Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny tantaran'ilay samaritana tsara fanahy amin'izao andro izao

Date
Jeudi 16 novembre 2023

Rehefa nanome ny valinteny marina ilay mpahay lalana dia izao no baiko nomen'i Jesôsy azy: "ataovy izany, dia ho velona hianao." Lio. 10:28, ary nahakasika ny aty fon'ilay lehilahy Izy tamin'izany. Mora ho an'ilay mpahay lalåna ny nanome ny valinteny marina rehetra, saingy sarotra ho azy ny nanatanteraka izany roa arivo taona lasa izay, ary mbola sarotra ho an'ny ankamaroantsika amin'izao andro izao koa. Te hamandrika an'i Jesôsy ilay mpahay lalàna, ary koa te hampiseho ny fahalalana nananany. Mbola nametraka fanontaniana indray izy hoe: "Iza àry no namako?" - and. 29.

Vakio ny Lio. 10:30-37. Ahoana no hamintinanao ny tian'i Jesôsy hambara ao amin'io tantara io?

Moa ve eo amin'ny manodidina antsika misy olona nanaovan'ny hafa fitondrana tsy ara-drariny? Efa nanao izay azo natao mba hanampiana azy ireny ve isika?

Marina tokoa fa tsy manampy ireo mila fanampiana ny pasitora sy ny loholona ary ny mambra indraindray. Misy fotoana, ny olona any amin'ny finoana hafa no tsara fanahy kokoa noho isika eo amin'ny fiarahamonina. Mety miresaka momba ny tokony hanehoana fahatsaram-panahy isika, saingy ny hafa no mety manome izay ilain'ireo olona tsy iresahantsika. Raha misy heviny ny finoantsika dia tsy maintsy manatratra ireo sahirana isika ary manampy azy ireo.

Namarana ny tantaran'ilay Samaritana tsara fanahy i Jesôsy ka nanontany hoe iza tamin'ireo olona telo no naman'ilay olona nila fanampiana.

"Voavaly araka ny marina izany ilay fanontaniana manao hoe: 'Iza no namako?" Nasehon'i Kristy fa ny namantsika dia tsy izay iray fiangonana na iray finoana amintsika ihany. Tsy mikasika firazanana na volon-koditra na saranga izany. Ny namantsika dia ny olona rehetra izay mila ny fanampiantsika. Ny namantsika dia ny fanahy rehetra izay noratraina sy nokapohin'ilay fahavalo. Ny namantsika dia izay rehetra fananan 'Andriamanitra." - IFM, t. 538.

Fanamby: Manomboha mivavaka isan'andro ho an'ny olona iray tsy mitovy aminao, na ho an'ny olona iray mety tsy dia tianao loatra.

Manaova fihaikana: Manaova lisitry ny olom-pantatrao 3 farafahakeliny (tsy Advantista); fantaro ny zavatra ilain'izy ireo (ara-pihetsehampo, ara-batana, ara- piarahamonina) ary eritrereto ny fomba hahafahanao miasa manokana amin'ireo zavatra ilainy ireo.

Inona no azonao atao ho azy ireo amin'io herinandro ho avy io?

Ecole Sabbat Semaine

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le

Ecole Sabbat S. dernière

sam 04 avr 2026
Connaitre Dieu
dim 05 avr 2026
Une image plus claire de Dieu
lun 06 avr 2026
Dieu est saint
mar 07 avr 2026
Dieu est amour
mer 08 avr 2026
Dieu dans la création
jeu 09 avr 2026
Emmanuel, Dieu avec nous
ven 10 avr 2026
Réflexion avancée
sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal