Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

NY FAHAFATESANA AO AMIN'NY TESTAMENTA TALOHA

Date
Vendredi 03 mai 2024

Vakio ny Sal. 6:5; Sal. 115:17; 1 Mpanj. 2:10; 1 Mpanj. 11:43 ary ny 1 Mpanj. 14:20. Inona no ampianarin ireo andininy ireo momba ny toetry ny maty?

Tsy mampianatra ny amin'ny tsy fahafatesan'ny fanahy ny Testamenta Taloha. Tsy mampianatra koa izany fa aorian'ny fahafatesana dia miakatra ho any amin'ny fahasambaran'ny lanitra mandrakizay ireo mpino, na aorian'ny fahafatesana dia midina. any am i amin'ny helo izay handorana azy mandrakizay n ny tsy mpino. Ampianany antsika fa torimaso ny fahafatesana. Ny bokin'ny Mpanjaka dia mampiasa ny teny hoe "Iasa nodi-mandry (matory) any amin'ny razany" mba hanondroana ny fahafatesan'ny patriarika. Ny mpanao Salamo dia miantso izany ho "torimaso fahafatesana" (Sal. 13:3, ampitahao amin'ny Sal. 90:5). Miresaka mikasika ny fahafatesana i Jesôsy ka milaza momba ny tsy fifohazana amin'ny torimaso (Joba 14:12). Manampy izany ny mpanao Salamo manao hoe: "Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin'ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha."- Sal. 17:15. Rehefa resy sy rava ny tafika asirianina dia nantsoina hoe "torimaso farany" (Sal. 76:6 dikanteny CJB) ny fahafatesan'ireo miaramila. Tsy foto-kevitra ara-Baiboly mihitsy ny hevitra milaza fa ny maty dia fanahy tsy misy vatana izay mivezivezy manodidina ny velona mba hifandray amin'izy ireo, fanompoan-tsampy tsy misy fangarony izany. Mametraka antsika ho hazan'ny famitahan'i Satana ny tsy fahatakarana ny fahamarinana momba ny maty. "Maro no hifanandrina amin'ny fanahin'ny demonia izay haka ny endriky ny havana aman-tsakaiza ary hanambara fampianaran-diso faran'izay mampidi-doza. Hanohina ny fitiavantsika mamy indrindra ireo ka hanao fahagagana hanohanany ny zavatra hihamboany. Tsy maintsy ho vonona hanohitra ireny amin'ny fahamarinan'ny Baiboly izay milaza fa ny maty tsy mahalala na inona na inona isika, koa ny angatra izany dia tsy maintsy ho fanahin'ny demonia." — HM, t. 584.

Vakio ny Dan. 12:2 sy ny Joba 19:25, 26. Inona ireo teboka momba ny toetry ny maty amin'ireo andininy ireo?

Ny fahafatesana dia fialan-tsasatra ao amin'ny torimaso mandra-pahatonga ny fitsanganana amin'ny maty. Tsy misy ny fanahy tsy manam-batana izay mihelohelo mba hifandray amin'ny velona. Raha nino ny tontolon'ny fanahy ny mpanompo sampy, ny Isiraelita kosa dia nihevitra ny fahafatesana ho toy ny torimaso mandra-pahatonga ny marainan'ny fitsanganana amin'ny maty. Na dia misaona ny maty aza isika dia saino ny amin'ireo maty ao amin'i Kristy: manakimpy ny masony ao amin'ny fahafatesana izy ireo ary na ahoana na ahoana halavam-potoana mandra-pahatonga ny fiavian'i Jesôsy , ny zavatra hitany manaraka dia ny fiavian'i Jesôsy fanindroany. Ny eritreritra voalohany mety hananan'izy ireo amin'ny fitsanganana amin'ny maty dia hoe: "Tanteraka, ary tsy ela tokoa ny fiverenan'i Jesôsy!" 

Ecole Sabbat Semaine

sam 17 mai 2025
Dans les Psaumes: 1re partie
dim 18 mai 2025
Notre souverain Sacrificateur
lun 19 mai 2025
Sur la montagne de Sion
mar 20 mai 2025
La loi dans nos cœurs
mer 21 mai 2025
Psaume 5
jeu 22 mai 2025
Enseigne aux transgresseurs tes voies
ven 23 mai 2025
Réflexion avancée
sam 24 mai 2025
Dans les Psaumes: 2e partie

Ecole Sabbat S. dernière

sam 10 mai 2025
Les fondements de la prophétie
dim 11 mai 2025
Me voici, envoie-moi
lun 12 mai 2025
Les deux chérubins
mar 13 mai 2025
Comme des charbons ardents
mer 14 mai 2025
Dieu parmi Son peuple
jeu 15 mai 2025
La chute de Lucifer
ven 16 mai 2025
Réflexion avancée
sam 17 mai 2025
Dans les Psaumes: 1re partie

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal