Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ilay "nohomboanareo" tamin'ny hazo fijaliana

Date
Mercredi 08 novembre 2023

Mirakitra ny tantaran'ny firotsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Pentekosta ny Asa. 2. Rehefa nivavaka ireo mpanara dia an'i Jesôsy, dia nisy lela mitarchin'afo teo ambonin'ny lohan'izy ireo. Fantany tamin'izay fa efa nomena azy ilay herin'ny Fanahy Masina izay nampanantenaina.

Vakio ny Asa. 2:1-41. Inona no nitranga tamin'ireo mpianatra vokatry ny fandraisana ny Fanahy Masina tamin'ny Pentekôsta?

Nanomboka niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa "araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy" ireo mpianatra (Asa. 2:4). Ny zava-dehibe indrindra eto dia ny nanomezan Andriamanitra fahaiza-manao ny tsirairay ho tombontsoan'ireo tsy mpino. Tsy natao ho an'ireo mpianatra irery ny fitahiana. Tsy fitahiana nomena azy mba hahatonga azy ho mendrika ny lanitra izany na koa hoentiny manamora ny fandraharahana amin'ny fampiasana teny vahiny, fa nomena azy izany mba hanatanterahany ny iraka nanirahan Andriamanitra azy ho any amin'ireo very. Ankehitriny dia miantso ireo mpanara-dia Azy Andriamanitra mba hampiasa ny fanomezam-pahasoavany ho tombontsoan'ny asa atao amin'ireo tsy mpino. Fanomezam- pahasoavana maro no natolotra antsika: inona moa ny flantsoana hanao ny asa lehibe kokoa noho ny fampiasana ny fanomezana natolotra antsika mba hanatrarana ny hafa?

Vokatry ny firotsahan'ny Fanahy Masina dia marobe no nibebaka tamin'ny fandavany ny Mesia, satria maro tamin'izy ireo no tao Jerosalema tamin'ny fotoana nahafatesany. Saino ny hery miseho eto: nambaran'i Petera fa ny sasany tamin'izy ireo no nanombo an'i Kristy tamin'ny hazo fijaliana. Hita niharihary fa nahatsapa ny zavatra nataony izy ireo ary nahatsiaro ho meloka ka nihiaka hoe: "Ry rahalahy, inona no hataonay?". Asa. 2:37.

Na izy ireo aza dia afaka nandray famelan- keloka. Hoy i Petera taminy: "Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianarea handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina."- Asa. 2:38.

Niara-niasa tamin'ny Fanahy Masina sy ireo namany ireto mpanara-dia an'i Jesôsy ireto, ary nitory ny fibebahana sy ny famelan-keloka eny fa na tamin'izay voakasika mivantana tamin'ny fanomboana an'i Kristy tamin'ny hazo fijaliana aza! Tahaka izany ny herin'ny filazantsara! Raha tsy manetsika antsika hanao ny asa izany hafatra izany, dia inona no mety handrisika antsika? Antsoina isika mba hanapariaka ny filazantsara amin'izao tontolo izao, tontolo izay feno fahotana, lavo, feno fahalovana ary feno vahoaka mpanota sy lavo ary ratsy fitondrantena. Tsy anjarantsika ny mitsara, ny anjarantsika dia ny mijoro ho vavolombelona my amin'ilay herin'i Jesosy izay mahavonjy

Na dia ny sasany tamin'ireo izay nandray anjara tamin'ny fahafatesan'i Kristy aza dia notolorana ny famonjena, nahoana izany no tokony (1) hampahery antsika mahakasika ny fanahintsika, ary koa (2) handrisika antsika hijoro ho vavolombelona amin'ny hafa, na toy ny ahoana ny mety ho faharatsian'izy ireo?

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie
lun 16 juin 2025
Adorer l’image

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal