Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fialan-tsiny 3: ny fahasahiranana

Date
Mardi 31 octobre 2023

Fanehoana mahagaga ny fitiavana sy ny fahasoavan'Andriamanitra ny fanandraman'i Jônà tao an-kibon'ny hazandrano (jereo Jônà 2),  ary ny vavaka nataon'i Jônà dia manambara fa voarainy tsara ny hafa-pitiavana avy amin'Andriamanitra. Kanefa ny fomba tsy mampino nihaonany tamin'Andriamanitra dia tsy midika fa hiova mora foana ny fomba fisainany sy ny toetra nahazatra azy fahiny, na dia nankany Ninive ihany aza izy nony farany. 

Vakio ny Jônà 3. Inona no nasetrin'ny vahoaka ny fitoriana nataon'i Jônà? Inona no lesona ho antsika eto mikasika ny asa fitoriana?

Na inona na inona tsy fitiavan'i Jônà ireo Ninivita dia nitory tamin'izy ireo izay nasain'Andriamanitra notoriny ihany izy, ary nanaitra tokoa ny vokatr'izany. Voataona hibebaka ny Ninivita! Zava-tsarotra maro no nandalovan'i Jônà mba hahatanteraka ity zavatra tsy tiany natao ity, fa rehefa vitany kosa izany, dia nomem-boninahitra Andriamanitra. Araka izany dia tanterahina amin'ny alalan'ireo olona manana fahafoizan-tena ny asan'Andriamanitra, na dia be fisalasalana ary izy ireo. Manana ny fihevitsika isika, saingy tsy maintsy ampileferintsika amin'ny laharam-pahamehan'Andriamanitra izany, dia ny famonjena ny very. Indraindray isika manana hevitra mibahana mialoha, tahaka an'i Jônà, izay manakana antsika tsy hanatona olona na vondron'olona iray. 

Mitaky fanetren-tena ny fialana amin'ireny hevitra mibahana mialoha ao antsaintsika ireny. Mitaky fotoana sy tanjaka ara-pihetseham-po koa ny famitana iraka. Mety hahasasatra tokoa ny manolo-tena ho an'ny hafa sy mikarakara azy reny marina. Amin'ny fotoana izay mahasahiran-tsaina antsika amin'ny fiainana sy ny olantsika, dia toa mahahavalaka tokoa ny fanohanana ny hafa ara-pihetseham-po. 

Ary farany, ny fanatanterahana iraka dia matetika mitaky ny fanovana ny fomba fijerintsika momba ny vola sy ny fampiasantsika azy. Misy vola lany mandrakariva amin'ny famitana iraka, na fikarakarana olona izany, na fanomezana boky na fitaovana hafa fanaovana fitoriana, na fanampiana na fiatoana amin'ny asa mba hahazoana fotoana hanaovana asa misiônera. Na manao ahoana na manao ahoana endrika isehoan'ny asa misiônera dia mitaky fahafoizana izany. 

Ny vaovao mahafaly dia izao: na teo aza ny tsy fahatanterahan'i Jônà dia niasa mahery Andriamanitra tamin'ny fitaomana ny Ninivita ho amin'ny fibebahana. Indrisy fa tsy mba niombom-pifaliana tamin'ny lanitra i Jônà tamin'izany.

Inona no asain'Andriamanitra afoinao, na tiany hafoinao, mba hahazoanao mizara ny fitiavany amin'ny olona hafa? Tana matoky Azy ve ianao fa ho tanterahiny tokoa ny teny fikasana hampanankarena ny fiainanao noho hy fahafoizanao?

Ecole Sabbat Semaine

sam 05 Juil 2025
Le buisson ardent
dim 06 Juil 2025
Le buisson ardent
lun 07 Juil 2025
L'ange de l'Éternel
mar 08 Juil 2025
Le Nom de l'Éternel
mer 09 Juil 2025
Quatre excuses
jeu 10 Juil 2025
La circoncision
ven 11 Juil 2025
Réflexion avancée
sam 12 Juil 2025
Un début difficile

Ecole Sabbat S. dernière

jeu 03 Juil 2025
Un changement de plans
ven 04 Juil 2025
Réflexion avancée
sam 05 Juil 2025
Le buisson ardent

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal