Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Sary maneho ny fiangonana voalohany

Date
Jeudi 09 novembre 2023

Vakio ny Asa. 2:41-47. Inona ny sary maneho ny flangonana voalohany hita eto?

Sary mahafinaritra no namaranan'ny Asa. 2 ny endriky ny fiangonana voalohany. Ambaran'ny Asa. 2:41 fa ireo izay natao batisa dia "nanampy ho isany". Rehefa mamaky izany isika dia mahita fa nisy olona nanao asamarika ka nanampy ny isan'ny mpino vaovao tamin'ny isan'ireo mpino efa tao ary namoaka ny tôntalin'ny mambra rehetra. Fahatakarana ivelambelany ihany anefa izany, fa miafina ao ambadik'ireo teny ireo izao hevitra izao: tonga isan'ilay vondrona ireo mpino vaovao.

Tamin'izany fotoana izany, ny tena. asan'ny flangonana kristianina voalohany dia ny hanao ny hafa ho mpianatra. Ary satria nisy ireo mambra vaovao nanampy isa azy ireo dia nofanina ho mpianatra tamin'ny fomba telo izy ireo. Voalohany, notohizana ny fampianarana azy tamin'ny alalan'ny fampianaran'ny apóstoly sy ny firahalahiana. Ny teny hoe "fampianarana" sy "firahalahiana" ao amin'ity lahatsoratra ity dia manana heviny ara-bakiteny mihitsy hoe: "torolalana" sy "fiarahana miasa". Nanohitra ireo finoan-diso ny toritenin'ny apostoly ary nanolotra fanazavana vaovao mikasika izay hitan'ny olona sy ny fanandramana niainany. Tsy nampianatra azy ny fampiharana ireo fahamarinana ireo teo amin'ny fiainany anefa izany. Tao anatin'ny fifandraisana teo anivon'ilay vondrona no nahitana ny fampiharana izany.

Nampianarina tamim-pitandremana sy tamim-piahiana fatratra tamin'ny alalan'ny fampianarana mivantana ireo mpino vaovao, teo ihany koa ny fiaraha-miaina tamin'ireo mpino hafa, izany rehetra izany dia teo ambany fiahiana sy fitarihanireo apóstôly matotra ara-panahy sy efa niorina tsara.

Tsy feno ny toriteny raha toa milaza amin'ny olona ny zavatra tokony hataony saingy tsy milaza ny fomba anaovana izany. Na dia mamaky boky maro misy torolalana momba ny fampiharana aza anefa ny olona iray, na koa mihaino toriteny izay manazava ny fomba fanaovan-javatra, dia tsy misy mahasolo ny fahitana ny olona manao fampiharana sy ny fakana tahaka azy ireo. Fantatr'i Paoly izany ary nanome torolalana ireo mpanara-dia azy izy mba hanahaka azy tahaka ny nanahafany an'i Jesôsy (1 Kôr. 11:1). Rehefa mijery anao sy mahita ny fanandramana tena izy iainanao miaraka amin'i Kristy ny hafa dia hisy fiantraikany amin'izy ireo izany.

Fanamby: Eritrereto ny olona iray eo amin'ny flainanao izay irinao ho tonga mpino. Mivavaha ho azy isan'andro mba hananany fanandramana manokana miaraka amin'i Jesôsy.

Manaova fihaikana: Iza no ampianarinao sy tarihinao hanana fifandraisana amin'i Jesôsy? Mitadiava fomba hanampiana azy hanana fifandraisana ara-pirahalahiana amin'ireo mpino hafa.

Ecole Sabbat Semaine

sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire
dim 14 Sep 2025
La tente d'assignation
lun 15 Sep 2025
Alors je te connaitrai

Ecole Sabbat S. dernière

sam 06 Sep 2025
Apostasie et intercession
dim 07 Sep 2025
Une autorité en crise
lun 08 Sep 2025
L’idolâtrie et le mal
mar 09 Sep 2025
Se corrompre
mer 10 Sep 2025
La colère juste de Dieu
jeu 11 Sep 2025
L’intercession
ven 12 Sep 2025
Réflexion avancée
sam 13 Sep 2025
Fais-moi voir Ta gloire

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal