Jesôsy dia nilaza fa hisy ny fanenjehana ireo mpino tamin'ny taonjato voalohany sy mandritra ny taonjato maro ho avy rehetra: "ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an 'Andriamanitra izy" - Jao. 16:2 (jereo koa ny Mat. 10:22; 1 Pet. 4:12).
Ny faminaniana ny amin'ny mariky ny bibidia dia momba ny toe-javatra hitranga farany indrindra amin'ireo toe-javatra ratsy mifanesy ireo. Tahaka ireo fanenjehana tamin'ny andro lasa, izany dia natao mba hanerena ny olona tsirairay hankato foto-pinoana sy rafi-pivavahana voafaritra, izay eken'ny besinimaro.
Vakio ny Apok. 13:15-17. Inona no miandry ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany mandritra ny fotoan-tsarotra farany?
Milaza ny faminaniana fa hanomboka amin'ny sazy ara-toe-karena ny fanenjehana: "tsy hisy hahazo hividy na hivarotra" raha tsy manana ny "mariky ny bibidia". Hilefitra ny ankamaroan'ny olona rehefa hitranga izany. Ary na iza na iza handà dia hamoahana didy manameloka azy ho faty. Omanin'ny devoly ireo mitonona ho Kristianina amin'ny alalan'ireo marimaritra iraisany amin'ny ratsy eo amin'ny fiainana, mba handraisany ny mariky ny bibidia rehefa ho tonga eo amintsika ny fizahan-toetra farany. Hampahery antsika ny fitiavan'Andriamanitra ny tsirairay avy amintsika ary hiaro antsika mandritra ny andro fahoriana ho avy.
Vakio ny Gal. 6:7-9. Na dia tsy ao anatin'ny tontolon-kevitr'ireo toe-javatra hitranga amin'ny andro farany aza no nanoratana io andininy io, nahoana ny foto-kevitra raketiny no mifanaraka indrindra amin'ny resaka mariky ny bibidia sy ny fomba ahafahantsika mitoetra ho mahatoky?
Vakio ny Apôk . 13:1,2. Avy aiza ilay bibidia ary iza no manome fahefana azy?
Mandray ny heriny, ny seza fiandrianany, ary ny fahefany lehibe avy amin'ny dragona ilay bibidia voalohany ao amin'ny Apok. 13. Voalaza ao amin'ny Apôk. 12:9 sy ny Apôk. 20:2 fa ny dragona dia i Satana. Fahavalo fetsy izay miasa amin'ny alalan'ny fahefana eto an-tany i Satana. Milaza ny Apôk . 12:3-5 fa io "dragona" na ny devoly io dia niezaka handrapaka ilay "zazalahy" raha vao teraka Izy. Taorian'izay dia "novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany" io "zazalahy io". Manondro an'i Kristy izany, mazava loatra. Tamin'ny faniriany hamono an'i Jesôsy zaza dia niasa tamin'ny alalan'i Heroda sy ny fanjakana romanina i Satana. Nandritra ireo andro farany niainan'i Jesôsy dia governora romanina antsoina hoe Pilato no nanameloka an'i Kristy ho faty, mpiambina romanina fray no namantsika Azy teo amin'ilay hazo fijaliana nampahory, miaramila romanina iray no nanindrona Azy tamin'ny lefona, ary miaramila romanina maro no niambina ny fasany. Araka ny Apôk. 13:2, ny dragona, i Satana, izay niasa tamin'ny alalan'i Rôma jentilisa, dia hanome ny fitondram-panjakany ho an' io bibidia mipoitra io.
"Na dia maneho an'i Satana aza voalohany indrindra ny dragona, amin'ny heviny faharoa dia maneho ny fanjakana romanina koa izy. (...) Ny fahefana izay mandimby ny fanjakana romanina, izay nandray `ny heriny sy ny seza fiandrianany ary ny fahefany lehibe' avy tamin'ny dragona, dia mazava fa i Roma papaly". —SDABC, b. 7, t. 817. Manazava i A. C. Flick, mpahay tantara, fa "nipoitra avy tamin'ny faharavan'i Roma politika ilay fanjakana lehibe ara-moraly miseho amin'ny "endriny miezinezina", dia ny Fiangonana romanina". — A. C. Flick, The Rise of the Medieval Church (1900) t. 150, araka ny efa voalaza ao amin'ny SDABC, b. 7, t. 817.
Vakio ny Apôk. 13:3 sy ny Apôk. 14:4. lnona ny fifanoherana hitanao eo amin'ireo andininy ireo?
Mifanohitra amin' "ny tany rehetra" izay manaraka ilay bibidia, Andriamanitra kosa dia hanana vahoaka izay "manaraka ny Zanak'ondry". Araka ny efa fantatsika dia na ho amin'ny andaniny na ho amin'ny ankilany isika, na hanaiky an'i Jesosy na hanohitra Azy isika. Toy ny tamin'izany fotoana izany sy ankehitriny koa, dia tsy hisy ny eo anelanelany, tsy hisy ny hoe tsy momba ny atsy na ny aroa izany. Ny tsy fanoloran-tena tanteraka ho an'i Jesosy dia fanoloran-tena ho an'ny ankilany, na tsapantsika izany na tsia.
"Ary ho halan'ny olona rehetra hianareo noho ny anarako; fa izay aharitra hatramin'ny farany no hovonjena" - Mat. 10:22. Manao hoana ny fahavononanao haharitra hatramin'ny farany?
Vakio ny Apok. 13:4,5. Inona avy ireo marika hitantsika ao amin'ireo andininy ireo izay azo amantarana ny fahefan'ny bibidia?
Ny bibidia ao amin'ny Apokalipsy dia fahefana ara-pivavahana nihemotra, izay mipoitra avy amin'i Roma jentilisa ary nitombo ka tonga rafi-pivavahana maneran-tany. Fahefanamitenyratsy an' Andriamanitra izany araka ny Apok. 13:5. Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny fitenenan-dratsy dia mitovy amin'ny fanandratan-tena ho eo amin'ny toeran'Andriamanitra ka maka ho an'ny terra ireo zo sy tombontsoa izay an'Andriamanitra.
Vakio ny Lio. 5:18-26 sy ny Jao. 10:33. Inona avy ireo endrika roa isehoantny fitenenan-dratsy voalaza ao aminareo andininy ireo?
Nampangain'ireo mpitondra fivavahana ho niteny ratsy i Jesosy. Tsy rariny ireo fiampangana ireo raha ny amin'i Jesosy no resahina satria ananan'i Jesosy ny zo sy ny fahefana rehetra maha-Andriamanitra, anisan'izany ny fahefana hamela ny helotsika. Ary izao no antony: Andriamanitra i Jesosy. Nanambara mazava koa Izy hoe: "Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?" - Jao. 14:9.
Etsy andaniny, mampianatra ny 1 Tim. 2:5 fa "iray no Mpanalalana amin 'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona. " Mifanohitraamin' izany, ny eglizy romanina dia mampianatra fa ny pretra no mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona mpanota. Amin'ny maha-olombelona mpanota ny pretra anefa dia tsy azony atao ny ho mpanalalana antsika satria na ny tenany aza dia mba mila mpanalalana koa. Ny fitenenan-dratsy dia azo faritana toy izao koa: ny fanaovan'ny olona ny tenany, na iza izy na iza, ho Andriamanitra, na ny fijoroany eo amin'ny toeran'Andriamanitra. Ireto misy fanambarana roa avy amin'ny loharanon-kevitra ankatoavin'ny Fiangonana romanina:
"Manana fahamendrehana lehibe ny Papa ary ambony tokoa ka tsy olombelona tsotra fotsiny (...) Toy ny hoe izy no ANDRIAMANITRA eto an-tany." — Lucius Ferraris, "Papa," ampahan-dahatsoratra faha-2 ao amin'ny Prompta Bibliotheca (1763), b. 6, tt. 25-29.
Nirehareha toy izao ny Papa Leon XIII: "Izahay [Papa] dia mitana ny toeran'Andriamanitra Tsitoha eto amin'ity tany ity." — The Great Encyclical Letters of Pope Leo XIII (New York: Benziger, 1903), t. 193.
Mihamazava kokoa ireo fanambarana ireo rehefa takatsika fa ny teny hoe "anti-", toy ny amin'ny antikristy, dia tsy voatery hidika mandrakariva hoe "manohitra" fa midika koa hoe "eo amin'ny toeran'ny". Araka izany, ny antikristy dia midika koa hoe "eo amin'ny toeran'i Kristy". Eto ny terra fitenenan-dratsy!
"Hatramin'ny nipoahan 'day ady lehibe tany an-danitra no efa fikasan Satana ny handrodana ny lalanAndriamanitra. Izany no anton'ny nananganany ny fanevan'ny fikomiana tamin'ny Mpamorona, ary rehefa voaroaka avy tany an-danitra izy, dia mbola nanohy ny ady tetf, an-tany. Ny hamitaka ny olona sy ny hitarika azy amin 'izany handika ny lalan'Andriamanitra no fenitra tsy miova kendreny hotratrarina. Na nyfialana amin 'ny lalana manontolo na ny fitsipahana ny anankiray amin'ny didy no ahavitany izany, dia hitovy ny vokany amin'ny farany. (..) Tamin'ny fiezahany hampietry voninahitra ny fitsipika nomen 'Andriamanitra, dia naolan Satana ireo .fampianaran'ny Baiboly; ary tamin'izany no nahatafatsofoka fampianaran-diso ao amin'ny finoana tanan'ny olona an'arivony izay milaza fa mino ny Soratra Masina. Tsy inona ilay fifandonana farany amin'ny fahamarinana sy ny fampianaran-diso fa nyfizarana.farany ea ady nitarazoka mikasika ny lalan'Andriamanitra. Miditra amin 'izany ady izany isika izao, ady ifanaovan'ny lalan'olombelona sy ny didin 'i Jehovah, ikatrohan'ny fivavahan'ny Baiboly sy ny fivavahana mifototra amin'ny anganongano sy ny lovan-tsofina." HM, t. 607.
Manerana ny bokin'ny Apokalipsy, ny fiankohofana sy ny famoronana dia mifamatotra tsy azo sarahina. Ny votoatin'ny ady ifanandrinan'ny tsars sy ny ratsy, ary ny lohahevitra manodidina ny mariky ny bibidia dia miompana amin'ny hoe: mendrika ny hiankohofana ye Andriamanitra?
Araka ny efa hitantsika, ny foto-kevitra momba ny maha-Mpamorona an' i Kristy no ivon' ny fiankohofana amin'ny andro Sabata. I Jesosy dia tsy mitsahatra manasongadina ny maha-zava-dehibe ilay andro izay lazainy fa Izy no "Tompony" (Mat. 12:8; Mar. 2:28; Lio. 6:5). Mampahatsiahy mandrakizay antsika ny maha-isika antsika ny Sabata. Mampahatsiahy antsika ny toerana misy antsika amin'ny maha-olombelona antsika izany. Manome tombambidy ny olombelona tsirairay izany. Hamafisiny tsy tapaka fa isika dia voary, ary mendrika ny hankatoavintsika sy hiankohofantsika ny Mpamorona antsika. Izany no antony hankahalan'i Satana fatratra ny Sabata. Io mantsy no fatorana volamena izay mampiray antsika amin'ny Mpahary antsika, ary izany no mahatonga azy hitana anjara toerana goavana ao anatin'ilay fotoan-tsarotra amin'ny andro farany.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1- Inona ireo foto-kevitra ao ambadiky ny fanambaran'ilay bibidia niakalra avy too amin'ny ranomasina ny tenany ho manana fahefana? Amin'ny fomba ahoana no mety hahatonga izany toe-tsaina izany ho ao am-pontsika koa na dia tsy fantatsika aza?
2- Inona no havalinao ireo izay milaza fa finoanoam-poana tsy azo raisina ho marina ny fislan'i Satana ara-bakiteny ho an'ny olona avara-pianarana na ho an'izay manan-tsaina fotsiny aza? Inona ireo fanazavana azonao aroso ho setrin'izany?
Hianarana mandritry ny herinandro : Apôk. 12:9; Apôk. 16:13, 14, 1 Tes. 4:16, 17; Ezek. 8:16; Ezek. 20:1-20; Apôk. 18:4,5.
Tsianjery: "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana." — Jao. 17:17.
Indray maraina mahafinaritry ny volana Septambra tamin'izay tao Chicago. Raha niposaka teo amin'ny farihy Michigan ny masoandro, niady tamin'ny fitohanan'ny fifamoivoizana teo amin'ny lalambe Kennedy sy Eisenhower ny mponina ary nankany am-pianarana ny ankizy, dia tantara iray mampatahotra no nanomboka niseho ka nampihorohoro ireo mponina tao Chicago. Narary mafy ny olona, ary maty ora vitsy monja ny sasany taorian'ny nihinanany fanafody Tylenol. Ny fitiliana natao dia nahitana fa nisy "cyanure de potassium", izay poizina mahafaty, ny fanafody tsirairay. Olona iray misy aretin-tsaina no nanao fanovana tamin'izany fanafody izany. Hatramin'izao andro izao dia tsy faritatra hoe iza no nanao izany.
Araka izay efa hitantsika, ny Apokalipsy dia mampitandrina antsika fa "ny olona rehetra monina ambonin'ny tany" dia hisotro zava-mahafaty antsoina hoe "divain' i Babilona". Misy foto-pinoana sy fampianarana diso izay hitarika ho amin'ny fahafatesana amin'ny farany. Na izany aza dia tsy avela tsy hanana fanefitra izao tontolo izao, dia ny fiarovana amin'izany poizina ara-panahy izany: ny hafatry ny anjely telo.
Hotohizantsika ao amin'ny lesona amin' ity herinandro ity ny fandinihana ny famitahana ataon'i Babilona ary koa ny drafitra nataon'i Jesôsy mba hamonjena antsika amin'ireny sy ny fahafatesana aterany.
Ao amin'ny tontolon-kevitry ny andro farany dia manao fampitandremana mahery vaika i Jesôsy : "Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana, ka haneho famantarana sy fahagagana hamitahany na dia ny olom-boafidy aza, raha azo atao izany."- Mar. 13:22. Iza ireo "olom-boafidy" ireo? Avy eo dia miteny Izy hoe: "Ary amin'ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin'ireo ny olom-boafidy avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faravodilanitra rehetra."- Mat. 24:31. Somary mampatahotra, sa tsy izany? Rehefa ho lehibe loatra ny famitahana amin'ny andro farany ka na dia ireo olona mahatoky aza dia mety ho tandindomin-doza ho voafitaka.
Vakio ny Apôk . 12:9. Iza no voafitak'i Satana? Ahoana no fahatakarantsika ireo teny ireo?
Mazava loatra fa hanana olona mahatoky Andriamanitra amin'ny andro farany tahaka ny nananany olona mahatoky nandritra ny taonjato maro. Na izany aza, ny fanambarana eto dia maneho fa miely tokoa ny famitahana ataon'i Satana.
Vakio ny Ohab. 14:12. Inona ny fampitandremana mahery vaika aseho eto?
Matetika ny olona no asaina manaraka ny feon'ny fieritreretany mba hahafahany mamantatra ny marina na ny diso, ny tsara na ny ratsy, ary hiainany araka izany avy eo. Ambaran'ny Soratra Masina anefa fa mpanota avokoa isika rehetra ary tsy misy tonga lafatra (Jer. 17:9, Rom. 3:9-18); noho izany dia fomba iray azo antoka hahatonga antsika ho voafitaka na hanao ratsy mihitsy aza, na ho ela na ho haingana, ny fitokiana amin'ny fihetseham-pontsika. Faharatsiana maro no nataon'ireo olona resy lahatra tanteraka ny amin'ny fahamarinan'ny asany nandritra ny taonjato maro. Izany hoe nanaraka ny "lalana izay ataony ho mahitsy" izy ireo.
Eo amin'ny toeran'izany dia tokony handalina fatratra ny Tenin'Andriamanitra isika, ary rehefa milefitra eo ambany fiasan'ny Fanahy Masina isika dia hanavaka ny fahamarinana amin'ny fahadisoana, hanavaka ny mahitsy amin' izay tsy mety, ary hanavaka ny tsara amin'ny ratsy. Ho mora foana ny hahatonga antsika ho rembin'ny famitahan'i Satana raha ny drafitsika na koa ny fahatsapantsika manokana no arahintsika.
Eritrereto ny amin'ireo olona izay nanao araka izay ninoany ho marina, na koa izay ninoany ho sitrapon'Andriamanilra, kanefa nanao ny ratsy. Inona no azontsika ianarana avy amin'ireo toe-javatra mampalahelo ireo?
Vakio ny Apôk . 16:13, 14 sy ny Apôk. 18:2, 23. Inona avy ireo firesahana ankolaka momba ny filalaovana angatra hltanao ao amin'ireo andlnlny ireo?
Ny fitenenana toy ny hoe "fonenan'ny demonia" na "ny fanahin'ny demonia" sy "ny ody ratsy" dia milaza ny asan'ny devoly rehetra. Tsy mahagaga raha efa nampitandremana isika fa ny "tsy fahafatesan'ny fanahy" no iray amin'ireo famitahana roa lehibe amin'ny andro farany (jereo ny HM, t. 613). Mazava loatra fa mora hita izany ankehitriny. Na dia ao anatin'ny tontolo kristianina aza dia fototry ny fampianarana ny tsy fahafatesan'ny fanahy. Kristianina maro no mino fa rehefa maty ny olona dia miakatra ho any an-danitra ireo voavonjy ary midina mankany amin'ny helo kosa ireo very. Impiry moa taorian'ny nahafatesan'i Billy Graham, ilay evanjelisitra malaza, no nahenoantsika fa "any an-danitra i Billy Graham izao, eo amin'ny sandrim-pitiavan'i JesOsy", na ny zavatra toy izany? Ampianarina mandrakariva avy eny amin'ny polipitra sy any an-tsekoly ary indrindra mandritra ny fotoam-pandevenana ny zavatra toy izany.
Vakio ny Mpitt. 9:5; Job. 19:25-27; 1 Tes. 4:16,17 ary ny Apôk. 14:13. Inona ny torolalana mazava omen'Andriamanitra ny vahoakany momba ny fiainana aorian'ny fahafatesana, ary aiza no ahitantsika ny fanantenantsika?
Iray amin'ireo fototry ny famitahana babilônianina ny fahatakarana diso momba ny fahafatesana, izay mifantoka amin'ny tsy fahafatesan'ny fanahy, ary manomana ny toerana ho amin'ny fitaomana mamitaky ny filalaovana angatra. Raha mino ianao fa ny maty dia mbola velona, amin'ny endrika iray na amin'ny endriny hafa, ary afaka mifanerasera amintsika, dia Inona ny fiarovana anananao hiadiana amin'ireo famitahana maro ataon'i Satana? Raha ny olona izay heverinao ho reninao efa maty na ny zanakao, na ny olona hafa izay tianao, no miseho tampoka ary miresaka aminao, manao ahoana no hahatonga anao ho voafitak'ireo retsi-pandrenao mora foana? Efa nitranga izany tamin'ny lasa, misy izany ankehitriny ary azo antoka fa mbola hitranga indray arakaraka ny hanakaikezantsika ny farany. Ny hany fiarovana ho antsika dia ny hijoro tsara eo amin'izay ampianarin'ny Baiboly ary ny hifikitra amin'ny fampianaran'ny Baiboly momba ny fahafatesana amin'ny maha-torimaso izany mandra-piavian'i Jesôsy fanindroany.
Inona ny ohatra moderin'ny filalaovana angatra eo amin'ny kolontsaina misy anao ankehitriny? Ny fifikirana mafy amin'ny Tenin'Andriamanitra no hany fiarovana ho antsika, nahoana?
Nanjaka ny fiankohofana tamin'ny masoandro tany Egipta, sy Asiria ary Persia, ary azo antoka fa tany Babilona koa. Manao izao fanamarihana izao i James G. Frazer ao amin'ny bokiny mitondra ny lohateny hoe The Worship of Nature: "Tao Babilôna fahiny dia niankohofany hatramin'ny fahagola elabe ny masoandro." - b 1, t. 529. Mety hahagaga, kanefa nisy fotoana izay niasan'ny hery miasa manginan'ny fiankohofan'ireo Babilonianina tamin'ny masoandro teo amin'ny fivavahan'ny vahoakan'Andriamanitra tao amin'ny TT.
Vakio ny Ezek. 8:16 sy ny 2 Mpanj. 23:5, 11. Inona no nosoratan'ireo mpaminany momba ny hery miasa mangina avy amin'ny fivavahana amin'ny masoandro teo amin'ny Isiraely sy ny Joda (jereo koa ny Rôm. 1:25).
Ny mpaminany Ezekiela izay niaina tamin'ny andron'i Daniela dia naneho ny sasany tamin'ireo vahoakan' Andriamanitra niamboho ny tempolin'Andriamanitra ka niankohoka niantsinanana nanandrify ny masoandro. Raha tokony ho niankohoka tamin'ilay Mpamorona ny masoandro izy ireo dia ny masoandro indray no niankohofany. I Jaona dia milazalaza ny amin'ny fotoana iray ao amin'ny Apok.17, izay hidiran'ny fitsipika babilonianina (ao anatin'izany ny fiankohofana amin'ny masoandro) ao amin'ny fiangonana kristianina mandritra ny fotoan'ny marimaritra iraisana. Niteraka hafaliana lehibe teo amin'ny fanjakana rômanina, tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahefatra, ny fiovam-po tsy nampoizina niseho tamin' i Constantin. Tian'i Constantin fatratra anefa ny fivavahana tamin'ny masoandro. Izao no nosoratan'i Edward Gibbon, ilay mpahay tantara malaza: "Nankalazaina maneran-tany ho toy ny mpitarika sy mpiaro an'i Constantin ny masoandro." —The History of the Decline and Fall of the Roman Empire, toko 20. Tamin'ny taona 321 TrK koa no nandanian'i Constantin ny "lalana momba ny Alahady" voalohany. Izao no voalazan'io didy io: "Amin'ny andro mendri-kajan'ny Masoandro, dia aoka hitsahatra ny Mpitsara sy ny mponin'ny tanan-dehibe rehetra ary hakatona ny toeram-piasana rehetra." —Edict of Constantine, 321 TrK. Tsy lalana nanery ny hitandreman'ny olona rehetra teo ambany fahefan'i Constantin ny Alahady izany saingy nanamafy ny fitandremana ny Alahady kosa tao an-tsain'ireo vahoaka romanina.
Am-polo taona maro taorian'izany no nanohizan'ireo amperora sy ireo papa, tamin'ny alalan'ny didim-panjakana sy ny filan-kevitry ny fiangonana, ny fampiorenana ny Alahady ho hany andro natao hivavahana, izay mitoetra ho an'ny ankamaroan'ny Kristianina ankehitriny. Ohatra mahery vaika tokoa izany, izay maneho izao fahamarinana lehibe izao: tsy ny finoan'ny ankamaroan'ny olona ny zavatra iray na ny fanaovany izany no mahatonga izany ho marina na mety.
Izao no hafatry ny anjely faharoa ao amin'ny Apôk. 14: "Rava! Rava Babylona lehibe!" Ao amin'ny Apôk . 17, ilay vehivavy lazaina hoe Babilona ara-panahy, izay miakanjo volomparasy sy jaky dia mitaingina ny bibidia mivolon-jaky ary mampisotro an'izao tontolo izao ny kapoakany feno divay ka mahamamo azy amin'ny fahadisoan-kevitra. Mikambana ny fiangonana sy ny fanjakana. Manjaka ny fahadisoan-kevitra. Manao fahagagana maro mba hamitahana ny demonia. Mihazakazaka ho amin'ny fifanandrinana farany izao tontolo izao. Eo anatrehan'izany dia endrikendrehina, esoina, ampahorina ary enjehina ny vahoakan'Andriamanitra, kanefa mijoro tsy azo hozongozonina amin'ny fanoloran-tenany izy ireo ao amin'i Kristy sy amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahiny Masina. Tsy afaka ny handrava ny fahatokiany amin'i Kristy ny fahefan'ny helo sy ny herin'ny ratsy rehetra. Voaro izy ireo ao Aminy. Izy no "aro sy hery ho azy ireo; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy"-Sal. 46:1.
Miantso ny vahoaka amin'ny andro farany ho mahatoky amin'ny Teniny Andriamanitra. Izao no vavaka nataon'i Jesosy: "Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana"- Jao. 17:17. Ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra, fa tsy ny hevitr'olombelona na lovantsofiny, no kintana avaratra izay mitarika antsika amin'izao fotoan-tsarotra eo amin'ny tantaran'ny tany izao.
Indro misy fanambarana miavaka nataon'i Dr. Edward T. Hiscox, mpanoratra ny Standard Manuel for Baptist Churches. Tamin'ny taona 1893 dia niresaka tamin'ny vondrona mpitandrina Batista an-jatony izy ary nanaitra azy ireo tamin'ny nanazavany ny fomba nidiran'ny Alahady tao amin'ny fiangonana kristianina. "Mampalahelo fa mitondra ny mariky ny fanompoan-tsampy sy nopetahana ny anaran'ny andriamanitra masoandro ary noraisin'ny fihemorana papaly sy nankatoaviny ny Alahady, ary natolony ho lova masina ho an'ny fivavahana protestanta!"- Edward Hiscox, before a New York ministers' conference, 13 Nov. 1893.
Vakio ny Ezek. 20:1-20. lnona no hevi-dehiben'ny hafatr'i Ezeldela eto, ary ahoana no ifandraisan'ny Sabata amin'io antso ho amin'ny fahatokiana io?
Ny Ezek. 20 dia antso mafy ho an'ny Isiraely mba handaozany ny fanao jentilisa sy hiankohofany amin'ilay Mpahary fa tsy amin'ireo andriamani-tsy izy, amin'ity tranga ity dia ny "sampin Egypta" izany. Ao amin'ny hafatry ny anjely telo dia mandefa antso mitovyamin'izany mba "hiankohofana amin'ny Mpamorona" Andriamanitra satria "rava Babylona". Ary, araka ny fantatsika, ny Sabata sy ny fahatokiana, amin'izany dia mitana anjara toerana lehibe eo amin'ireo toe-javatra hiseho amin'ny farany.
nona ireo lesona azontsika tsoahina ho an'ny tenantsika ao amin'izay ligefisoratra ao amin'ny Ezek. 20:1-20? (Jereo koa ny 1 Ver. 10:11.)
Ilay vehivavy niakanjo volomparasy sy jaky, nitaingina ilay bibidia mivolon-jaky, dia nampita ny kapoakany feno divay ka nahatonga an'izao tontolo izao ho mamon'ny fampianaran-dison'i Babilona. Manao izao fanamarihana mazava izao i Ellen G. White raha miresaka ny amin'ny "divain'i Babilona": "Inona moa izany divay izany? Ireo fampianaran-disony. Nomeny an'izao tontolo izao ho solon'ny Sabatan'ny didy fahefatra ny Sabata sandoka, ary naveriny ny lainga nambaran'i Satana tamin'i Eva tao Edena, dia ny tsy fahafatesan'ny fanahy izany."- RH, 6 Des. 1892. Olona an-tapitrisany no voafitak' izany fampianaran-diso izany. Vokatr'izany dia mandefa ny antso amin'ny andro farany ho an'ireo vahoakany izay mbola ao anatin'ny fahadisoan-kevitra Andriamanitra.
Vakio ny Apôk . 18:4, 5. lnona ny antson'Andriamanitra ho an'ireo vahoaka maro izay mbola ao anatin'ny fikambanana ara-pivavahana lavo?
Araka ny efa hitantsika (saingy ilaina ny hamerimberenana izany) dia betsaka amin'ireo vahoakan'Andriamanitra no ao anatin'ny fikambanana ara-pivavahana izay manao marimaritra iraisana momba ny fampianaran'ny Baiboly. Tsy takany ny fahamarinan'ny Soratra Masina. Mivantana sy mazava anefa ny antsom-pitiavan'Andriamanitra: "Miala aminy hianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy."- Apok. 18:4.
emeam hipamang avy any an-danitra~ MF, t. 73.
Vakio ny 1 Jao. 3:4 ary amptitahao amin'ny Rôm. 14:23 izany. Ahoana no amaritantny Baiboly ny fahotana? Ahoana ny firindran'ireo andinin-tSoratra Masina ireo?
Ny fahotana dia fandikana ny lalan'Andriamanitra. Ny hany fomba hahafahan'ny tsirairay mankato ny lalan'Andriamanitra dia ny finoana ny herin'i Kristy velona. Olombelona malemy, sy osa isika, mpanota mangozohozo. Rehefa manaiky an'i Kristy amin'ny alalan'ny finoana isika, dia manao fanavotana ho an'ny lasantsika ny fahasoavany ary manome hery ho an'ny ankehitrinintsika. Manome antsika "fahasoavana sy mah 'Apostoly (...) hahatonga fanekena"- Rom. 1:5, Izy. Ny antson'ny lanitra ho an'ny vahoakany izay ao amin'ny fiangonana tsy manaja ary tsy mankatò ny lalan'Andriamanitra dia ny hivoaka avy ao amin'ny alalan'ny finoana. Miantso ny Advantista any amin'ireo fiangonana mitandrina ny Sabata Izy mba hahafoy izay mety ho ezaka feno fitiavan-tena ataon'olombelona ka hiaina fiainana araka an'Andriamanitra noho ny finoana ny fahasoavan'i Kristy izay manafakap antsika amin'ny fanamelohan'ny fahotana sy ny fanapahany. Ary tahaka ny fahatokian'ny Isiraely tamin'ny lalàna (Deo. 4:6) izay fijoroana ho vavolombelona mahery vaika teto amin'izao tontolo izao, ny fahatokiantsika koa dia mety ho fijoroana ho vavolombelona miezinezina ary hanampy amin'ny fitarihana ny olona hivoaka avy ao Babilona.
"Ny 'Babilona lehibe' ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy dia manondro amin'ny heviny manokana ny fikambanan'ireo antokom-pivavahana izay tratry ny fihemorana amin'ny andro farany. (...) 'Babilona lehibe' no anarana iantsoan'ny Tsindrimandry avy amin'Andriamanitra ny fikambanana lehibe ara-pinoana iraisan'ny fahefana papaly sy ny fiangonana protestanta nihemotra ary ny filalaovana angatra. (...) Manondro ireo fikambanana ireo sy ny mpitarika azy ny anarana hoe 'Babilona', fa tsy ny mambra ao aminy. Ireto farany no tondroina hoe 'rano maro.'- Apok. 17:1, 15)."- SDABC, b. 7, tt. 851, 852.
"Amin'ny alalan'ireo hevi-diso roa lehibe, dia ny tsy fahafatesan'ny fanahy sy ny fahamasinan 'ny Alahady, no hitarihan'i Satana an'izao tontolo izao ho babon'ny fitaka ataony. Raha mampitoetra ny foto-kevitry ny filalaovana angatra iry voalohany, ity faharoa kosa mamitram-pihavanana amin 'i Rôma." – HM, t. 613.
Ao amin'ny TT, dia nitana anjara toerana lehibe teo amin'ny fivavahana babilonianina ny fanahin'ny maty. Nanana finoana mafy orina momba ny fampianarana ny amin'ny tsy fahafatesan'ny fanahy ny Babilonianina. Ninoan'izy ireo fa rehefa maty ny olona dia miditra ao amin'ny tontolon'ny fanahy ny fanahiny. Tsy mampianatra mahakasika ny tsy fahafatesan'ny fanahy ny Soratra Masina. Ny Rakipahalalana jiosy dia milaza mazava tsara ny fiandohan'ny hevi-diso momba ny tsy fahafatesan'ny fanahy. "Tsy misy fampianarana, na aiza na aiza, ao amin'ny Soratra Masina miresaka ny amin'ny finoana fa manohy ny fisiany aorian'ny faharavan'ny nofo ny fanahy. (...) Ny finoana ny tsy fahafatesan'ny fanahy dia noraisin'ny Jiosy avy tamin'ny fomba fisaina grika ary indrindra indrindra tamin'ny alalan'ny filozofian'i Platon izay mpivoy izany. Voasarik'izany Platon tamin'ny alalan'ireo zava-miafina nifandraika tamin'i Orphée sy Eleusis izay mahagaga fa niharoharo tamin'ny fomba fijerin'ireo Egiptianina sy Babilonianina." — Kaufmann Kohler, The Jewish Encyclopedia, "Immortality of the Soul," (1906).
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1- Nahoana no zava-dehibe tokoa ny fahatakarana nyfahamarinana momba ny fahafatesana? Miaro antsika amin'ny inona izany? Nahoana no mampahery koa izany?
2- Miharihary ny sasany amin'ireo famitahany i Satana, ny sasany kosa miafinafina kokoa. Ahoana no ataontsika mba tsy ho voafitak'ireo?
3- Resaho ao amin'ny kilasy ny fanontaniana ao amin'ny fizarana Alahady momba ireo izay manao ratsy kanefa mino to manaraka ny sitrapon'Andriamanitra araka izay ambaran'ny Baiboly. Ahoana no hanazavantsika izany? Inona ny anjara asa tokony hotanan'ny lalàn'Andriamanitra ao amin'io fanazavana io?
FHodinihina mandritra ny herinandro: Apôk. 12:6,14; Dan. 7:25; 2 Tes. 2:3, 4; Deo. 6:8; Deo. 11:18; Eks. 20:8-11.
Tsianjery: "Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa, niakatra avy tany amin'ny fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Andriamanitra velona; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin'ny feo mahery nanao hoe: Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay tombo-kase eo amin'ny handrin'ny mpanompon' Andriamanitsika." —Apôk . 7:2,3.
Tamin'ny taonjato faha-15, ny lohasaha Piemont, tany amin'ny tendrombohitra avaratr'i Italia, no fonenan'ireo Vaudois -vahoaka tapa-kevitra ny hitoetra ho mahatoky tamin'ny fahatakaran' izy ireo ny Baiboly. Noho ny fahatokiany tsy azo nohozongozonina tamin'i Kristy dia nivaivay ny fanenjehana azy ireo. Tamin'ny taona 1488 TrK dia novonoin'ny eglizy romanina tamin'ny fomba feno habibiana noho ny finoany ireo Vaudois tany amin'ny lohasaha Loyse.
Fanenjehana iray hafa no niseho tamin'ny taonjato faha-17 rehefa nandefa tafika nahitana lehilahy 8000 teo amin'ny taniny ny andriambaventy tao Savoie ary nangataka ny mponina tao an-toerana mba hampitoetra ireo vondrony tao an-tranon'izy ireo. Nanao izay nangatahina taminy ny mponina, kanefa tetikady hamelana ireo miaramila hahazo mora foana ny olona nokendreny izany. Ny 24 Avrily 1655, tamin'ny 4 ora maraina no nomena ny famantarana hanombohana ny fandripahana. Tafakatra hatramin'ny 4000 mahery ny isan'ny maty tamin' izany.
Mahonena fa miverimberina matetika ny tantara. Ny faminaniana mikasika ny "mariky ny bibidia" dia momba ny masom-by farany eo amin'ny rojon'ny fanenjehana ara-pivavahana izay niverimberina nandritra ny vanim-potoana maro. Tahaka ny fanenjehana tamin'ny lasa dia natao izany mba hanerena ny olona rehetra hanaraka finoana iraisana sy rafi-pivavahana iray nahazo fankatoavana. Toy ny hatramin'izay anefa dia hanana vahoaka izay tsy hilefitra amin'izany Andriamanitra.
Araka ny efa nianarantsika, dia maneho rafi-piankohofana sandoka manerana an'izao tontolo izao ny herin'ny bibidia ao amin'ny Apôk. 13 sy 14.
Vakio ny Apôk . 13:5; Apôk. 12:6, 14 ary ny Dan. 7:25. Hafiriana io hery io no nanjaka teo amin'ny tontolo ara-pivavahana teo amin'ireo taonjato tany aloha?
Mbola hanohy hanjaka mandritra ny vanim-potoana manokana eo amin'ny tantara Hay bibidia. Ao amin'ny faminaniana momba ny fotoana ara-tandindona, ny iray andro ara-paminaniana dia midika ho taona iray ara-bakiteny. Izao no voasoratra ao amin'ny Nom. 14:34: "ny andro iray hosoloana taona iray" — fampiharana ny fitsipika ara-Baiboly hanisana ny andro iray ho taona iray izany. Averina indray, Andriamanitra dia milaza hoe: "ny indray andro no nataoko solon'ny herintaona ho anao"- Ezek. 4:6. Imbetsaka no nahitana ny fahamarinan'io fitsipika io tamin'ny fandikana ireo faminaniana ara-Baiboly momba ny fotoana, toy ny tamin'ireo 70 herinandro ao amin'ny Dan. 9:24-27. Amin'ny fanaovana kajy ny vanim-potoana voalaza ao amin'ny Apok. 13:5 momba ny 42 volana (ny volana iray dia ahitana 30 andro), dia tonga amin'ny 1260 andro ara-paminaniana na taona ara-bakiteny isika. Ny tetiandro fahiny dia nahitana 360 andro tsy niovaova isan-taona.
Nataon'ny amperora Constantin ho ara-dalana teo amin'ny fanjakana manontolo ny fivavahana kristianina tamin'ny taonjato fahefatra. Rehefa namindra ny renivohiny tao Byzance izy tamin'ny taona 330 TrK mba hampiraisana ny faritra atsinanana sy andrefana teo amin'ny fanjakany dia namela fahabangana teo amin'ny fitarihana tao Roma izany. Noho izany dia nofenoin'ny Papa izany banga izany. Tsy tonga mpitarika ara-pivavahana matanjaka fotsiny izy fa hery ara-politika izay nianteherana tany Eoropa koa. Tamin'ny taona 538 TrK dia nomen'ny amperora romanina jentilisa, Justinien lalana tamin'ny fomba ofisialy ny eveka romanina hanana andraikitra ho mpiaro ny finoana. Nanana fahefana lehibe ny fiangonana tamin'ny vanim-potoana antenantenany, ny taona 538 TrK ka hatramin'ny 1798 TrK, tao anatin'izany ny fanenjehana mahatsiravina izay resahina ao amin'ny fampidirana ny lesona. Nitondra ny Papa ho babo araka ny faminaniana tokoa i Berthier, jeneralin'i Napoleon, tamin'ny taona 1798 TrK.
Nisambotra ny Papa Pie VI i Berthier sy ny tafiny ary nanaisotra azy tsy nisy fombafomba teo amin'ny seza fiandrianan'ny Papa. Mary ny famelezana natao tamin'ny fahefana papaly saingy araka ny Apok. 13:12 dia ho sitrana ilay fery saiky nahafaty azy ary handre ny amin'izany hery izany bebe kokoa izao tontolo izao — be lavitra noho izany aza.
Saino ny maha-mahatalanjona ny faminaniana ara-Baiboly sy ny fomba anehoany amintsika ny fahalalan'Andriamanitra ireo toe-javatra ho avy. Inona no tokony hampianarin'izany tranga izany antsika ny amin'ny antony ahafahantsika mitoky amin'ireo teny fikasan'ny Tompo, eny fa na dia ireo izay tsy mbola hitantsika aza ny fahatanterahany?
Vakio ny 2 Tes. 2:3, 4, 9-12. Inona ny faminaniana nataon'i Paoly momba ny andro farany? Inona ny marika ambarany ho famantarana ny bibidia, ny fahefan'ny antikristy?
Nampitandrina ny fiarahamonina kristianina ny amin'ny "fihemorana" amin'ny fahamarinan'ny Tenin' Andriamanitra i Paoly apostoly. Nanahy ny amin'ny voan'ny fihemorana efa hits tao amin'ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao izy, voa izay hamony amin'ireo taonjato hoavy, mialoha ny fiavian'i Kristy fanindroany. Hiditra ao amin'ny fiangonana ny filazantsara sandoka ka hanova ny hevitry ny Tenin'Andriamanitra. I Satana no ao ambadiky ny fihemorana. Izy no tena "lehilahin'ota" izay maniry ny hisandratra "ho ambony noho fray rehetra atao hoe Andriamanitra" ary hipetraka eo amin'ny "tempolin 'Andriamanitra"- 2 Tes. 2:4. Saingy miasa amin'ny alalan'ny olombelona mpanompony ilay "mpamitaka lehibe" mba hahatontosa ny fikasany. Ireo toetra mampiavaka ao amin'ny bokin'i Daniela sy ny Apokalipsy dia manambara fa antoko fray ihany no asehon'ilay tandroka kely ao amin'ny Dan. 7 sy ny bibidia ao amin'ny Apok. 13 sy 14 ary ilay "tena mpandika laic) na" ao amin'ny 2 Tes. 2.
Izao no ilazan'ny SDABC izany: "Ny fampitahana ny faminanian' i Daniela momba ilay fahefana miteny ratsy ny anaran'Andriamanitra izay manarakaraka an'i Roma jentilisa sy ny sarinteny nampiasain'i Jaona momba ilay bibidia manana endrika leoparda dia maneho fitoviana maro amin'ireo fanoritsoritana telo [Hay tandroka kely, ny fahefan'ilay bibidia ary Hay tena mpandika Mitarika antsika ho amin'ny tsoa-kevitra izany fa fahefana fray ihany no resahin'i Daniela sy i Paoly ary i Jaona, (...) dia ny fahefana papaly izany." b 7, t. 271. Zava-dehibetokoanyhahatsiarovanafany faminaniana ara-Baiboly dia manoritsoritra rafi-pivavahana izay nanao marimaritra iraisana momba ny Tenin'Andriamanitra, nanolo toerana ny filazantsara tamin'ny lovantsofin'olombelona, ary niala lavitra tamin'ny fahamarinan'ny Baiboly. Ilay Andriamanitra manana fitiavana ambony indrindra no nanome ireo faminaniana ireo mba hanomanana vahoaka iray ho amin'ny fiavian'i Jesosy. Fitenenana mafy atao amin'ireo fiangonana izay niala tamin'ny Tenin'Andriamanitra izany, fa tsy miantefa mivantana amin'ireo vahoaka ao (jereo ny Apok. 18:4). Mahakasika ny rafitra fray izay namitaka olona an-tapitrisany ny hafatra entintsika. Tena tian'i Kristy ireo olona ireo na dia voafitaka aza. Noho izany dia tokony hitondra azy ireo araka izany isika.
"Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataonYny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany fa izany no lalana sy mpaminany" - Mat. 7:12. Ahoana no tokony hampiharantslka io fitsipika io rehefa miresaka ny lohahevitra momba ny fahefan'ny bibidia ao amin'ny Apôk. 13 sy 14?
TETIKADY FARANY AMPIASAINI SATANA
Ny fanadihadiana maro natao dia maneho fa marobe no tsy azo itokiana any amin'ireo andrim-panjakana sy ny fitondram-panjakana. Olona an-tapitrisany no manontany tena hoe: "Aiza no misy olona manana fitondran-tena tsara afaka hitarika izao tontolo izao?" Ny faminanian'ny Apokalipsy dia manondro ny fahefan'ny bibidia izay hanana fahefana inoana fa hahatanteraka izany anjara asa izany eo ambany fiahian'ny fikambanan'ny fiangonana amin'ny fanjakana. Vaklo ny Ape*. 17:12-14. Ahoana no anoritsoritan'i Jaona ireo trangan-javatra farany eo amin'ny tantaran'ny tany ireo? Inona ny fahasamihafana lehibe hits eto?
Teboka telo lehibe manan-danja no asongadin' i Jaona ao amin'ireo andalan-teny ireo. Voalohany, ireo fahefana ara-politika dia "miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibidia". Faharoa, miady amin'i Jesosy, ilay Zanak'Ondry, io fikambanana izay mitana fahadisoana io. Fahatelo, amin'ny ady farany eto an-tany dia mandresy i Kristy sy ireo ampanara-dia Azy. Tsy ny bibidia no mandresy fa i Jesosy. Efa nanontany tena ye ianao ny amin'ny tetikady mety hampiasain'ny devoly hampiraisana ny firenena rehetra? Miverimberina matetika ny tantara. Lesona sarobidy no tsoahintsika avy amin'ny fahardvan'ny fanjakana romanina. Rehefa nandrava an'i Eoropa andrefana ny fanafihana nataon'i Alemaina avy tany avaratra dia nitodika tamin'ny fivavahana
Flambenana
Fanantenan'ny Isiraely MF, t. 85
ny amperora romanina Constantin. Tonga fitaovana nilain'i Constantin indrindra ny fahefan'ny Eglizy nikambana tamin'ny fahefam-panjakana. Ny fanamafisana hatrany ny fahamarinan'ny Alahady tamin'ny taonjato fahefatra dia hetsika ara-pOlitika sy ara-pivavahana izay natao mba hampiraisana ny fanjakan-dehibe nandritra ny fotoan-tsarotra. Nirin'i Constantin ny hampiraisana ny fanjakany, ary nirin'ny eglizy romanina ny "hanova fo" izany fanjakana izany. Milaza izany mazava tsara ny mpahay tantara malaza Arthur Weigall: "Ny tena antony nanaovan'ny Eglizy ny Alahady ho andro masina dia ny maha-fetin'ny masoandro isan-kerinandro izany; politika kristianina mazava ny famerenana ireo andro firavoravoana jentilisa izay nankamamian'ny vahoaka araka ny fomban-drazana sy ny fanomezana hevitra kristianina izany." — The Paganism in Our Christianity (New York: G. P. Putnam's Sons, 1928), t. 145. Amin'ny fotoan-tsarotra lehibe iray, rehefa matahotra sy ory ary mitebiteby izao tontolo izao manontolo dia mikaroka fatratra izay hitondra fitoniana sy fiarovana ho azy ny olona. Tahaka izany no nisehoan'ny didy jadona tamin'ny lasa, ary tsy misy antony tokony hieritreretana fa tsy hiseho intsony izany. Araka ny faminaniana, dia hisy zavatra hanetsika ny fitrangan' ireo toe-javatra farany ireo. Na dia sarotra aza ny hahalala ny mety ho fizotr'izany rehetra izany, dia efa hitan'izao tontolo izao ny mety hisehoan'ny fiovana lehibe ary tena haingana koa izany. Na dia tsy fantatsika aza ny tsipirian'ny toe-javatra ho avy dia tokony ho vonona hiatrika izay hiseho isika.
Hafatra telo Telorolana Faharoa 12023 85
Ny fanadihadiana maro natao dia maneho fa marobe no tsy azo itokiana any amin'ireo andrim-panjakana sy ny fitondram-panjakana. Olona an-tapitrisany no manontany tena hoe: "Aiza no misy olona manana fitondran-tena tsara afaka hitarika izao tontolo izao?" Ny faminanian'nyz Apokalipsy dia manondro ny fahefan'ny bibidia izay hanana fahefana inoana fa hahatanteraka izany anjara asa izany eo ambany fiahian'ny fikambanan'ny fiangonana amin'ny fanjakana.
Vakio ny Apôk. 17:12-14. Ahoana no anoritsoritan'i Jaona ireo trangan-javatra farany eo amin'ny tantaran'ny tany ireo? Inona ny fahasamihafana lehibe hita eto?
Teboka telo lehibe manan-danja no asongadin' i Jaona ao amin'ireo andalan-teny ireo. Voalohany, ireo fahefana ara-politika dia "miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an'ilay bibidia". Faharoa, miady amin'i Jesosy, ilay Zanak'Ondry, io fikambanana izay mitana fahadisoana io. Fahatelo, amin'ny ady farany eto an-tany dia mandresy i Kristy sy ireo ampanara-dia Azy. Tsy ny bibidia no mandresy fa i Jesôsy.
Efa nanontany tena ve ianao ny amin'ny tetikady mety hampiasain'ny devoly hampiraisana ny firenena rehetra? Miverimberina matetika ny tantara. Lesona sarobidy no tsoahintsika avy amin'ny faharavan'ny fanjakana romanina. Rehefa nandrava an'i Eoropa andrefana ny fanafihana nataon'i Alemaina avy tany avaratra dia nitodika tamin'ny fivavahana ny amperora romanina Constantin. Tonga fitaovana nilain'i Constantin indrindra ny fahefan'ny Eglizy nikambana tamin'ny fahefam-panjakana. Ny fanamafisana hatrany ny fahamarinan'ny Alahady tamin'ny taonjato fahefatra dia hetsika ara-pôlitika sy ara-pivavahana izay natao mba hampiraisana ny fanjakan-dehibe nandritra ny fotoan-tsarotra. Nirin'i Constantin ny hampiraisana ny fanjakany, ary nirin'ny eglizy romanina ny "hanova fo" izany fanjakana izany. Milaza izany mazava tsara ny mpahay tantara malaza Arthur Weigall: "Ny tena antony nanaovan'ny Eglizy ny Alahady ho andro masina dia ny maha-fetin'ny masoandro isan-kerinandro izany; politika kristianina mazava ny famerenana ireo andro firavoravoana jentilisa izay nankamamian'ny vahoaka araka ny fomban-drazana sy ny fanomezana hevitra kristianina izany." — The Paganism in Our Christianity (New York: G. P. Putnam's Sons, 1928), t. 145.
Amin'ny fotoan-tsarotra lehibe iray, rehefa matahotra sy ory ary mitebiteby izao tontolo izao manontolo dia mikaroka fatratra izay hitondra fitoniana sy fiarovana ho azy ny olona. Tahaka izany no nisehoan'ny didy jadona tamin'ny lasa, ary tsy misy antony tokony hieritreretana fa tsy hiseho intsony izany. Araka ny faminaniana, dia hisy zavatra hanetsika ny fitrangan' ireo toe-javatra farany ireo.
Na dia sarotra aza ny hahalala ny mety ho fizotr'izany rehetra izany, dia efa hitan'izao tontolo izao ny mety hisehoan'ny fiovana lehibe ary tena haingana koa izany. Na dia tsy fantatsika aza ny tsipirian'ny toe-javatra ho avy dia tokony ho vonona hiatrika izay hiseho isika.
Vakio ny Apôk . 14:9 ary ampitahao amin'ny Apôk . 14:12. Alza no itoeran'ny mariky ny bibidia? (Jereo ny Deo. 6:8, Deo. 11:18.) Inona ireo toetra roa izay manavaka ny olon'Andriamanitra amin'ireo mandray ny mariky ny bibidia?
Ny sokajy fray dia miankohoka amin'ny bibidia ary ny iray kosa mitandrina ny didin'Andriamanitra (ao anatin'izany ny didy fahefatra, ilay hany didy izay tadiavin'ny fahefan'ny bibidia hovana) sy ny finoana an' i Jesôsy. Izany no fifanoherana misy eo amin'izy ireo. Miasa amin'ny alalan'ireo bibidia avy amin'ny tany sy ny ranomasina ny devoly mba hanozongozonana ny fahefan 'Andriamanitra ka ny fon'ny fiankohofana no iantefan'ny famelezany amin' izany, tsy Inona izany fa ny Sabata. Eo amin'ny handrina na eo amin'ny tanana no misy ny mariky ny bibidia. Ny handrina dia tandindon'ny saina izay itoeran'ny feon'ny fieritreretana sy ny fisainana ary ny fahaiza-manavaka; ny tanana kosa dia maneho ny fihetsika sy ny asa atao.
Ho avy ny andro izay hamoahana lalana manakana ny fahafahana ara-pivavahana ananantsika, ary mety ho haingana tokoa noho izay iheverantsika azy izany. Ireo izaymanaraka amim-pahitsiana ny Tenin'Andriamanitra sy mitandrina ilay tena Sabatan'i Jehôvah no holazaina fa manohitra ny firaisana sy ny tombontsoan'ny fiarahamonina.
"Ireo manaja ny Sabatan'ny Baiboly dia ho ampangaina ho fahavalon'ny lalana sy ny filaminana, ho mpandrodana ny lalana mamefy ny fiainana ara-pitondrantena eo amin'ny tany ama-monina, ka mahatonga fanjakan 'Ibaroa sy fahalotoam-pitondrantena, sady miantso ny fitsaran'Andriamanitra hianjady amin'ny tany. Holazaina fa kirina, mafy hatoka sy manao tsinontsinona ny fahefana izy ireo raha sarotiny amin'ny fanarahana ny feon 'ny fieritreretany. Ho ampangaina ho tsy manaja ny fanjakana izy amin 'izany." HM, t. 617.
Ny fiangonan'i Roma dia manambara fa ny Alahady no "mariky" ny fahefan'ny fiangonana. "Marina tokoa fa ny Eglizy katolika dia milaza fa avy aminy io fanovana io. (...) Ary izany fihetsika izany dia mariky ny hery sy ny fahefan'ny fiangonana eo amin'ny sehatra ara-pivavahana." — The American Catholic Quarterly Review, Janoary 1883. Ny bokin'ny Apokalipsy dia nilaza mialoha fa amin'ny hoavy, mandritra ny fotoan-tsarotra manerana izao tontolo izao, dia hiatrika fiovana goavana ara-politika, ara-tsosialy, ara-pivavahana ary ara-moraly ny tontolo misy antsika; amin'izany no hanamafisana ny fitandremana ny Alahady ka hahatonga izany ho "mariky ny bibidia" avy eo. Averina indray fa tsy nolazaina antsika ny fomba hitrangan'izany rehetra izany. Ny teboka lehibe ihany no ambaran'ny Soratra Masina antsika, saingy ampy hanehoana amintsika izany fa ny fifanandrinana lehibe dia hiafara amin'ny fiankohofana amin'ny bibidia na amin'ny Mpamorona, ary hanana anjara asa lehibe ao anatin'izany koa ny Sabata andro fahafito.
Fomba ahoana no nizarazaran'ny olombelona hatrany araka ny fiandaniany amin'AndriamanItra na amin'i Satana? Nahoana no tsy misy ny marimaritra iraisana? Ahoana no hahalalantsika amin'ny fomba azo antoka izay iandaniantsika?
Na dia amin'izao fotoana izao aza dia azo heverina fa efa antomotra izany fanenjehana izany. Tamin'ny 6 Jona 2012 dia nandefa antso maika ho an'ny olona 15 000 mahery nivory teo amin'ny toerana malalaka Saint-Pierre tao Roma ny Papa Benoit XVI: ny Alahady dia tokony ho andro fitsaharana ho an'ny rehetra, mba hananan'ny olona fahafahana hiaraka amin'ny fianakaviany sy amin'Andriamanitra. "Amin'ny fiarovana ny Alahady dia arovana ny fahafahan'ny olombelona". Mazava loatra fa tsy mitovy amin'ny fanerena ny hafa hitandrina io andro io fa tsy ny Sabata ara-Baiboly izany, saingy maneho fa ny fiheverana ny Alahady ho "andro fitsaharana" no tena votoatiny. Na ho ela na ho haingana dia hisy lalana holanina, ary ireo izay manaraka ny Tenin'Andriamanitra amim-pahitsiana sy mitandrina ny tena Sabata marina dia hantsoina ho mpanohitra ny tombontsoan'ny fiarahamonina.
Amin'izany fotoan-tsarotra izany dia hijoro mafy ny vahoakan'Andriamanitra mahatoky eo amin'ny fahareseny lahatra hanaraka Azy, noho ny Fahasoavany sy ny Heriny. Tsy hilefitra eo anatrehan'ny fanerena izy ireo.
Tsy ny mariky ny bibidia no horaisin'izy ireo fa ny tombokasen'Andriamanitra. Ny tombokase dia nampiasaina fahiny mba hanamarinana ny maha-azo itokiana ny taratasy ofisialy iray. Azontsika antenaina, araka izany, ny hahita ny tombokasen' Andriamanitra eo amin' ny lalany. Ny tombokase fahiny dia famantarana miavaka ho an'ny isam-batan'olona. Izao no lazain'i Isaia mpaminany: "Fehezo ny teni-vavolombelona, ary asio tombo-kase ny lalàna eo amin'ny mpianatro."- Isa. 8:16.
Vakio ny Eks. 20:8-11. Inona avy ireo ampahany mandrafitra ny tombokase ara-Baiboly hitanao ao amin'ny didy momba ny Sabata? Inona no maha-samy hafa ny didy momba ny Sabata amin'ny didy hafa rehetra?
Singa telo maneho ny maha-azo antoka ny tombokase no hita ao amin'ny didy fahefatra. Voalohany, ny anaran' ilay mpanombokase: "Jehovah Andriamanitrao"- Eks. 20:10. Faharoa, ny anaram-boninahiny: Jehôvah ilay "nanao" na ny Mpamorona (Eks. 20:11). Ary fahatelo, ny fari-piadidiany: "ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin 'izay rehetra ao aminy"- Eks. 20:11. Araka ny Apok. 7:1, 2, dia eo amin'ny handrintsika ihany, izay tandindon'ny fisainantsika, no ametrahana ny tombokasen' Andriamanitra. Manaja ny fahalalahantsika misafidy i Jesosy. Manasa antsika Izy hamela Azy hamolavola ny saintsika amin'ny alalan 'ny Fanahiny Masina mba tsy ho voahozongozona hiala amin'ny vatofantsiky ny finoantsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra isika (Efes. 4:30). Takatsika amin'izany fa ireo mahatoky dia izay "mitandrina ny didin 'Andriamanitra sy [manana] ny finoana an 'i Jesosy."- Apôk. 14:12; ary ao anatin'ireo didy ireo no misy ny didy fahefatra izay novan'ny fahefan'ny bibidia.
Inona avy ireo toe-javatra hitanao fa mivoatra ankehitriny ary mety hitarika ho amin'ny famerana ny fahafahantsika ara-pivavahana? Inona koa ireo sakana mitoetra?
"Rehefa hanatsotra ny sandriny eo ambonin'ny tevana mba handray ny tanan'ny fahefana romanina ny fivavahana protestanta, rehefa hanatsotra ny tanany eo ambonin'ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hifandray tanana amin'ny fiantsoana avelo, rehefa hanatsotra ny sandriny eo ambonin' ny lavaka tsy hita noanoa izy ka hifandray tanana amin'ny fiantsoana avelo, rehefa hands ny foto-kevitra tsirairay ao anatin'ny lalam-panorenana maha-fitondrampanjakana repoblikanina sy maha-firenena pratestanta azy ny firenentsika [Etazonia] eo ambanin'ny hery miasa mangina avy am in'ireo fiery telo sosona mitambatra ireo, ka hiomana hampiely ny lainga sy ny foto-pinoana dison'ny fahefana papaly, dia ho fantatsika amin'izay fotoana izay fa tonga ny fotoaniny fiasa mahagagan'i Satana ary efa antomotra ny farany." — TFC, b. 5, t. 451.
"Manana fironana hanadino isika fa andro fiankohofan 'ny tafiky ny fahavalo ny Alahady (...) araka izay voatantara ao amin'ny bokin'ny Apolcalipsy. Famantarana manan-danja tokoa ny Alahady, izay maneho ny fitaka sy ny lainga lehibe ataon'ny dragona. (...) Io fanovana ny lalan'Andriamanitra io dia maneho amin'ny fihetsika tsotra ny fototry ny fankahalan'ilay dragona an'Andriamanitra eo amin'ny fifanandrinana lehibe misy eto amin'izao rehetra izao. Tena mamitaka tokoa ny fahatsorany. Nitady ny handrombaka ny toeran'Andriamanitra eo amin'izao tontolo rehetra izao ny dragona amin'ny fanehoana fa ny tenany no iankohofana ary amin'ny fanambarana fa tsy rariny ny lalan'Andriamanitra ka tokony hovana. Nanova ilay lalana eo afovoan'ny didy folo ny dragona, dia ilay lalana izay anondroana an'Andriamanitra ho Mpamorona sy Mpanavotra, Ilay hany mendrika hiankohofana (Eks. 20:8-11; Deo. 5; jereo koa ny Ara. 4:11; 5:9, 13, 14). Ny fanovana ny lalana dia tsy maneho fotsiny ihany ny fankahalan'ny dragona ny sitrapon'i Jehovah (ny lalana) fa ny fiezahany handrombaka ny toeran'Andriamanitra amin'ny fanaovana ny tenany ho ivo ifantohan'ny fiankohofana koa. (. ..) Nahazo antoka izy fa handresy raha nametraka io fanovana ny lalana io manerana an'izao tontolo ary rehetra izao." -- Angel Manuel Rodriquez, "The Closing of the Cosmic Conflict: Role of the Three Angels' Messages," tt. 53, 54.
Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:
1- Na dia miaina ao anatin'ny fiandrasana ireo toe-javatra hiseho amin'ny andro farany aza isika, nahoana no tokony hiambina mba tsy ho latsaka amin'ny fandraisana tendrony sy ny famerana daty na ny tombantombana ankoatra izay efa nambara tamintsika tamin'ny alalan'ny tsindrimandry avy amin'Andriamanitra? Inona avy ireo loza ateraky ny fanaovana toy izany, ary inona ireo vokatra aterany rehefa tsy mitranga araka ny fotoana sy ny fomba izay nambaran'ny olona fa hisehoan'izany ireo toe-javatra andrasana?
2- Na dia tokony hisoroka ireo loza mananontanona voalaza ao amin'ny fanontanIana eo ambony aza isika dia ahoana no hamaliana Ireo izay milaza to tsy hitranga ny toe-javatra resahintsika momba ny mariky ny bibidia sy ny fanenjehana satria toa tsy azo sainina tsotra izao izany, raha jerena ny toe-java-misy ankehitriny eto amin'izao tontolo izao? Nahoana !zany fomba timainana izany, no dia toa misy heviny aza ny fijery azy, no tsy mitombina mihitsy? (Jereo ny fihazakozahazan'ireo fiovana lehibe eto amin'izao tontolo izao).
Ny fitiavana manarona ny ota rehetra Tandremo ny fo Aza manao tsobodranondRamiangaly( Na hilomanosako aza) Ireo zay manaraka ny zanak'Ondry
Aza tia tena Ny torimaso Miomana ho any andanitra (Manaiky ny atao batisa) Ny herisetra ny vokany sy ny fiatraikany Mijinja izay nafafintsika
Itokiso Jehovah Faniriana arahana vina Maraina vaovao Fizarana Voalohany NATUMAD Fanajarina ny tany (fanaovana ny tatatra) Mm Nirina Ilay ady mahafoka izao rehetra izao
Endrika mirana Sakamalao confi Fahamarinana rehetra Tmg Jacques Besalampy & Pasitera Herman (Mamaly vavaka Andriamanitra) Fiaretana tsy azo hozongozonina
Manan tsafidy madiodio ianao Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao Fanentanana farany Ny tombokasen'Andriamanitra sy ny mariky ny Bibidia
Mianara mijery lafintsarany Jesosy ilay tenin'Andriamanitra Soa, ilay tambanivohibavy Ekeo ny fanafahan'Andriamanitra Tia anao @ fitiavana mandrakizay Andriamanitra Ny famitahana farany ataon'i Satana.
Ario ny tahotra Voly Ovy ( Dera) Fanomezamboninahitra an'Andriamanitra Fampihenana lanja (Dr Mahay Tia) fahasoavana ho entina mankatoa
Mampianara anay hanisa ny andro hiainanay Rankizy, Aza mandainga Ny maha iray ny Baiboly Izay manafina ny fahotany tsy ambinina Afaka aho Antso ho amin'ny fahatokiana
Ampifalio amin ny nataonao aho Jehovah o Raha te hiala @ fisotroantoaka Miomana ho any andanitra (Mino sy atao batisa) Famaritana ny fanabeazana Babylona foiben'ny fihankohofana amin'ny masoandro
Andriamanitra anie hitahy anao Faniriana Andriamanitry ny fahasoavana Fizarana faharoa NATUMAD Ady amin'ny vitsika & fiompiana kankana mena Mme Nirina Ilay lainga hatrizay momba ny tsy fahafatesana
Mahaiza mankasitraka Creme fraiche vita amin'ny soja Zanak'Andriamanitra Tmg Jacques Besalampy & Pasitera Herman (Mamaly vavaka Andriamanitra) Ny lalana izay toa mahintsy eo imason'ny olona
Mibebaha Ny fiankohofana tena izy Mitahiry ilay fanandramana vaovao Ny famitahana farany ataon'i Satana
Mahalala an'Andriamanitra Ny fanambaran'izay vavolombelona nanatrimaso Niova ihany aho nony farany Fiz Mihevitra sy miteny ny lafitsarany Ilay tanàna antsoina hoe Fikorokorohana, fianarana fanampiny
Tsy hita Voly Ovy Tontolo iainana ( Zaro amin'ny lalana tokony halehany Ny fandevonankanina Antso amintsika ho amin'ny fanolorantena
Mivavabavaka Tenin'Andriamanitra ve ny Baiboly Tsy miankina @ vintana ny fahombiazana Antso amintsika ho amin'ny fanolorantena
Te ho afaka @ inona ianao raha tsy te hankato an' Atra Ny fisorohana ny Arteriosclerose Miomana ho any andanitra Famaritana ny fanabeazana Zavamiafina Babylaon lehibe
Fanomezana sarobidy Atokiso ny tenanao Andriamanitry ny fahasoavana fanamboarana voly rakotra Fizarana faharoa Ny divain'ny fahatezaran'Andriamanitra
Miaina ampahatokiana Ny finoana fizarana fahatelo Itw Mme Haja Mifem Iouc & Pasteur Rija Mory Rafitra roa mifanohitra
Avadio ho boky tsara ny tantaran'ny fiainanao Ny fiankohofana tena izy Mbola misy ady atrehina Ilay tanàna antsoina hoe Fikorokorohana
Ilay vohitry ny Fanantenana Ilay Mesia tenin'Andriamanitra Niova ihany aho nony farany Fiz Mahafantatra ny fetran'ny tena manokana Ny Sabata sy ny andro farany fianarana fanampiny
Ataovy toy ny an'Andriamanitra Voly Ovy ( Dera) Tontolo iainana ( Anaro ny maloto saina ) ZIXWAB Fandrahoankanina mahasalama (Fizarana ) Ny Sabata sy ny fitsaharana mandrakizay