Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Manomboka eo amin'ny toerana misy anao

Date
Jeudi 19 octobre 2023

Vakio ny Asa. l:8. Inona ny foto-kevitra nasehon'i Jesôsy mikasika ny fanaovana asa fitoriana na fijoroana ho fafolombelona amin'izao tontolo izao?

Maneho amintsika ny tokony ho fomba fiasantsika amin'ny maha-mpianatr'i Kristy antsika, izay natao hizara ny vaovao mahafaly amin'ny hafa, io foto-kevitra napetrak'i Jesôsy io.

Tsy fandresena lahatra ny hafa ny amin'ny fahadisoany no atao hoe mitory ny fahamarinana fa ny mitory an'i Jesôsy araka ny anoritsoritana Azy ao amin'ny hafatry ny anjely telo ao amin'ny Apôk. 14:6-12.

Kanefa misy fitsipika vitsivitsy ihany ambaran'i Jesôsy ao amin'ny Asa. 1:8. Voalohany, "hianareo (...) ho vavolombeloko any Jerosalema". Araka ny efa hitantsika (kanefa tsara ny mamerina izany), dia natao ho vavolombelony eo amin'ny toeram-ponenantsika isika. Mety ho ny tokantranontsika izany, ny fiangonana, ny mpifanolo-bodirindrina amintsika, ary ny fiarahamonina misy antsika.

Eo amin'nï toerana misy antsika isika no tokony ho vavolombelony voalohany indrindra, eo amin'ny toerana izay nametrahany antsika - ny ankohonana na ny toeram-piasana - ary eo amin'ireo olona izay akaiky antsika indrindra. Mety ho fianakaviana akaiky na lavitra izany, mpiara-mivavaka, mpiara-miasa, mifanolobodirindrina, na mpiray monina.

Indraindray, mba ho vavolombelona ny Tompo, dia ny mandeha any an-tany lavitra sy hafa kolontsaina no mahaliana ny olona, fa tsy mba mijoro ho vavolombelona amin'izay manodidina azy ankehitriny izy ireo. Eo amin'izay misy antsika no tokony hanombohantsika, ary avy eo isika no miainga, araka izay itarihan'ny Tompo antsika.

Manaraka izany, "eran'i Jodia ry Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany" - Asa. 1:8. Ambaran'i Jesôsy eto indray fa eo amin'ny asa fitoriana dia natao hihoarana koa ny sakana ara-kolontsaina. Raha nanomboka teo amin'ny toerana misy antsika isika dia mety ho voantso handeha any amin'ny faritra hafa mba hanatratra fiarahamonina, foko, ary antoko mpivavahana samihafa. Ho mora kokoa amintsika ny mitory amin'ny olona iray foko sy fiteny amintsika satria kely ny mety ho sakana ara-kolontsaina amin'izany. Ankoatra izany, amin'ny faritra sasany eto amin'izao tontolo izao dia tsy misy afa-tsy vondron'olona iray foko sy iray fiaviana no mandrafitra ny fiangonana. Kanefa, araka ny iraka lehibe asain'i Jesôsy tanterahintsika amin'ny maha vavolombelona antsika, dia ilaina tokoa ny hialantsika amin'ny toerana mahazatra sy mampiadana antsika, ka hikelezantsika aina ho an'ireny vondron'olona hafa ireny. Mila mandre ny hafatr'i Jesôsy koa mantsy izy ireo.

Fanamby: Fantaro ary ataovy lisitra ireo vondron'olona mila fanampiana manokana eo amin'ny fiarahamoninao, izay tsy mbola nezahin'ny fiangonana notratrarina.

Manaova fihaikana: Mivavaha manomboka izao mba hahafahanao mandray anjara tsy ho ela amin'ny famitana iraka amin'ireo olona mila fanampiana manokana ireo.

Ecole Sabbat Semaine

sam 24 oct 2026
Révélation et inspiration
dim 25 oct 2026
Révélation générale et révélation spéciale
dim 25 oct 2026
Révélation générale et révélation spéciale

Ecole Sabbat S. dernière

sam 17 oct 2026
Les prophètes du Nouveau Testament
dim 18 oct 2026
Jésus en tant que prophète
lun 19 oct 2026
Apôtres et prophètes
mar 20 oct 2026
Fonctions des prophètes du Nouveau Testament
mer 21 oct 2026
Prophétesses et jeunes collaborateurs pastoraux
jeu 22 oct 2026
Les faux prophètes dans le Nouveau Testament
ven 23 oct 2026
Garder Jésus et Sa Parole au centre
sam 24 oct 2026
Révélation et inspiration

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal