Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 03 novembre 2023

Manao fampitandremana lehibe i Ellen G. White ho an'ireo izay tsy mety mamaly ny antson'i Jesôsy mba ho tonga vavolombelona amin'ny manodidina azy.

"Ny fialantsiny omen'izay tsy manao io asa io dia tsy manafaka azy ireo amin'ny andraikiny tsy akory ary raha mifidy ny tsy hanao izany asa izany izy ireo, dia manao tsinontsinona ireo fanahy izay namoizan'i Kristy ny ainy, manao ankilabao ny andraikitra omen'i Kristy azy ireo, ary voarakitra ao amin'ny bokin'ny lanitra ho mpanompo ty mahatoky. Moa miasa tahaka Tompo ve ny mpitandrina ho hery sy fitahiana ho an'ny hafa, raha toa ka mihirimbelona amin'ireo izay mila ny fanampiany? Ireo izay tsy miraharaha ny fifandraisana manokana amin'ny olona dia manjary tsy mahita afatsy ny tenany, ka ilainy indrindra ny manao izany fanandramana izany, dia ny mifandray amin'ireo rahalahiny (anadahiny, anabaviny, rahavaviny), mba hahazoanay mahafantratra ny toe-panahiny ka hahaizany mamahana ny ondrin'Andriamanitra sy manome ny anjara hanin'ireo amin'ny fotoana. Izay manao tsinontsinona ny asa dia maneho miharihary fa mila fanontaniana ara-pitondrantena izy, ka dia ho hitany fa tsy mahafantratra velively ny fesatr'izany asa izany izy" -RH,30 Aogôsitra 1892

Teny henjana tokoa ireo, izay manasongadina ny lanja omen'Andriamanitra ny iraka. Na izany aza dia tsy avela tsy hanana fanantenana izy. "Andraikitra mavesatra ny iraka nampanaovina an'i Jona, kanefa afaka nanohana sy nanampy azy hahavita izany tamim-pahatokiana ilay naniraka azy. Raha nanaiky tsy tamim-pihambahambana ilay mpaminany, dia ho afaniala tamin'ny fitsapana maro sy ho nahazo fitahiana be dia be. Na izany aza anefa, dia tsy nahafoy an'i Jona ny Tompo tamin'ny fotoana nandresen'ny fahakivina azy. Raha niharan'ny fieahan-toetra mafy nitohitohy izy, dia narahin'ny fitahiana mahagaga koa izany, ka tokony ho nampahatanjaka azy itokisany amin'Andriamanitra sy ny herin'ny mahavonjy izany." - MM, t. 224.

Mety ho mora amintsika kokoa ny mitady fialan-tsiny, tahaka an'i Jônà, mba tsy hanatanterahana iraka. Mety ho iray ao anatin'ny maro ny antony mahatonga antsika hanao izany. Voafaritra mazava anefa, ary tsy latsaka noho ny an'i Jônà ny antso atao amintsika ho amin'ny iraka. Ny fanontaniana mipetraka dia hoe: "Ahoana no hamalianao izany?"

Fanontaniana hifanakalozana hivitra

  1. Inona ny fialan-tsiny efa nataonao mba tsy hanatanterahanao ny iraka? Aiza ny Ninive nanirahana anao?
  2. Saino ny hasarobidin'ny fahamarinana ananantsika amin'ny maha Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika. Saino ny fitahiana lehibe anananao noho ireo fahamarinana ireo. Inona no manakana anao tsy hiraza izany amin'ny hafa?
  3. Ahoana no hianaranao mandresy, amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Kristy, izay rehetra mety ho tahotra mahazo anao ka tsy hijoroanao ho vavolombelona, sy tsy hamitanao iraka?

 

Ecole Sabbat Semaine

sam 17 oct 2026
Les prophètes du Nouveau Testament
dim 18 oct 2026
Jésus en tant que prophète
lun 19 oct 2026
Apôtres et prophètes
mar 20 oct 2026
Fonctions des prophètes du Nouveau Testament
mer 21 oct 2026
Prophétesses et jeunes collaborateurs pastoraux
jeu 22 oct 2026
Les faux prophètes dans le Nouveau Testament
ven 23 oct 2026
Garder Jésus et Sa Parole au centre
sam 24 oct 2026
Révélation et inspiration

Ecole Sabbat S. dernière

sam 10 oct 2026
Les prophètes de l’Ancien Testament
dim 11 oct 2026
L’humanité des prophètes
lun 12 oct 2026
Identifier les vrais prophètes
mar 13 oct 2026
Les fonctions des prophètes
mer 14 oct 2026
Femmes prophètes
jeu 15 oct 2026
Faux prophètes
ven 16 oct 2026
Pas parfaits, mais disposés
sam 17 oct 2026
Les prophètes du Nouveau Testament

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal