Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mandà ny fandrik’i Satana

Date
Samedi 05 septembre 2026

Hoy Jesosy taminy: Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an'i Jehovah Andriamanitrao. » - Mat. 4:7.

Mofon’aina:
Aoka ny rehetra hahatsiaro ny fomba feno hafetsena nandidian'i Satana an'i Kristy hianjera avy eo an-tampon'ny tempoly, ka nilazany teny avy ao amin'ny Soratra Masina mba hanehoana amin'i Jesosy fa izany indrindra no tokony hataony, satria amin'izany no hahafahany manaporofo amin'ny olona rehetra fa araka izay efa nambarany ho Izy tokoa ny Tenany (Mat. 4:6, Sal. 91:11,12).

Teo am-panononana ny Soratra Masina, dia nisy teboka iray tena manan-danja ninian'i Satana tsy no lazaina: " (..) hiaro anao eny amin 'izay rehetra alehanao" - Sal. 91:11. Raha nanaiky hanao ny sitrapon'i Satana i Kristy, dia ho niditra teo amin'ny lalan' i Satana, fa tsy ny lalana izay nomanin'Andriamanitra ho an'ny Zanany. Mampiasa fihaikana sy manesika ny olona ho sahisahy foana ireo mpanompon'i Satana mba hahitana hirika hanatanterahana ny sitrapony amin'izay manaiky ny fihaikany. I Kristy kosa tsy nanaiky. Tsy nett' nifandahatra tamin'ilay mpamitaka sy mpaka fanahy lehibe i Kristy. Hoy Izy: "Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an 'i Jehovah Andriamanitrao. " (...)

Ny anjely, amin'ny maha-fanahy manompo azy, dia eny amin'ny lalana rehetra izay iantsoan'ny adidy ireo handova ny famonjena, ary Andriamanitra hiaro azy ireo amin'ny ratsy rehetra. Fa rehefa nanoritra lalana ho an'ny tenany i Satana, (...) dia tsy mahazo mandeha amin'izany lalana izany i Kristy. Tsy maintsy mihazona ny tongony eo amin'ny lalana izay efa nosoritan'ny Tompo Izy. Araka izany, nanome ohatra i Kristy, tao amin'ny maha-olombelona Azy, ny amin'izay tokony hataon'ny olona rehefa alaim-panahy hanaraka ny soso-kevitr' i Satana izy.

Tsy azontsika atao na oviana na oviana ny manaiky fihaikana mba hanaporofoana ny marina eo anatrehan'ny olona izay tarihin'ny fanahin'i Satana hanao soso-kevitra tsy avy amin'Andriamanitra; satria amin'izany fomba izany no hitarihan'i Satana antsika hiala tsy ho eo ambany fitantanan'Andriamanitra sy hametraka ny tenantsika eo amin'ny toerana izay mety handresen'ny fahavalo antsika, ka ho tratry ny fahavoazana isika, ary ny asan'Andriamanitra ho simba. Ny hany fiarovana ho antsika dia ny miambina isan'andro sy isan'ora. — L, 96, 1900.

Ecole Sabbat Semaine

sam 29 Aoû 2026
Un ministère chrétien authentique
dim 30 Aoû 2026
Les fruits d’un ministère authentique
lun 31 Aoû 2026
Souffrance et gloire
mar 01 Sep 2026
Un ministère de réconciliation centré sur Christ
mer 02 Sep 2026
Appel à la sainteté
jeu 03 Sep 2026
Consolation et joie
ven 04 Sep 2026
Réflexion avancée
sam 05 Sep 2026
Économat chrétien et mission

Ecole Sabbat S. dernière

dim 23 Aoû 2026
Actions de grâces
lun 24 Aoû 2026
Simplicité et sincérité
mar 25 Aoû 2026
Changer de plans par amour
mer 26 Aoû 2026
Le pardon et la réaffirmation de l’amour
jeu 27 Aoû 2026
Triomphe en Christ
ven 28 Aoû 2026
Réflexion avancée
sam 29 Aoû 2026
Un ministère chrétien authentique

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (51)
  • juillet 2026 (61)
  • August 2026 (52)
  • septembre 2026 (11)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal