Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fanorenana ara-paminaniana

Date
Lundi 06 novembre 2023

Vakio ny Lio. 24:36-49. Inona no nitranga teto, ary nahoana izany no fanandramana manan-danja ho an'ireo apôstôly?

Mahaliana tokoa ny tsy ninoan'ireo mpianatra noho ny tahotra. Rehefa nahita an'i Jesosy anefa izy ireo ary nahazo antoka fa velona tokoa Izy, dia tsy nino indray "noho my hafaliana" (Lio. 24:41). Efa nisy fotoana ve nahatsapanao fa tsara loatra ny zavatra iray ka tsy mampino hoe misy marina? Izany no fanandraman'ireo mpianatra sy ireo hafa tao amin'ny efitrano ambony.

Raha toa izany fanandramana izany ihany no navelan'i Jesosy ho azy ireo ka lasa lzy avy eo, dia tsy ho naharitra ny finoan'izy ireo. Raha mandeha ny fotoana dia ho nihena ny herin'izany fanandramana izany, mety hadinon'izy ireo izany na koa hanjary hisalasala ny amin'izany aza izy. Koa tsy nianina tamin'ny fanehoana tamin'izy ireo ny holatra teo Aminy sy ny fihinanana trondro teo anoloany i Jesosy. Tsy izany fa nosarihiny ho ao amin'ny Tenin' Andriamanitra izy ireo ary nasehony azy ny fanorenana ara-paminanian'ny asany sy ny fanompoana nataony. Izany hoe, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny halehiben'ny fanandramana niarahan'izy ireo tamin'i Jesosy dia tiany raha hiorina amin'ny Tenin Andriamanitra ny finoan'izy ireo. "Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalan'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo."- Lio. 24:44.

Hitantsika eto koa ny antony lehibe manosika ho amin'ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fanatanterahana ny iraka: ny Tenin'Andriamanitra. Fantatr'i Jesôsy fa ilain'ireo mpianatra mba hanamafy orina ny fanandramany ny fahatakaran'izy ireo ny antony nahafatesany sy ny hevitry ny fitsanganany tamin'ny maty. Nilain'izy ireo ny hamiliana ny fomba fijeriny an'izao tontolo izao hiala amin'ny fanjakana ara-politika sy eto an-tany ho amin'ilay vahaolana lehibe ho an'ny fahotana sy ny fandresen'i Kristy ny fahafatesana. Mihoatra lavitra noho ny fanatrarana ny flandrianam- pirenen'i Isiraely ny filazantsara. Naneho ny fandresen'i Kristy an'i Satana izany ary nanome antoka fa ho ringana ny faharatsiam-panahy rehetra eto amin'izao tontolo izao indray andro any, hohavaozina indray ny tany ary ho eo amin'ny olony Andriamanitra. Nosofakany ny "sain 'ireo" mba hahatakatra ny fahamarinana izay tokony hozarain'izy ireo amin'izao tontolo izao (Lio. 24:45).

Tsy hitombo ny fanandramantsika miaraka amin'i Jesosy raha tsy eo ny fanorenan'ny Teniny, anisan'izany ireo faminaniana izay manondro ny tantara sy ireo toe-javatra mifandraika amin'ny fiavian'i Kristy voalohany sy faharoa. Rehefa mafy orina ny fahatakarana ireny fahamarinana ireny dia vonona sy marisika ho amin'ny fanatanterahana ny iraka isika.

Manao ahoana ny fiorenanao ao amin'ireo faminaniana izay manondro an'i Kristy, mahakasika ny flaviany voalohany sy ny fanindroany? Nahoana Isika no tokony hiorina amin'ny Tenin Andriamanitr (ao anatin izany ny faminaniana), indrindra amin'ny andro farany? Ary nahoana no zava-dehibe tokoa ny fahatakarana ireny, indrindra ho fanatontosana ny iraka nampanaovina antsika?

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie
lun 16 juin 2025
Adorer l’image

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal