Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mijoro ho vavolombelona amin'ireo manam-pahaizana: Nikodemosy

Date
Mardi 28 novembre 2023

Lehilahy nanam-pahaizana i Nikodemosy. Ambaran'ny Baiboly fa mpanapaka tamin'ny Jiosy izy (Jao. 3:1). Nantsoin'i Jesosy hoe mpampianatra ny Isiraely izy (Jao. 3:10). Nahatakatra tsara ny Baiboly izy, ary nanana hetaheta ara-panahy lalina an'Andriamanitra. Raha araka ny fijerin'olombelona dia toy ny mpanara-dia an' Andriamanitra no fijery azy. Nitandrina ireo didy rehetra izy, ary mpitarika nohajaina fatratra teo amin'ny Jiosy. Nanam-pahefana sy nanan-karena izy. Maro no nihevitra ireo ho famantarana fa notahin' Andriamanitra io lehilahy io. Na izany aza dia hita fa fisehoana ivelany ihany ireo.

Vakio ny Jao. 3:1-12. Inona no ambaran'io tantara io momba ny zavatra ara-panahy nilain'i Nikodemosy sy ny namalin'i Jesôsy izany avy hatrany?

Rehefa nanatona an'i Jesôsy i Nikodemosy dia niezaka nihazona ny fisehoana ivelany izy, ny toerana nisy azy. Fantatr' Andriamanitra anefa ny fony. Tahaka izany koa, fantatr' Andriamanitra ny fo sy ny zavatra ilain'ireo mpanankarena sy manana ny maha-izy azy, na inona na inona toe-javatra misy azy ireo. Nanatona an'i Jesosy i Nikodemôsy satria nandresy lahatra azy ny fampianarany. Noho ny avonavony anefa dia tsy niaiky tanteraka ny maha- Tompo an'i Jesôsy Kristy izy; nitondra fiovana mandrakizay ho azy anefa io alina io. Na dia taorian'ny fahareseny lahatra ny maha-irak Andriamanitra an'i Jesosy aza, dia tsy mbola niaiky mivantana izy fa mpanara-dia an'i Jesôsy Kristy.

Vakio ny Jao. 7:43-52 sy ny Jao. 19:39. Inona no ambaran'ireo toko sy andininy ireo mikasika an'l Nikodemosy sy i Jesôsy?

Hitantsika ao amin'ireo andalan-teny ireo fa nitondra fiovana lehibe sy niharihary teo amin'i Nikodemosy i Jesôsy. Nitady ny fomba hiarovana an'i Jesosy izy raha velona i Jesôsy, ary nitady ny fomba hanomezam- boninahitra Azy taorian'ny nahafatesany. Tsy isalasalana fa nahakasika ny fon'i Nikodemosy i Jesosy; i Nikodemosy izay nila ny Mpamonjy ihany koa, tahaka antsika, na dia nanana fahalalana sy fahendrena noderaina fatratra aza.

Nahoana isika no tokony hitandrina momba ny fandrika ny amin'ny fieritreretana fa "manana ny fahamarinana" isika (ary Izany tokoa no izy) ka ampy hamonjena antsika ny fahalalana izany fahamarinana izany? Fanahy firifiry no ho very kanefa nanana fahalalana mihoatra noho ny ampy, eny na izay mahakasika ny hafatry ny anjely telo aza, dia izay tokony hahavonjy azy?

Ecole Sabbat Semaine

sam 30 mai 2026
La repentance et le pardon
dim 31 mai 2026
La ruée de la vie
lun 01 juin 2026
Les instructions du Saint-Esprit
mar 02 juin 2026
La véritable repentance
mer 03 juin 2026
Une grâce suffisante
jeu 04 juin 2026
Le vêtement le plus cher

Ecole Sabbat S. dernière

sam 23 mai 2026
Le péché, l’évangile et la loi
lun 25 mai 2026
Les points forts de ma relation avec Dieu
mer 27 mai 2026
La Loi et l’évangile
jeu 28 mai 2026
Le savoir et le faire
ven 29 mai 2026
Réflexion avancée
sam 30 mai 2026
La repentance et le pardon

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (55)
  • juillet 2025 (58)
  • August 2025 (61)
  • septembre 2025 (53)
  • octobre 2025 (59)
  • novembre 2025 (57)
  • décembre 2025 (47)
  • janvier 2026 (57)
  • février 2026 (56)
  • mars 2026 (55)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
  • Page suivante
Propulsé par Drupal