Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fomba fiasan'i Jesôsy sy ny valinteniny

Date
Lundi 13 novembre 2023

Ambaran'ny Baiboly fa tonga haka fanahy an'i Jesosy ilay mpahay lalàna, fantatr'i Jesosy tsara ny tanjony. Fantatr' Andriamanitra tokoa ny faniriana lalina ao am-pontsika, mihoatra noho ny fahafantarantsika izany aza. Ary azo antoka fa tsy fantatsika izay ao am-pon'ireo manontany antsika sy ny antony manosika azy hanao izany, sa tsy izany?

Manontany antsika mikasika ny finoantsika indraindray ireo olona any amin'ny fiangonana hafa. Ireo namantsika Silamo ohatra dia mametra-panontaniana momba ny maha- Andriamanitra an'i Jesôsy, toy ny hoe: "aiza ao amin'ny Baiboly no milaza fa Andriamanitra i Jesôsy?" na koa hoe "nahoana ianareo no milaza fa iray ihany Andriamanitra kanefa ambaranareo fa misy Persona telo ao amin' Andriamanitra telo izay iray?" Mety hahatezitra ireny fanontaniana ireny kanefa mety ho vokatry ny fo tokoa no ilan'ireny olona ireny an'i Jesosy, ary maneho ny faniriana lalina na koa ny fahabangana ao anatiny izany. Tsy fantatsika izay ao am-ponizy ireny, ary tsy ilaintsika hofantarina izany fa ny tokony hataontsika dia ny hiasa amin'ny hafa araka izay azo atao indrindra, na inona na inona antony manosika azy ireo hametra- panontaniana.

Vakio ny Mat. 26:56; Asa. 17:11; 1 Kor. 15:3 ary ny 2 Tim. 3:16. Ahoana no anampian'ireo toko sy andininy ireo antsika hahatakatra ny valin-tenin'i Jesôsy tamin'llay mpahay lalana ao amin'ny Lio. 10:26?

Mila valinteny isika indraindray kanefa tsy manao ezaka mba hahita izany. Hoy i Jesôsy: "Inona no voasoratra ao amin'ny lalana? Manao ahoana no famakinao azy!"- Lio. 10:26. Nanondro lafiny iray amin'ny fianarana izay manan-danja tokoa i Jesôsy. Tsy ampy ny mihaino fotsiny izay ambaran'ny hafa amintsika fa tokony hamaky ny Soratra Masina (ny Tenin' Andriamanitra) ho an'ny tenantsika isika. Efa ao amin'ny Soratra Masina ny valinteny, ary miasa ao am-pontsika ny Fanahy Masina mba hahatakarantsika izay tokony hatao.

Nomen' Andriamanitra antsika ny Teniny. Ao amin'izany no ahitantsika ny fahamarinana rehetra izay ilaina hofantarina mikasika ny tokony ho fomba flainantsika, ny tokony hataontsika amin'ny hafa, ary ny fomba hahazoantsika "mandova ny fiainana mandrakizay". Manana ny anjara asany tokoa ny mpampianatra sy ny mpitandrina, kanefa tsy maintsy mankeo amin'ny Baiboly isika hahalalantsika ireo fahamarinana tena manan-danja. "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao."- Sal. 119:105. Tsy tononkalo fotsiny ihany io andalan-teny io fa fahamarinana masina koa, izay mampitodika antsika amin'ny Tenin' Andriamanitra sy ny maha-zava- dehibe izany ho an'ny mpino.

Nampiverina ny olona ho amin'ny Teny Voasoratra mandrakariva i Jesôsy, llay Tenin'Andriamanitra tonga nofo. Inona no tokony hambaran'izany momba ny lanjan'ny Baiboly sy ny antony tokony handavantsika ny fomba fisainana ara-pilozofia sy ara-teôlôjia izay mampihena ny fitokiantsika amin'ny Baiboly?

Ecole Sabbat Semaine

sam 30 mai 2026
La repentance et le pardon
dim 31 mai 2026
La ruée de la vie
lun 01 juin 2026
Les instructions du Saint-Esprit
mar 02 juin 2026
La véritable repentance
mer 03 juin 2026
Une grâce suffisante
jeu 04 juin 2026
Le vêtement le plus cher
ven 05 juin 2026
Réflexion avancée
sam 06 juin 2026
Les revers

Ecole Sabbat S. dernière

sam 23 mai 2026
Le péché, l’évangile et la loi
lun 25 mai 2026
Les points forts de ma relation avec Dieu
mer 27 mai 2026
La Loi et l’évangile
jeu 28 mai 2026
Le savoir et le faire
ven 29 mai 2026
Réflexion avancée
sam 30 mai 2026
La repentance et le pardon

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (12)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal