Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Sary maneho ny fiangonana voalohany

Date
Jeudi 09 novembre 2023

Vakio ny Asa. 2:41-47. Inona ny sary maneho ny flangonana voalohany hita eto?

Sary mahafinaritra no namaranan'ny Asa. 2 ny endriky ny fiangonana voalohany. Ambaran'ny Asa. 2:41 fa ireo izay natao batisa dia "nanampy ho isany". Rehefa mamaky izany isika dia mahita fa nisy olona nanao asamarika ka nanampy ny isan'ny mpino vaovao tamin'ny isan'ireo mpino efa tao ary namoaka ny tôntalin'ny mambra rehetra. Fahatakarana ivelambelany ihany anefa izany, fa miafina ao ambadik'ireo teny ireo izao hevitra izao: tonga isan'ilay vondrona ireo mpino vaovao.

Tamin'izany fotoana izany, ny tena. asan'ny flangonana kristianina voalohany dia ny hanao ny hafa ho mpianatra. Ary satria nisy ireo mambra vaovao nanampy isa azy ireo dia nofanina ho mpianatra tamin'ny fomba telo izy ireo. Voalohany, notohizana ny fampianarana azy tamin'ny alalan'ny fampianaran'ny apóstoly sy ny firahalahiana. Ny teny hoe "fampianarana" sy "firahalahiana" ao amin'ity lahatsoratra ity dia manana heviny ara-bakiteny mihitsy hoe: "torolalana" sy "fiarahana miasa". Nanohitra ireo finoan-diso ny toritenin'ny apostoly ary nanolotra fanazavana vaovao mikasika izay hitan'ny olona sy ny fanandramana niainany. Tsy nampianatra azy ny fampiharana ireo fahamarinana ireo teo amin'ny fiainany anefa izany. Tao anatin'ny fifandraisana teo anivon'ilay vondrona no nahitana ny fampiharana izany.

Nampianarina tamim-pitandremana sy tamim-piahiana fatratra tamin'ny alalan'ny fampianarana mivantana ireo mpino vaovao, teo ihany koa ny fiaraha-miaina tamin'ireo mpino hafa, izany rehetra izany dia teo ambany fiahiana sy fitarihanireo apóstôly matotra ara-panahy sy efa niorina tsara.

Tsy feno ny toriteny raha toa milaza amin'ny olona ny zavatra tokony hataony saingy tsy milaza ny fomba anaovana izany. Na dia mamaky boky maro misy torolalana momba ny fampiharana aza anefa ny olona iray, na koa mihaino toriteny izay manazava ny fomba fanaovan-javatra, dia tsy misy mahasolo ny fahitana ny olona manao fampiharana sy ny fakana tahaka azy ireo. Fantatr'i Paoly izany ary nanome torolalana ireo mpanara-dia azy izy mba hanahaka azy tahaka ny nanahafany an'i Jesôsy (1 Kôr. 11:1). Rehefa mijery anao sy mahita ny fanandramana tena izy iainanao miaraka amin'i Kristy ny hafa dia hisy fiantraikany amin'izy ireo izany.

Fanamby: Eritrereto ny olona iray eo amin'ny flainanao izay irinao ho tonga mpino. Mivavaha ho azy isan'andro mba hananany fanandramana manokana miaraka amin'i Jesôsy.

Manaova fihaikana: Iza no ampianarinao sy tarihinao hanana fifandraisana amin'i Jesôsy? Mitadiava fomba hanampiana azy hanana fifandraisana ara-pirahalahiana amin'ireo mpino hafa.

Ecole Sabbat Semaine

sam 30 mai 2026
La repentance et le pardon
dim 31 mai 2026
La ruée de la vie
lun 01 juin 2026
Les instructions du Saint-Esprit
mar 02 juin 2026
La véritable repentance
mer 03 juin 2026
Une grâce suffisante
jeu 04 juin 2026
Le vêtement le plus cher
ven 05 juin 2026
Réflexion avancée
sam 06 juin 2026
Les revers

Ecole Sabbat S. dernière

sam 23 mai 2026
Le péché, l’évangile et la loi
lun 25 mai 2026
Les points forts de ma relation avec Dieu
mer 27 mai 2026
La Loi et l’évangile
jeu 28 mai 2026
Le savoir et le faire
ven 29 mai 2026
Réflexion avancée
sam 30 mai 2026
La repentance et le pardon

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (12)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal