Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 17 novembre 2023

Vakio ny toko 54, "Ny Samaritana tsara fanahy" ao amin'ny IFM.

Olona maro no noana, mahantra, ary iharan'ny fitondrana ratsy ataon'ny hafa eto amin'ny tontolo misy antsika ankehitriny Azonao atao ny manao ny anjaranao, na dia "kely" aza izany. Tsy ho voavahantsika ny olana rehetra eto amin'izao tontolo izao mialoha ny hiverenan'i Jesosy, tsy nantsoina ho amin'izany isika. Mandra-pahatonga izany fotoana izany anefa dia azontsika atao ny manao asa tsotra toy ny manampy ny olona izay fantatsika fa tsy manan-kohanina, na koa manampy ny mambra ao amin'ny flangonana izay miaina ny tsy rariny na koa ny fanavakavahana, izay mbola olana misy eto amin'ny tontolo misy antsika na amin'izao andro izao aza.

"Izao no fivavahana madio sady tsy misy loto eo anatrehan 'Andriamanitra Ray: ny mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena amin'ny fahoriany, sy ny miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao. Ny asa soa no voa takin'i Kristy hoentitsika: ny teny feno fahalemem-panahy, ny asa feno fahafoizan- tena, ny fiahiana feno fitiavana ny mahantra sy ireo sahirana ary ireo ory. Rehefa miray fo amin'ireo manana fo vesaran'ny fahakiviana sy ny alahelo isika, rehefa manome ho an'ireo sahirana ny tanantsika, rehefa ampitafiantsika ny mitanjaka, rehefa raisintsika ho ao amin'ny efitrano fandraisam-bahiny ny mpivahiny ary omentsika toerana ao am-po, dia hanatona akaiky ny anjely ary hovalina any an-danitra ny vavaka ataontsika. Toy ny hira any an-danitra ny asa feno fahamarinana sy famindrampo ary fahafoizan-tena ataontsika. Mijery ireo manao asam-pamindrampo ny Ray eo amin'ny seza fiandrianany, ary mandray ireny ho isan'ny harena sarobidy indrindra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro." Heverina ho toy ny atao amin'i Jesôsy ny asam-piantrana rehetra atao amin'ireo mahantra sy ireo mijaly. Rehefa mamonjy ny mahantra ianao, miray fo amin'ireo ory sy mijaly, ary misakaiza amin'ny kamboty, dia manorina fifandraisana ety kokoa amin'i Jesôsy."'- TFC, b. 2, t. 25.

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra:

  1. Ahoana no ahazoantsika antoka fa takatsika ny tsy maha-famonjena amin'ny alalan'ny asa ny baiko ny hitiavana an'Andriamanitra sy ny hafa? Rehefa mandinika ny momba an'i Jesôsy sy izay nataony ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana isika (jereo ny Fil. 2:5-8), nahoana no fahadisoana lehibe ny fiheverana fa misy zavatra azontsika atao mba hahatonga antsika ho mendrika ny famonjena? Ahoana no hianarantsika manavaka ny fanaovana asa mba hahazoam-pamonjena (izay fahadisoana goavana) sy ny fanehoana eo amin'ny flainantsika ny famonjena Izay efa ananantsika ao amin'i Jesôsy?
  2. Ahoana no hianarantsika mamantatra Ireo fitsaratsarana Ivelany mely ananantsika mahakasika ireo olona samy hafa amintsika?
  3. Ankoatra ireo toko sy andininy nodinihina tao amin'ny lesona nandritra ity herinandro ity, inona koa ny fanohanana ara-tSoratra Masina hitanao mikasika ny ilana ny hanehoana hatsaram-panahy amin'ny hafa, na iza na iza izany?

Ecole Sabbat Semaine

sam 08 nov 2025
Loyauté ultime: adorer dans une zone de guerre
dim 09 nov 2025
L’alliance d’abord
lun 10 nov 2025
La pâque
mer 12 nov 2025
Écrit sur des pierres
jeu 13 nov 2025
Le désir ardent de Sa présence
ven 14 nov 2025
Réflexion avancée
sam 15 nov 2025
Les géants de la foi: Josué et Caleb

Ecole Sabbat S. dernière

sam 01 nov 2025
L’ennemi intérieur
dim 02 nov 2025
La violation de l’alliance
lun 03 nov 2025
Le péché d’Acan
mar 04 nov 2025
Des choix fatidiques
mer 05 nov 2025
La porte de l’espoir
jeu 06 nov 2025
Témoin de la puissance de Dieu
ven 07 nov 2025
Réflexion avancée
sam 08 nov 2025
Loyauté ultime: adorer dans une zone de guerre

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal