Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Date
Samedi 30 mai 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Isa. 61:10; Hôs. 6; Asa. 3:18,19; Eks. 34:1-10; Rôm. 6:23; Mat. 22:1-14.  


Tsianjery: "Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra." — 1 Jao. 1:9. 
 

Toa mbola lavitra ny Tany Nampanantenaina ny Isiraelita, izay nitoby teo ambanininy andry rahona teo amin'ny tany lemaka. Efa niakatra tao amin'ilay aizim-pito, izay nanarona ny tampon'ilay tendrombohitra andro maro izay, i Mosesy. Araka ny fihevitr'izy ireo dia azo antoka fa efa maty izay ilay mpitarika azy ireo; raha tsy matin'ny hanoanana dia angamba matin'ilay afo mandevona teo an-tampon-tendrombohitra.

Tsy tafandry mandry ilay vahoaka feno olona, maro samy hafa firenena (ny lsiraelita niaraka tamin'ireo izay niara-niala taminy tany Egypta nandritra ny Eksôdôsy), vonona ny hiroso ho any amin'ilay tany tondro-dronono sy tantely. Na vao andro vitsy aza ireto olona ireto no nanao fanekena masina tamin'Andriamanitra fa hankato Azy, dia nitaky hanana sary hitan'ny masony izy ireo izao. Koa dia nivory nanodidina ny tranolain'i Arona izy ireo ary nitaky ny hanamboarana sampy ho azy ireo. Noho ny fanahiany momba ny ainy, dia nanaiky i Arona. Hitantsika ao amin'ny Eks. 32-34 ny fizotrizany tantara mampalahelo izany.

Iray monja amin'ireo tantara mampianatra antsika momba ny fibebahana sy ny famelan-keloka ao amin'ny Soratra Masina io tantara io, izay lohahevitry ny lesona mandritra ity herinandro ity. 

Ataovy an-tsainao ny hevitra fototra ao amin'ny tsianjery eo am-pandinihanao ny lesona isan'andro. Eny, manota isika, saingy noho ny fahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana sy ny drafi-pamonjena, dia misy ny famelan-keloka ho an'ny mpanota izay miaiky ny helony amim-pahatsoram-po sy mibebaka. 

Ecole Sabbat Semaine

sam 20 juin 2026
Dans l’éternité
dim 21 juin 2026
Vivre aujourd’hui
lun 22 juin 2026
Enfin, face à face
mar 23 juin 2026
L’épouse
mer 24 juin 2026
Suivre l’Agneau
jeu 25 juin 2026
« Venez! »

Ecole Sabbat S. dernière

sam 13 juin 2026
Le faire connaitre
dim 14 juin 2026
Ce qui déborde du cœur
lun 15 juin 2026
Sans contrainte mais avec puissance
mer 17 juin 2026
Un enfant égaré
jeu 18 juin 2026
Ramenez-les
ven 19 juin 2026
Réflexion avancée
sam 20 juin 2026
Dans l’éternité

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal