Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Fianarana fanampiny

Date
Vendredi 08 décembre 2023

Anisan'ny lesona lehibe avy amin'ny tantaran'i Paoly sy ny fanandramany tao Areopago ny tokony hanadihadiana tsara ny toerana hiasana sy handinihana ny fomba tokony hiresahana amin'ireo vondron'olona tsy mpino izay tsy mbola nandre ny fahamarinana; tamin'izany fomba izany no nanjary nampisy vondrona mpino tao Atena.

"Ny teny nataon'ny apostoly sy ny filazana my toetrany sy ny manodidina azy araka izay nomen'ny tsindrimandrin Andriamanitra, dia hafindra amin'ny taranaka mandimby rehetra, ka hitondra vavolombelona ny amin'ny fahatokiany tsy azo hozongozonina, amin'ny herim-pony teo amin'ny naha-irery azy sy teo amin'ny zava-tsarotra ary amin'ny fandresena azony ho an'ny fivavahana kristiana eo anivon'ny fanompoan-tsampy indrindra.

«Harem-pahalalana sarobidy ho an'ny fiangonana ny tenin'i Paoly. Teo amin'ny toerana izay nety nahazoamy nilaza mora foana teny izay nampahatezitra ireto mpihaino azy be rehareha izy, ka nampiditra azy tamin'ny zava-tsarotra izany. Raha namely mivantana ny andriamanitra sy ny olona ambony ao an- tanána ny teniny, dia ny ho tandindomin-doza hitovy fiafarana amin'i Sokraty koa izy. Nefa noho ny fahaizana toetran 'olona nateraky ny fitiavan Andriamanitra, dia notarihiny tamim- pahendrena ny sain 'ireo Ateniana hiala amin'ireo andriamanitra jentilisa, tamin'ny nanambarany taminy llay Andriamanitra marina Izay tsy fantany»-VM, t. 211.

Nahavita zavatra miavaka tao Atena i Paoly; nahatondra harem-pahalalana ho an'ny fiangonana izy noho ny fifandraisany mivantana tamin'ny olona, noho ny fianarany mombany kolontsain'izy ireo sy ny fivavahany, ary noho ny fanajany ny fanoloran'izy ireo tena ho amin'ny zava-panahy. Noezahiny izay tsy hampahatezitra Ireo mpihaino azy. Zava-dehibe vita noho ny fitarihan Andriamanitra izany. Raha ny hevitr'i Ellen G. White dia harem-pahalalana tsy azontsika atao ambanin-javatra ao amin'ity tantara ity izany, amin'ny maha fiangonana antsika.

FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:

  1. Raha raisintsika ho môdely ny tantaran'i Paoly tao Atena, inona ny dingana voalohany tokony hataon'izay rehetra vao manomboka asa fitoriana eo amin'ny tanana iray?
  2. Fitondrantena manao ahoana no takina amin'ny Kristianina hanorenana fifandraisana amin'ireo olona ao amin'izany tanána izany (sy any amin'ny foerana hafa rehetra) izay tsy mahafantatra an' Andriamanitra?
  3. Raha fohina isika mahita ireo karazana sampy ankehitriny, inona no tsy azontsika hatao, indrindra eo am-piandohana, raha vao manomboka asa eo anivon'ny olona manompo sampy?
  4. Azon'i Paoly natao ny nampahafantatra fotsiny ny momba llay Andriamanitra tia azy ireo ka nijanona hatreo, dia ho nahafa-po ny olona izany. Saingy nihoarany ny fetra, izay nahatonga ny olona hihevitra azy ho mpirediredy foana rehefa niresaka momba ny fitsanganana amin'ny maty izy. Tokony ho nanao izany ve izy sa tsia? Tohano ny valinteninao.

Ecole Sabbat Semaine

sam 01 Aoû 2026
Les dons spirituels
dim 02 Aoû 2026
La diversité des dons
lun 03 Aoû 2026
L’unité dans la diversité
mar 04 Aoû 2026
« Une voie par excellence »
mer 05 Aoû 2026
Le don des langues

Ecole Sabbat S. dernière

sam 25 Juil 2026
Tout pour la gloire de Dieu
dim 26 Juil 2026
La connaissance face à l’amour
lun 27 Juil 2026
L’amour désintéressé
mar 28 Juil 2026
Tirer des leçons du passé
mer 29 Juil 2026
Avertissement contre l’idolâtrie
jeu 30 Juil 2026
Vaincre l’idolâtrie
ven 31 Juil 2026
Réflexion avancée
sam 01 Aoû 2026
Les dons spirituels

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal