"Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo aho." - Jao. 14:2
Mofon'aina:
Nitoetra niaraka tamin'ny mpianany i Jesôsy nandritra ny efapolo andro; nitondra fifaliana sy firavoravoana tao am-pon'izy ireo ny zava-misy marina momba ny fanjakan'Andriamanitra, rehefa nosokafany taminy tamin'ny fahafenoany kokoa. Nametraka iraka tamin'izy ireo Izy, dia ny ho vavolombelona ny amin'ireo zavatra hitany sy reny (...); ary koa nanana sorona noho ny amin'ny fahotana Izy mba hanatonan'ny olon-drehetra Azy hahazoan'izy ireny fiainana. Tamim-pitiavana mahatoky no nilazany tamin'izy ireo fa henjehina, hampahorina izy ireo, nefa hahazo fiononana amin'ny fahatsiarovana ny zavatra niainany sy ireo teny izay nataony taminy. Nambarany azy ireo fa efa nandresy ny fakam-panahy rehetra nalefan'i Satana Izy (...). Tsy manan-kery Aminy intsony i Satana ka hampitodika kosa ny fakam-panahiny mivantana kokoa any amin'ireo mpianany sy amin'ireo olona izay mino ny Anarany. Afaka mandresy tahaka ny nandreseny koa izy ireo.
Nofenoin'i Jesôsy fahefana hoenti-manatanteraka fahagagana ny mpianatra ary nolazainy azy ireo fa na dia tsy maintsy enjehin'ny ratsy fanahy aza izy ireo dia haniraka ny anjeliny hanafaka azy hatrany Izy; tsy ho afaka ny ain'izy ireo raha tsy efa vita ny iraka nampanaovina azy; rehefa izany dia mety hotakina amin'izy ireo ny hanisy tombo-kase amin'ny alalan'ny rany, ny teny vavolombelona izay nentiny. (...)
Azo antoka fa fantatr'izy ireo ankehitriny fa Izy no Mpamonjy izao tontolo izao. Nilentika lalina tao am-pony ny teniny ary nalahelo izy ireo satria tsy ho ela akory dia ho tafasaraka amin'ilay Mpampianatra azy avy any an-danitra ka tsy handre intsony ny teny mampahery sy feno fahasoavana avy amin'ny molony. Kanefa nameno ny fon' izy ireo indray ny hafanan'ny fitiavana sy fifaliam-be rehefa nilaza taminy i Jesôsy fa handeha hamboatra fitoerana ho azy ka ho avy indray handray azy ireo, ary any amin'izay hitoerany no hitoeran'izy ireo koa. Nampanantena ihany koa Izy fa handefa Mpampahery, dia ny Fanahy Masina, izay hitari-dalana azy ho amin'ny marina rehetra. - EW, tt. 189,190