Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fanorenana ara-paminaniana

Date
Lundi 06 novembre 2023

Vakio ny Lio. 24:36-49. Inona no nitranga teto, ary nahoana izany no fanandramana manan-danja ho an'ireo apôstôly?

Mahaliana tokoa ny tsy ninoan'ireo mpianatra noho ny tahotra. Rehefa nahita an'i Jesosy anefa izy ireo ary nahazo antoka fa velona tokoa Izy, dia tsy nino indray "noho my hafaliana" (Lio. 24:41). Efa nisy fotoana ve nahatsapanao fa tsara loatra ny zavatra iray ka tsy mampino hoe misy marina? Izany no fanandraman'ireo mpianatra sy ireo hafa tao amin'ny efitrano ambony.

Raha toa izany fanandramana izany ihany no navelan'i Jesosy ho azy ireo ka lasa lzy avy eo, dia tsy ho naharitra ny finoan'izy ireo. Raha mandeha ny fotoana dia ho nihena ny herin'izany fanandramana izany, mety hadinon'izy ireo izany na koa hanjary hisalasala ny amin'izany aza izy. Koa tsy nianina tamin'ny fanehoana tamin'izy ireo ny holatra teo Aminy sy ny fihinanana trondro teo anoloany i Jesosy. Tsy izany fa nosarihiny ho ao amin'ny Tenin' Andriamanitra izy ireo ary nasehony azy ny fanorenana ara-paminanian'ny asany sy ny fanompoana nataony. Izany hoe, na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny halehiben'ny fanandramana niarahan'izy ireo tamin'i Jesosy dia tiany raha hiorina amin'ny Tenin Andriamanitra ny finoan'izy ireo. "Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalan'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo."- Lio. 24:44.

Hitantsika eto koa ny antony lehibe manosika ho amin'ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fanatanterahana ny iraka: ny Tenin'Andriamanitra. Fantatr'i Jesôsy fa ilain'ireo mpianatra mba hanamafy orina ny fanandramany ny fahatakaran'izy ireo ny antony nahafatesany sy ny hevitry ny fitsanganany tamin'ny maty. Nilain'izy ireo ny hamiliana ny fomba fijeriny an'izao tontolo izao hiala amin'ny fanjakana ara-politika sy eto an-tany ho amin'ilay vahaolana lehibe ho an'ny fahotana sy ny fandresen'i Kristy ny fahafatesana. Mihoatra lavitra noho ny fanatrarana ny flandrianam- pirenen'i Isiraely ny filazantsara. Naneho ny fandresen'i Kristy an'i Satana izany ary nanome antoka fa ho ringana ny faharatsiam-panahy rehetra eto amin'izao tontolo izao indray andro any, hohavaozina indray ny tany ary ho eo amin'ny olony Andriamanitra. Nosofakany ny "sain 'ireo" mba hahatakatra ny fahamarinana izay tokony hozarain'izy ireo amin'izao tontolo izao (Lio. 24:45).

Tsy hitombo ny fanandramantsika miaraka amin'i Jesosy raha tsy eo ny fanorenan'ny Teniny, anisan'izany ireo faminaniana izay manondro ny tantara sy ireo toe-javatra mifandraika amin'ny fiavian'i Kristy voalohany sy faharoa. Rehefa mafy orina ny fahatakarana ireny fahamarinana ireny dia vonona sy marisika ho amin'ny fanatanterahana ny iraka isika.

Manao ahoana ny fiorenanao ao amin'ireo faminaniana izay manondro an'i Kristy, mahakasika ny flaviany voalohany sy ny fanindroany? Nahoana Isika no tokony hiorina amin'ny Tenin Andriamanitr (ao anatin izany ny faminaniana), indrindra amin'ny andro farany? Ary nahoana no zava-dehibe tokoa ny fahatakarana ireny, indrindra ho fanatontosana ny iraka nampanaovina antsika?

Ecole Sabbat Semaine

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le

Ecole Sabbat S. dernière

sam 04 avr 2026
Connaitre Dieu
dim 05 avr 2026
Une image plus claire de Dieu
lun 06 avr 2026
Dieu est saint
mar 07 avr 2026
Dieu est amour
mer 08 avr 2026
Dieu dans la création
jeu 09 avr 2026
Emmanuel, Dieu avec nous
ven 10 avr 2026
Réflexion avancée
sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (26)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal