Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fialan-tsiny 3: ny fahasahiranana

Date
Mardi 31 octobre 2023

Fanehoana mahagaga ny fitiavana sy ny fahasoavan'Andriamanitra ny fanandraman'i Jônà tao an-kibon'ny hazandrano (jereo Jônà 2),  ary ny vavaka nataon'i Jônà dia manambara fa voarainy tsara ny hafa-pitiavana avy amin'Andriamanitra. Kanefa ny fomba tsy mampino nihaonany tamin'Andriamanitra dia tsy midika fa hiova mora foana ny fomba fisainany sy ny toetra nahazatra azy fahiny, na dia nankany Ninive ihany aza izy nony farany. 

Vakio ny Jônà 3. Inona no nasetrin'ny vahoaka ny fitoriana nataon'i Jônà? Inona no lesona ho antsika eto mikasika ny asa fitoriana?

Na inona na inona tsy fitiavan'i Jônà ireo Ninivita dia nitory tamin'izy ireo izay nasain'Andriamanitra notoriny ihany izy, ary nanaitra tokoa ny vokatr'izany. Voataona hibebaka ny Ninivita! Zava-tsarotra maro no nandalovan'i Jônà mba hahatanteraka ity zavatra tsy tiany natao ity, fa rehefa vitany kosa izany, dia nomem-boninahitra Andriamanitra. Araka izany dia tanterahina amin'ny alalan'ireo olona manana fahafoizan-tena ny asan'Andriamanitra, na dia be fisalasalana ary izy ireo. Manana ny fihevitsika isika, saingy tsy maintsy ampileferintsika amin'ny laharam-pahamehan'Andriamanitra izany, dia ny famonjena ny very. Indraindray isika manana hevitra mibahana mialoha, tahaka an'i Jônà, izay manakana antsika tsy hanatona olona na vondron'olona iray. 

Mitaky fanetren-tena ny fialana amin'ireny hevitra mibahana mialoha ao antsaintsika ireny. Mitaky fotoana sy tanjaka ara-pihetseham-po koa ny famitana iraka. Mety hahasasatra tokoa ny manolo-tena ho an'ny hafa sy mikarakara azy reny marina. Amin'ny fotoana izay mahasahiran-tsaina antsika amin'ny fiainana sy ny olantsika, dia toa mahahavalaka tokoa ny fanohanana ny hafa ara-pihetseham-po. 

Ary farany, ny fanatanterahana iraka dia matetika mitaky ny fanovana ny fomba fijerintsika momba ny vola sy ny fampiasantsika azy. Misy vola lany mandrakariva amin'ny famitana iraka, na fikarakarana olona izany, na fanomezana boky na fitaovana hafa fanaovana fitoriana, na fanampiana na fiatoana amin'ny asa mba hahazoana fotoana hanaovana asa misiônera. Na manao ahoana na manao ahoana endrika isehoan'ny asa misiônera dia mitaky fahafoizana izany. 

Ny vaovao mahafaly dia izao: na teo aza ny tsy fahatanterahan'i Jônà dia niasa mahery Andriamanitra tamin'ny fitaomana ny Ninivita ho amin'ny fibebahana. Indrisy fa tsy mba niombom-pifaliana tamin'ny lanitra i Jônà tamin'izany.

Inona no asain'Andriamanitra afoinao, na tiany hafoinao, mba hahazoanao mizara ny fitiavany amin'ny olona hafa? Tana matoky Azy ve ianao fa ho tanterahiny tokoa ny teny fikasana hampanankarena ny fiainanao noho hy fahafoizanao?

Ecole Sabbat Semaine

sam 06 juin 2026
Les revers
dim 07 juin 2026
Les tempêtes de la vie
lun 08 juin 2026
Sois guérie
mar 09 juin 2026
Job
mer 10 juin 2026
Le chemin d’Emmaüs

Ecole Sabbat S. dernière

sam 30 mai 2026
La repentance et le pardon
dim 31 mai 2026
La ruée de la vie
lun 01 juin 2026
Les instructions du Saint-Esprit
mar 02 juin 2026
La véritable repentance
mer 03 juin 2026
Une grâce suffisante
jeu 04 juin 2026
Le vêtement le plus cher
ven 05 juin 2026
Réflexion avancée
sam 06 juin 2026
Les revers

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (20)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal