Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny antso natao tamin'i abrahama

Date
Mardi 17 octobre 2023

Araka ny antson'Andriamanitra dia nidiha tao amin'ilay tany nasain' Andriamanitra nalehany i Abrahama. Vao tany am-piandohana anefa dia toa ratsy ny fandehan-javatra ho azy, Tonga tany amin'ilay toerana nolazain'Andriamanitra tokoa izy, saingy araka ny Baiboly, "ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay" - Gen. 12:6 - dia mpanompo sampy nalaza noho ny halozany sy ny herisetrany. Tsy mahagaga raha niseho tamin'i Abrahama Andriamanitra raha vantany vao tonga tao izy, ka nanao hoe: "Ny taranakao no homeko ity tany ity." - Gen. l2:7. Azo antoka fa nilain'i Abrahama izany fampaherezana izany.

Na izany aza dia mbola tsy tsara ihany ny toe-javatra niainany, farafahakeliny tamin'ny voalohany. 

Vokio ny Gen. l2:t0-13:1. Inona ny zova -nitranga taminy manaraka? Inona ny fahadisoana nataon'ity lehilahin'Andriamanitira ity ? 

Inoana fa mahakivy tokoa izanv hoe mandao ny tanin'ny tena izany, izay nahitana fiadanana sy fanambinana, mba handeha any amin'ny toerana izay "tsy fantatra" (Heb. 11:8). Ny mosary no nitsena azy voalohany! Mafy tokoa izany mosary izany hany ka voatery niala tamin'ilay toerana nasain'Andriamanitra nipetrahany izy ka nandeha tany an-toeran-kafa.

"Nandritra ny nitoerany tany Egipta, dia hita fa voan'ny fakam-panahy sy tratran' ny fahalemena mpahazo ny lombelona Abrahama. Nampiseho ny tsy fahampian'ny fahatokiany izy tamin'ny natahorany hilaza an'i Saray hoe vadiny; semban-drahona ny finoana sy ny herim-panahy hita teo amin'ny fiainany. (...) Izany tsy fahampiam-pinoana izany dia saika nampidi-doza an'i Saraha, fa rehefa nahare ny amin'ny hatsaran-tarehiny ny mpanjakan'i Egipta, dia nampaka azy, ary nikasa haka azy ho vadiny. Fa Andriamanitra namely ny ankohonan'i Farao ka niaro ny vadin'ilay patriarka." - PM, t. 110,111, (ed 2014).

Tsy misy milaza tsy akory fa mora ny asa misiônera, ary ny lainga sy ny fitaka nataon'i Abrahama dia mainka koa nanimba zavatra. Soa ihany fa feno faharetana Andriamanitra ka tsy nolaviny ilay mpanompony noho ny fahadisoany. Indrisy anefa fa tsy io ihany no fahadisoana vitany. Mampahery tokoa ny mahafantatra fa na eo aza ny hadisoantsika, raha mifikitra amin'ny Tompo amim-pinoana sy fileferana isika, tahaka an'i Abrahama, dia tsy vitan'ny voavela ireo heloka amam-pahadisoantsika, fa mbola azon'ny Tompo ampiasaina koa isika hamita iraka.

Inona avy ny lesona azontsika tsoahina avy amin'io tantaran'i Abrahama tao Egipta io?

Ecole Sabbat Semaine

sam 08 nov 2025
Loyauté ultime: adorer dans une zone de guerre
dim 09 nov 2025
L’alliance d’abord
lun 10 nov 2025
La pâque
mer 12 nov 2025
Écrit sur des pierres
jeu 13 nov 2025
Le désir ardent de Sa présence
ven 14 nov 2025
Réflexion avancée
sam 15 nov 2025
Les géants de la foi: Josué et Caleb

Ecole Sabbat S. dernière

sam 01 nov 2025
L’ennemi intérieur
dim 02 nov 2025
La violation de l’alliance
lun 03 nov 2025
Le péché d’Acan
mar 04 nov 2025
Des choix fatidiques
mer 05 nov 2025
La porte de l’espoir
jeu 06 nov 2025
Témoin de la puissance de Dieu
ven 07 nov 2025
Réflexion avancée
sam 08 nov 2025
Loyauté ultime: adorer dans une zone de guerre

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal