Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fialantsiny 2: Ny tsy fahatakarana

Date
Lundi 30 octobre 2023

Rehefa tonga ny tafiotra dia nanome tsiny ny tenany i Jônà (Jônà 1:1-12). Niseho ny fomba fijery sy ny fomba fahatakaran'ny maro mikasika an'Andriamanitra na ireo andriamanitra tamin'izany andro izany, noho ny fihetsik'i Jônà. Ninoan'izy ireo fa misy andriamanitra maro manjaka amin'ny tany samihafa, fa ny ranomasina kosa dia noheveriny ho fanjakan'ireo demonia masiaka. Araka ny fijerin'ireo mpiantsambo dia fanatitra no nilaina mba hampitony ny fahatezeran'ireo. Na Hebreo aza i Jônà dia azo heverina fa niasa mangina taminy izany finoan-drazana tamin'ny androny izany. 

Vakio ny Jônà 2:1-3, 7-10. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo fa manomboka takatr'i Jônà ny fitondran'Andriamanitra?

Na dia nandositra ilay tany izay nolazain'ny olona fa i Jehôvah no Andriamanitra ao aza i Jônà, dia nianarany (tamin'ny vidiny lafo!) fa na mandeha any amin'ny kolontsaina vahiny aza izy, dia mbola manjaka any koa i Jehôvah. Andriamanitra no Tompon'ny rivotra sy ny onjan-drano. Izy koa no Tompon'ny hazandrano. "An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy." - Sal. 24:1. Nitodika tany amin'Ilay Mpanjakan'ny tany sy ny ranomasinai Jônà; niaiky ny helony izy ary dia voavonjy.

Mety misy zavatra tsy takatsika koa momba an'Andriamanitra sy izay andrasany amintsika. Samy mihevitra isika fa ny fanirian'Andriamanitra amintsika dia ity: ny hifantoka amin'ny famonjena ny tenantsika sy ny hiala amin'ny faharatsian'izao tontolo izao manodidina antsika. Ekena fa asaina "miaro ny tena tsy hisy pentimpentina avy amin'izao tontolo izao" isika, kanefa ny fifantohantsika dia tokony ho amin'ny fomba ahafahantsika mitondra ny fitahiana sy ny fanantenana avy amin'Andriamanitra ho an'ireo izay mila fanampiana.

Misy zavatra iray hafa tsy takatsika koa, izay manakana antsika tsy hanaiky ny antson'Andriamanitra hamita iraka, dia ny fiheverana fa miankina amin'ny tenantsika ny fahombiazana. Tsy mahay mamonjy na fanahy iray aza isika, tahaka an'i Jônà tsy nahay namonjy an'i Ninive. Azontsika atao kosa ny manana toe-tsaina "mpamonjy" eo am-panatanterahana iraka. Tsy ny hanatanteraka ny famonjena no iantsoana antsika fa ny ho mpiara-miasa amin'Andriamanitra amin'ny asa famonjena ataony. Mijoro ho vavolombelona sy mankalaza an'Andriamanitra isika noho ny nanovany antsika tamin'ny fomba manokana, saingy Andriamanitra irery ihany no afaka mitaona ny olona ho eo Aminy. Afaka mamafy ny voan'ny fahamarinana isika, fa Andriamanitra irery ihany no mahay manova ny fo. Matetika isika no manafangaro ny anjarantsika amin'ny anjaran'Andriamanitra, ka izarry dia ampy ahitantsika, na iza na iza, fialan-tsiny tsy hanaovana asa fitoriana. Eny tokoa, nampiasa an'i Jônà Andriamanitra, saingy Andriamanitra irery ihany fa tsy i Jônà, no nampibebaka an'i Ninive.

Sarotra ny mahazo fanahy ho an'ny Tompo, ary sarotra loatra amin'ny olombelona ny manao izany amin'ny herin'ny tenany. Ahoana kosa no hianarantsika hamela an'Andriamanitra hamabo fanahy ho Azy amin'ny alalantsika sy ny fiainantsika ary ny fitoriantsika?

Ecole Sabbat Semaine

sam 05 Sep 2026
Économat chrétien et mission
dim 06 Sep 2026
L’exemple de Jésus
lun 07 Sep 2026
La motivation
mar 08 Sep 2026
La planification
mer 09 Sep 2026
L’attitude
jeu 10 Sep 2026
L’unité

Ecole Sabbat S. dernière

sam 29 Aoû 2026
Un ministère chrétien authentique
dim 30 Aoû 2026
Les fruits d’un ministère authentique
lun 31 Aoû 2026
Souffrance et gloire
mar 01 Sep 2026
Un ministère de réconciliation centré sur Christ
mer 02 Sep 2026
Appel à la sainteté
jeu 03 Sep 2026
Consolation et joie
ven 04 Sep 2026
Réflexion avancée
sam 05 Sep 2026
Économat chrétien et mission

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (51)
  • juillet 2026 (61)
  • August 2026 (52)
  • septembre 2026 (21)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal