Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina

Date
Mardi 21 novembre 2023

 

Lohahevitra nanjary niteraka adihevitra mafana ny mahakasika ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana, indrindra fa marobe tokoa izy ireo amin'izao fotoana izao. Na vokatry ny ady, na ny loza voajanahary, na koa ny fanantenana hoavy ara-toekarena tsara kokoa no anton'ny fifindrana monina, dia an-tapitrisa maro manerana izao tontolo izao no niala tany amin'ny trano fonenany ary miraviravy tanana ka mila fanampiana.

Mpitsoa-ponenana i Jesôsy ao amin'ny Mat. 2:13, 14. Voatery nandao an'i Betlehema tamin'ny andro alina i Josefa sy Maria, ray aman-dreniny teto an-tany, ary nitady fialofana tany Egipta mba handosirany ny tanana mpandatsa-dran'i Heróda. Tsy milaza na inona na inona momba ny fanandraman'izy ireo tany Egipta ny Baiboly, kanefa tsy sarotra ny maka sary an- tsaina ny fihaikana natrehina tamin'izany, ary angamba sahala amin'ireo fihaikana atrehin'ny mpitsoa-ponenana amin'izao andro izao koa aza ny sasany amin'izany. Tahaka ny nitadiavan'ny ankohonan'i Jesosy fialofana tany amin'ny tany hafa no itadiavan'ny Silamo, ny Bouddhiste, ny Hindou, ny Kristianina ary ireo olona marobe tsy manana firehana ara- pivavahana fialofana any amin'ny tany vaovao amin'izao andro izao.

Raha jerena ankapobeny dia mora kokoa ny manorina fisakaizana amin'ny olona mitovy kolontsaina sy fiteny amintsika satria manan-javatra maro iombonana aminy isika. Sarotra kosa ny mahita marimaritra iraisana amin'ny mpitsoa-ponenana sy ny mpifindra monina izay tsy mitovy amintsika ary tsy miteny ny tenintsika, tsy mitana ireo soatoavina ara-pivavahana ananantsika ary tsy mihinana ny sakafo fihinantsika. Miantso antsika ny Filazantsara mba hivoaka amin'ny faritra mampahazo aina antsika amin'ny lafiny flaviana sy ny kolontsaina ka hanatratra ireo mila fanampiana, na dia tsy mitovy amintsika aza izy ireny.

Vakio ny Deo. 10:19; Sal. 146:9; Rom. 12:13 ary ny Lev. 23:22. Inona ny lohahevitra manan-danja resahina eto izay tokony hotadidintsika?

Ahoana ny fomba hiasantsika amin'ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina? Sarotra izany satria any amin'ny firenena sasany dia tsy eken'ny lalana ny hifaneraserana akaiky amin'ireny olona ireny na koa ny manampy azy ireo. Tsy maintsy manao izay azontsika atao anefa isika, amin'ny fotoana ahafahantsika manao izany, mba hanaovana asa fanompoana co amin'ireo olona ireo, izay azo antoka fa nandalo fotoan-tsarotra tokoa ary mila ny fanampiantsika. Tsy maintsy manampy araka izay tratrantsika isika.

Atombohy amin'ny vavaka izany, ary tadiavo ny mombamomba ny mpitsoa- ponenana na ny mpifindra monina. Toerana maro no manana fikambanana miahy azy ireny. Azonao atao ny manomboka fiaraha- miasa amin'ireo fikambanana ireo, na koa azon'ny Sekoly Sabata ao amin'ny fiangonana misy anareo atao ny manomboka asa fanompoana eo amin'ireo mpifindra monina sy mpitsoa-ponenana.

Inona no azonao atao, na dia kely monja aza, ho fanampiana ireo mpitsoa-ponenana na mpifindra monina fantatrao?

Ecole Sabbat Semaine

sam 19 Sep 2026
Grâce, amour et communion
dim 20 Sep 2026
La grâce de Jésus
lun 21 Sep 2026
L’amour de Dieu
mar 22 Sep 2026
Le Dieu d’amour
mer 23 Sep 2026
La communion du Saint-Esprit
jeu 24 Sep 2026
Notre Dieu en trois personnes

Ecole Sabbat S. dernière

sam 12 Sep 2026
Face aux faux docteurs
dim 13 Sep 2026
Une guerre spirituelle
lun 14 Sep 2026
Se glorifier dans le Seigneur
mar 15 Sep 2026
Les faux enseignants démasqués
mer 16 Sep 2026
Souffrances pour l’Évangile
jeu 17 Sep 2026
Appel aux non-repentants
ven 18 Sep 2026
Réflexion avancée
sam 19 Sep 2026
Grâce, amour et communion

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (51)
  • juillet 2026 (61)
  • August 2026 (52)
  • septembre 2026 (49)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal