Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Misasa amin'ireo mpanankarena

Date
Mercredi 29 novembre 2023

Vakio ny Mat. 19:16-22. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'io tantara io, izay ahitana olona iray tsy nandray an'i Jesôsy, tsy tahaka an'i Nikôdemôsy?

Ny resaka nifanaovan'i Jesosy tamin'ilay tovolahy mpanankarena no maneho ny maha-fandrika mampidi-doza ny harena. Jereo ireto teny ireto: "Ary hoy Izaho aminareo indray: Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran 'ny mpanan-karena amin'ny fanjakan Andriamanitra."- Mat. 19:24. Mazava loatra fa tsy midika izany fa tsy ho voavonjy ny mpanankarena; tsy izany, fa raha toa tsy mitandrina ireny olona ireny dia ho sakana ho an'ny famonjena azy ny harenany.

Iray ihany no hiafaran'ny mahantra sy ny mpanankarena: ny fahafatesana. Midika izany fa ny mpanankarena dia mila fatratra ny famonjena tahaka ny olona rehetra. Na inona na inona azon'ny vola vidina, dia tsy mahavidy ny fanafahana antsika amin'ny fahafatesana izany. Fanomezana ihany no ahazoantsika izany fanafahana amin'ny fahafatesana izany, izay atolotr'i Jesosy maimaimpoana ho an'ireo mitaky azy amin'ny finoana. "Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray."- Jao. 11:25.

Vakio ny Lio. 19:1-10. Inona no maha-samy hafa lo tantara io amin'ny tantaran'ilay tovolahy mpanankarena?

Namaly an'i Jesôsy tamin'ny fomba tsy nataon'ilay tovolahy mpanankarena i Zakaiosy. Mariho fa tsy nilaza tamin'i Zakaiosy i Jesosy mba hivarotra ny fananany ka hanome ho an'ny mahantra, tahaka izay nataony tamin'ilay tovolahy mpanankarena. Azo antoka fa fantatr'i Jesosy fa niraiki-po tamin'ny volany ilay mpanapaka nanan- karena, izany no antony nilazany izay teny nataony taminy. Etsy andanin'izany, na dia tsy fantatsika aza ny zavatra rehetra noresahina raha tao an-tranon'i Zakaiosy i Jesôsy, dia hita miharihary fa resy lahatr'i Jesôsy izy ary fantany fa nilainy ny hanova zavatra maromaro teo amin'ny fiainany, indrindra izay nahakasika ny harenany.

"Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?"- Mat. 16:26. Inona no tian'ireo teny Ireo hambara amintsika rehetra?

Ecole Sabbat Semaine

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense

Ecole Sabbat S. dernière

sam 04 avr 2026
Connaitre Dieu
dim 05 avr 2026
Une image plus claire de Dieu
lun 06 avr 2026
Dieu est saint
mar 07 avr 2026
Dieu est amour
mer 08 avr 2026
Dieu dans la création
jeu 09 avr 2026
Emmanuel, Dieu avec nous
ven 10 avr 2026
Réflexion avancée
sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal