Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 27 octobre 2023

"Ny nahatonga an'i Abrahama nitalaho fatratra toy izany, dia noho ny fitiavany ireo fanahy izay ho very. Ny faniriany hamonjy ny mpanota dia nahery lavitra noho ny fankahalany ny fahotana mahatsiravina vitan'ilay tanana ratsy fanahy. Ohatra tokony halaintsika tahaka eo anatrehan'ny ratsy fanahy izany oha-pitiavana nasehon'ilay patriarka izany. Voahodidin'ny olona izay mizotra ho amin' ny fandringanana, toy ny olona tany Sodoma fahizay isika. Isan'andro isan'andro, dia mikatona eo amin'ny fiainan'ny olona sasany ny varavaram-pahasoavana; isan'ora isan'ora, dia misy olona izay mameno mitafotafo ny kapoaky ny faharatsiany. Koa aiza izay mba feo hananatra azy ireny handositra ny loza manandindona azy? Aiza izay tanana hitsotra hanavotra azy tsy ho tratran 'ny fahafatesana? Aiza ireo mpifona amin 'Andriamanitra mba hitalaho amin'ny fanetren-tena mafana sy finoana maharitra ho an 'ny olom-bery? "

"Ny toe-tsain'ny Mpamonjy no toe-tsaina nanetsika an 'i Abrahama. Ny Zanak'Andriamanitra no Mpanalalana lehibe ho an'ny mpanota. Izy, Izay efa nandoa ny avotry ny fanahin 'olombelona no mahalala ny hasarobidin'ny fanahin'olona. Noreseny ny faharikorikoana ny ratsy, dia faharikorikoana tsy misy manana izany afa-tsy ny fanahy madio tsy misy pentina ihany, ka fitiavan-dehibe tsy takatry ny saina no nasehon'ilay Mpamonjy izao tontolo izao. Raha teo am-pialan'aina teo an-kazo fijaliana Izy, ka nitambesaran'ny fahotan'ny olombelona, dia nivavaka ho an'ireo mpamono sy mpaneso Azy ka nanao hoe: Raiko ô , mamela ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Lio. 23:24. " – PM, tt. 121,122 (ed. 2014). 

"Nifanerasera tamim-pomba mendrika tamin'ireo mpiray fonenana taminy ilay patriarka; nohajaina fatratra izy, dia toy ny fanaja mpanapaka ambony sy hendry. Ny fiainany izay nifanohitra tamin'ny fiainan'ireo mpanompo sampy, dia nanana hery hitaona ho amin'ny tena finoana marina. Ny toetrany mahatoky tsy miova teo anatrehan 'Andriamanitra, ny fiainany mahate-ho tia, ny fanaovan-tsoa nasehony, ny fahatsorany feno fahamendrehana, dia nahatonga ny olona hatoky sy ho tia ary hanaja sy hanome voninahitra azy." – PM, t. 114 (ed. 2014). 

Fanontaniana hifanakalozan-kevitra: 

1. Inona ireo ohatra hafa ao amin'ny Soratra Masina ahitantsika olona nahatanteraka ny iraka niantsoana azy? Ahoana ny amin'i Jaona mpanao batisa? Nahomby ve izy araka ny fijerinao?

2. Vakio ny Gen. 19:30-36. Inona no ambaran'izany amintsika mikasika ny toetran'ny sasany amin'ireo navotana tao Sôdôma? 

3. Inona ireo lesona hafa azontsika raisina avy amin'ny ohatr'i Abrahama momba ny iraka sy ny fomba famitana izany?

 4. Saino ity: Araka ny hevitrao, nahomby ve ny fanelanelanana nataon'i Abrahama ho an'i Sôdôma sa tsia? 

Ecole Sabbat Semaine

sam 23 mai 2026
Le péché, l’évangile et la loi
lun 25 mai 2026
Les points forts de ma relation avec Dieu
mer 27 mai 2026
La Loi et l’évangile
jeu 28 mai 2026
Le savoir et le faire
ven 29 mai 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 16 mai 2026
Avoir la foi
dim 17 mai 2026
Donne-moi seulement un signe!
lun 18 mai 2026
Jésus voit notre foi
mar 19 mai 2026
La foi n’est pas un sentiment
mer 20 mai 2026
Des exemples de foi
jeu 21 mai 2026
La foi de Jésus
ven 22 mai 2026
Réflexion avancée
sam 23 mai 2026
Le péché, l’évangile et la loi

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal