Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Miandry ary miasa

Date
Mardi 07 novembre 2023

Mifarana amin'ny flakaran'i Jesôsy tany an- danitra ny Lio. 24 (Lio. 24:50-53), kanefa tsy eo no mifarana ny tantara. Nanohy nanoratra ny bokin'ny Asan'ny Apôstôly ny mpanoratra (Lioka). Nialoha indrindra ny niakaran'i Jesosy nankany an-danitra dia nanome iraka ho an'ny mpianatra Izy, ary koa nanome azy ireo teny fikasana sy toromarika mba hiandry ny "hery avy any amin'ny avo" any Jerosalema (Lio. 24:49; jereo ihany koa Asa. 1:4-8).
Nanome toromarika ny mpianatra i Jesosy ny hitoeran'izy ireo any Jerosalema mandra- pahatanterany ny teny fikasany ny amin'ny hanirahany ilay Teny fikasan'ny Ray (ny) Fanahy Masina) izay hampahery azy ho tonga vavolombelona any Jerosalema, Jodia sy Samaria. ary hatramin'ny faran'ny tany.

Vakio ny Asa. 1:12-26. Inona no nataon'ireo mpianatra, lehilahy sy vehivavy niisa 120 teo ho eo, nandritra ny fotoana niandrasan'izy ireo?

Mazava ny iraka nampanaovin'i Jesosy an'ireo mpianatra: ny hahatonga azy ireo ho vavolombelony any amin'izao tontolo izao. Koa raha teo am-piandrasana izy ireo dia niomana ho amin'ny iraka nampanaovina azy tamin'ny fomba anankiroa. Voalohany, ambaran'i Lioka fa nanohy ny firaisan-tsaina tamin'ny fivavahana sy ny fitalahoana izy ireo. Tsy nisalasala ny amin'izay iraka nampanaovin'i Jesosy azy izy, ary samy nanaiky izany asa nanirahana azy izany. Izany no nandrisika azy ireo hiray saina amin'ny fivavahana. Tsy nambaran'i Lioka ny antom-bavak'izy ireo, kanefa azo antoka tokoa fa nangataka fahendrena sy tanjaka ary herim-po izy ireo mba hiarahany manatontosa ny iraka. Ohatra ho antsika tokoa izany!

Ny zavatra faharoa nataon'izy ireo teo am-piandrasana dia niomana ho amin'ny fandaminana ny fanatanterahana ny iraka. Namono tena i Jodasy rehefa avy nanolotra an'i Jesôsy hohomboana, nanjary nisy toerana banga araka izany teo amin'ireo mpianatra roa ambin'ny folo. Raha teo am-plandrasana ireo mpianatra dia nitady ny fitarihan'Andriamanitra ka nifidy izay ho solon'i Jodasy. Nifandamina ireo mpianatra ireo ary nanao ny drafitra momba ny fanombohana ny iraka nankinina taminy. I Petera no nitana ny toeran'ny mpitarika teo amin'ny fanapahana izany hevitra izany. Tsy nisy nanohitra ny zavatra nataony fa samy nahita izy rehetra fa nisy fahendren' Andriamanitra tao anatin'izany. Nahatakatra izy ireo ary natoky fa Andriamanitra no niditra an-tsehatra sy niasa teo anivony. Tsy nitomoe-poana izy ireo nandritra ny flandrasana fa nametraka tanjona sy nanao asa nifandraika tamin'ny iraka nampanaovina azy.

Raha ao am-piandrasana ny firotsahan'ny Fanahy Masina mba hanampy antsika hahatontosa ny iraka lehibe nankinin Andriamanitra tamintsika isika, dia tokony hiray saina ka hifampahery (Heb. 10:24, 25) ary hangataka ny Fanahy Masin'Andriamanitra. Tokony hampifanaraka ny laharam-pahamehantsika sy ny an'ny fiangonana amin'ny laharam- pahamehan'Andriamanitra isika, dia ny hamonjy ny very.

Ahoana no hianaranao miandry an'i Jehovah ary hihazona ny finoanao mandritra izany? Raha eo am-piandrasana, ahoana no ahafahanao mampiasa tsara ny fotoana tahaka izay nataon'ireo mpianatra?

Ecole Sabbat Semaine

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le

Ecole Sabbat S. dernière

sam 04 avr 2026
Connaitre Dieu
dim 05 avr 2026
Une image plus claire de Dieu
lun 06 avr 2026
Dieu est saint
mar 07 avr 2026
Dieu est amour
mer 08 avr 2026
Dieu dans la création
jeu 09 avr 2026
Emmanuel, Dieu avec nous
ven 10 avr 2026
Réflexion avancée
sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (26)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal