Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 27 octobre 2023

"Ny nahatonga an'i Abrahama nitalaho fatratra toy izany, dia noho ny fitiavany ireo fanahy izay ho very. Ny faniriany hamonjy ny mpanota dia nahery lavitra noho ny fankahalany ny fahotana mahatsiravina vitan'ilay tanana ratsy fanahy. Ohatra tokony halaintsika tahaka eo anatrehan'ny ratsy fanahy izany oha-pitiavana nasehon'ilay patriarka izany. Voahodidin'ny olona izay mizotra ho amin' ny fandringanana, toy ny olona tany Sodoma fahizay isika. Isan'andro isan'andro, dia mikatona eo amin'ny fiainan'ny olona sasany ny varavaram-pahasoavana; isan'ora isan'ora, dia misy olona izay mameno mitafotafo ny kapoaky ny faharatsiany. Koa aiza izay mba feo hananatra azy ireny handositra ny loza manandindona azy? Aiza izay tanana hitsotra hanavotra azy tsy ho tratran 'ny fahafatesana? Aiza ireo mpifona amin 'Andriamanitra mba hitalaho amin'ny fanetren-tena mafana sy finoana maharitra ho an 'ny olom-bery? "

"Ny toe-tsain'ny Mpamonjy no toe-tsaina nanetsika an 'i Abrahama. Ny Zanak'Andriamanitra no Mpanalalana lehibe ho an'ny mpanota. Izy, Izay efa nandoa ny avotry ny fanahin 'olombelona no mahalala ny hasarobidin'ny fanahin'olona. Noreseny ny faharikorikoana ny ratsy, dia faharikorikoana tsy misy manana izany afa-tsy ny fanahy madio tsy misy pentina ihany, ka fitiavan-dehibe tsy takatry ny saina no nasehon'ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Raha teo am-pialan'aina teo an-kazo fijaliana Izy, ka nitambesaran'ny fahotan'ny olombelona, dia nivavaka ho an'ireo mpamono sy mpaneso Azy ka nanao hoe: Raiko ô , mamela ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Lio. 23:24. " – PM, tt. 121,122 (ed. 2014). 

"Nifanerasera tamim-pomba mendrika tamin'ireo mpiray fonenana taminy ilay patriarka; nohajaina fatratra izy, dia toy ny fanaja mpanapaka ambony sy hendry. Ny fiainany izay nifanohitra tamin'ny fiainan'ireo mpanompo sampy, dia nanana hery hitaona ho amin'ny tena finoana marina. Ny toetrany mahatoky tsy miova teo anatrehan 'Andriamanitra, ny fiainany mahate-ho tia, ny fanaovan-tsoa nasehony, ny fahatsorany feno fahamendrehana, dia nahatonga ny olona hatoky sy ho tia ary hanaja sy hanome voninahitra azy." – PM, t. 114 (ed. 2014). 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra: 

1. Inona ireo ohatra hafa ao amin'ny Soratra Masina ahitantsika olona nahatanteraka ny iraka niantsoana azy? Ahoana ny amin'i Jaona mpanao batisa? Nahomby ve izy araka ny fijerinao?

2. Vakio ny Gen. 19:30-36. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny toetran'ny sasany amin'ireo navotana tao Sôdôma? 

3. Inona ireo lesona hafa azontsika raisina avy amin'ny ohatr'i Abrahama momba ny iraka sy ny fomba famitana izany?

 4. Saino ity: Araka ny hevitrao, nahomby ve ny fanelanelanana nataon'i Abrahama ho an'i Sôdôma sa tsia? 

Ecole Sabbat Semaine

jeu 03 Juil 2025
Un changement de plans
ven 04 Juil 2025
Réflexion avancée
sam 05 Juil 2025
Le buisson ardent

Ecole Sabbat S. dernière

sam 21 juin 2025
La fin en images
dim 22 juin 2025
Une œuvre de repentance
lun 23 juin 2025
Leçon quotidienne
mar 24 juin 2025
Le festin de Belshazzar
mer 25 juin 2025
Le dessèchement de l’Euphrate
jeu 26 juin 2025
Cyrus, l’oint
ven 27 juin 2025
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal