Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 10 novembre 2023

Ny asa fanatanterahantsika ny iraka dia tokony ho vokatry ny fitiavana lalina sy ny fankasitrahana ny zavatra nataon'i Jesosy sy mbola ataony eo amin'ny flaintsika. Tsy araka ny tokony ho izy ny antony manosika antsika ankoatra ireo. Ny fandinihana lalina ny Tenin' Andriamanitra sy ny fifandraisana ety amin'izany no tsiambaratelon'ny fanatrarana ny hafa sy ny fitoriana ny filazantsara mahomby.

"Tokony hifamatotra amin'ny flainan'i Kristy ny flainantsika; tokony hisintona hery mandrakariva avy Aminy isika, ho mpiombona Aminy, dia Izy Ilay Mofo velona nidina avy any an- danitra, hanovo avy amin'llay loharano. mangatsiatsiaka lalandava, ary vonona mandrakariva hanaparitaka ireo hareny be dia be. Raha ataontsika eo anoloantsika mandrakariva ny Tompo, ka avelantsika ny fontsika hifaly amin'ny fisaorana sy ny fiderana Azy, dia ho vaovao lalandava ny flainantsika ara-pivavahana. Amin'ny fivavahantsika, dia hiresaka amin'Andriamanitra tahaka my firesahantsika amin'ny namantsika isika. Horesahiny amintsika manokana ireo zava- miafina momba Azy. Matetika dia ho tonga amintsika ny fahatsapana ny fifaliana mamy noho ny fanatrehan'i Jesosy. Matetika no hangorakoraka ato anatintsika ny fontsika raha manatona antsika Izy hiray amintsika tahaka izay nataony tamin'i Enoka. Rehefa tena izany ny fanandramana ataon'ny Kristianina, dia hita eo amin'ny fiainany ny fahatsorana, ny fanetren-tena, ny halemem-panahy ary ny fahatsoram-po, izay mampiseho amin'izay rehetra mifandray aminy fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy, sady nianatra taminy."- HF, tt. 123, 124.

"Tsy mety hisy fitomboana na fitondrana vokatra eo amin'ny flainana mifantoka amin'ny tena. Raha nanaiky an'i Kristy ho Mpamonjin'ny tenanao ianao, dia tokony hanadio ny tenanao, ary hiezaka hanampy ny hafa. Resaho [amin'ny hafa ny fahafatesany feno fahafoizan-tena noho ny amin'izy ireo] (...) Rehefa mandray my Fanahin'i Kristy ianao-ny fanahin'ny fitiavana manadio ny tena sy miasa ho an'ny hafa- dia hitombo ianao ka hitondra voa. (...) Hihamatanjaka ny finoanao, hihalalina ny foto-pinoanao, ho tanteraka ny fitiavanao."- HF, t. 58.

Fanontanianahifanakalozan-kevitra:

  1. Ahoana ny fahatakaranao ny tenin'i Paoly ao amin'ny Filipianina, mikasika ny fitoriana an'i Kristy tsy amin'ny fialonana sy ny fifandirana na amin'ny hambom-po feno fitiavan- tena? Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy meloka amin'ny fanaovana izany isika?
  2. Inona ny fanandramanao manokana mahakasika an'Andriamanitra sy ny fitiavany? Izany hoe, araka ny fanandramanao manokana, azonao atao ve ny mitory amin'ny hafa amim-pahitsiana sy amim-pahatsoram-po momba ny fahatsaran' Andriamanitra sy ny fitiavany? Hanao ahoana ny fijoroanao ho vavolombelona?
  3. Nanao ahoana ny fanandramanao teo am-piandrasana ny Tompo, ary inona no nampianarin'izany anao momba ny fitokiana Aminy sy ny finoana ankapobeny?

Ecole Sabbat Semaine

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le

Ecole Sabbat S. dernière

sam 04 avr 2026
Connaitre Dieu
dim 05 avr 2026
Une image plus claire de Dieu
lun 06 avr 2026
Dieu est saint
mar 07 avr 2026
Dieu est amour
mer 08 avr 2026
Dieu dans la création
jeu 09 avr 2026
Emmanuel, Dieu avec nous
ven 10 avr 2026
Réflexion avancée
sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal