Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Hizara ny vaovao mahafaly

Date
Dimanche 05 novembre 2023

Vakio ny Lio. 24:1-12. Inona no nataon'ireo izay nandre ny amin'i Kristy nitsangana tamin'ny maty?

Ny Alahady mangiran-dratsy, vao taorian'ny nahafatesan'i Jesosy, dia ambaran'i Lioka fa vehivavy maromaro no nankany amin'ny fasana. Nitondra zava- manitra izy ireo, azo inoana araka izany fa handeha hanosotra izany amin'ny fatin'i Jesôsy izy ireo satria efa nifarana ny Sabata. Nanantena hahita fasana mbola mihidy sy misy tombokase izy ireo ka akory ny hatairany raha nahita ny fasana foana. Tsy azony antoka izay tokony hatao, natahotra izy ireo rehefa niseho taminy ny lehilahy roa nanao akanjo mamirapiratra. Nanan-kafatra ho azy anefa ireo lehilahy ireo. Nampahatsiahivin'ireo lehilahy ireo azy ny teny nataon'i Jesosy, nambarany tamin'ireto vehivavy ireto fa efa nitsangana tamin'ny maty araka izay efa nambaranyi Jesosy. Feno hafaliana ireo vehivavy ireo rehefa nandre ny vaovao ka niverina haingana tany amin'izay nisy an'ireo mpianatra sy ireo mpanara-dia an'i Jesosy ary nilaza tamin'izy ireo ny zavatra reny sy hitany, satria tsy lanany intsony ny fifaliany. Izany hoe, nizara izay reny momba an'i Kristy tamin'ny hafa izy ireo.

Azonao an-tsaina ve fihetsehampon'ireo ny vehivavy ireo? Fanandramana mahagaga no vao avy niainany, izay azo antoka fa nahatalanjona azy, kanefa nataon'ireo mpianatra hoe "arirarira foana" izany ka tsy ninoany. Tsy azón'i Petera antoka na tokony hino ireo vehivavy ireo izy na tsia, koa nihazakazaka nankany amin'ny fasana izy mba hizaha.

Ho an'i Petera, ary ho an'ny maro amintsika, dia mampisalasala ny hanaiky zavatra iray satria olon-kafa no nilaza izany. Na dia nihaino ireo vehivavy ireo aza i Petera, dia tsy niaina ny fanandraman'izy ireo raha tsy taoriana kely. Tamin'ny voalohany dia fasana foana no hitany, ary ambaran'i Lioka fa nahatonga azy "gaga noho ny zavatra izay tonga teo" izany (Lio. 24:12). Tsy nitovy tamin'ny fanandramana niainan'ireo vehivavy ny niainany teo amin'ny fasana.

Na inona na inona fihetsik'i Petera, raha vao ren'ireo vehivavy ireo ny vaovao momba an'i Jesosy, dia naniry ny hizara izany tamin'ny hafa izy ireo. Inona moa ny antony lehibe kokoa manosika antsika hanatanteraka ny iraka mihoatra noho ny fampahafantarana ny hafa ny zavatra izay nataon'i Jesôsy ho azy? Inona no antony manosika lehibe kokoa mihoatra noho ny fanapariahana ny vaovao mahafalin'ny famonjena ao amin'i Jesosy, Ilay hany fanantenana ho antsika rehetra?

Mazava loatra fa ilaintsika ny hanana fanandramana manokana miaraka amin'Andriamanitra, mialoha ny hizarantsika izany amin'ny hafa. Ny faniriantsika hizara ny zavatra tiantsika fatratra amin'ny hafa no tokony ho ampahany lehibe amin'ny antony manosika antsika hiasa. Tsy azontsika zaraina rahateo izay tsy ananantsika, sa tsy izany?

Inona ireo fanandramana niainanao mahakasika an'Andriamanitra sy ny Fitiavany? Nahoana ireny fotoana ireny no sarobidy aminao, ary ahoana no handrisihan'ireny anao hanatratra ny hafa amin'ny vaovao mahafaly?

Ecole Sabbat Semaine

sam 30 mai 2026
La repentance et le pardon
dim 31 mai 2026
La ruée de la vie
lun 01 juin 2026
Les instructions du Saint-Esprit
mar 02 juin 2026
La véritable repentance
mer 03 juin 2026
Une grâce suffisante
jeu 04 juin 2026
Le vêtement le plus cher
ven 05 juin 2026
Réflexion avancée
sam 06 juin 2026
Les revers

Ecole Sabbat S. dernière

sam 23 mai 2026
Le péché, l’évangile et la loi
lun 25 mai 2026
Les points forts de ma relation avec Dieu
mer 27 mai 2026
La Loi et l’évangile
jeu 28 mai 2026
Le savoir et le faire
ven 29 mai 2026
Réflexion avancée
sam 30 mai 2026
La repentance et le pardon

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (55)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
  • Page suivante
Propulsé par Drupal