Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 01 décembre 2023

Vakio ny "Asa fanompoana ho an'ny manan-karena" ao amin'ny TMF, toko 14; "Captive Maid Shows Concern for Naaman" ao amin'ny Reflecting Christ, t. 337.

Tahaka ny itiavan'i Jesôsy ny mahantra. no itiavany koa ny mpanankarena sy ny olona manana ny maha-izy azy eto amin'izao tontolo izao. Maty ho an'ny andriana sy ireo fadiranovana izy. Fantany ny fomba mahomby indrindra hanatrarana ny fon'ireo. Nampitandrina antsika anefa Izy fa "moramora kokoa ny hidiran'ny rameva ny amin'ny vodi-fanjaitra noho hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan 'Andriamanitra."- Mar. 10:25. Fanamby apetraka amintsika amin'ity herinandro ity ny hanatratra olona manana ny maha-izy azy sy manan-karena amin'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy. Tena mila famonjena tahaka ny olon-drehetra izy ireny, na dia mety tsy ho tsapany aza izany (izay mampalahelo tokoa) noho ny "antoka" izay inoany fa omen'ny harenany azy.

"Betsaka no voalaza momba ny adidintsika amin'ny mahantra natao an- tsirambina; moa ve tsy misy fiheverana tokony hatao amin'ny mpanan-karena natao an-tsirambina? Betsaka no mihevitra io sokajin 'io olona io ho tsy misy antenaina (...) An'arivony ny olona manan-karena no lasa any am-pasana tsy nahazo fanairana. Nefa na toa tsy rototra aza izy ireny, dia betsaka amin'ny manan-karena no mitondra enta-mavesatra eo amin'ny fanahiny!"- TMF, t. 136.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  1. Nandrava ireo fefy ara-tsokajy sy ara-tsaranga i Jesôsy rehefa niasa teo amin'ny mpanankarena sy ny mahantra nandritra ny asa fanompoany teto an-tany. Ahoana no iresahantsika, amin'ny maha-Advantista antsika, momba ny elanelana misy eo amin'ny mahantra sy mpanankarena, izay lalim-paka tokoa any amin'ny fiarahamonina rehetra?
  2. Hoy i Jesôsy: "Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia mandre ny teny, ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy."- Mat. 13:22. Araka ny hevitrao, inona no tian'l Jesôsy hambara amin'ny hoe "fitaky ny harena"? Tsy voatery ho mpanankarena isika vao ho voafitaky ny harena, nahoana?
  3. Ivereno jerena ao amin'ny kilasy ny fanontaniana napetraka ao amin'ny fiafaran'ny fizarana Talata, mikasika ny tsy fitovian'ny fahalalana ny fahamarinana sy ny hoe voavonjin'ny fahamarinana. Nahoana no zava- dehibe ny fanavahantsika izany? Raha tsy mahavonjy antsika ny fahalalana ny fahamarinana fotsiny, inona àry no mahavonjy

Ecole Sabbat Semaine

sam 29 Aoû 2026
Un ministère chrétien authentique
dim 30 Aoû 2026
Les fruits d’un ministère authentique
lun 31 Aoû 2026
Souffrance et gloire
mar 01 Sep 2026
Un ministère de réconciliation centré sur Christ
mer 02 Sep 2026
Appel à la sainteté
jeu 03 Sep 2026
Consolation et joie

Ecole Sabbat S. dernière

dim 23 Aoû 2026
Actions de grâces
lun 24 Aoû 2026
Simplicité et sincérité
mar 25 Aoû 2026
Changer de plans par amour
mer 26 Aoû 2026
Le pardon et la réaffirmation de l’amour
jeu 27 Aoû 2026
Triomphe en Christ
ven 28 Aoû 2026
Réflexion avancée
sam 29 Aoû 2026
Un ministère chrétien authentique

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (55)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
  • Page suivante
Propulsé par Drupal