Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Finoana ety ambonin'ny tany

Date
Jeudi 14 décembre 2023

Ao amin'ny Lio. 18:8 dia nametraka ity fanontaniana ity i Jesôsy tany amin'ny faran'ny fanoharana iray nataony: "raha avy ny Zanak 'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?" Amin'ny maha-mpianatr'i Kristy antsika ankehitriny dia ilaintsika ny mahatakatra izay tadiavin'i Jesosy. Hitantsika ao amin'io tantara io fa finoana mamirapiratra na dia ao anatin'ny haizina aza no tadiavin'i Jesôsy.

Vakio ny Mat. 8:10,13; Mat. 9:2; Mat. 20:29-34; Mar. 2:5; Mar. 10:46-52; sy ny Lio. 18:35-43. Ao amin'ireo andininy ireo, iza no lazain'i Jesôsy fa manam-pinoana?

Tafiditra ao anatin'io lisitra io ireo izay nanana finoana namirapiratra na dia tao amin'ny tanana feno haizina aza. Olona maro nanam-pinoana no nasongadin'i Jesôsy tao Kapernaomy. Hitantsika ao amin'ny Mat. 8:10,13 ny kapiteny jentilisa iray niova fo izay nanana finoana lehibe. Hitantsika ireo mpinamana efatra vontom- pinoana izay nanongotra ny tafon-trano mba hitondrany ny namany mararin'ny paralisisa ho eo amin'i Jesosy (Mat. 9:2; Mar. 2:5). Hitantsika ao amin'ny Mar. 10 i Bartimeo, ilay lehilahy jamba taloha, izay nanana finoana namirapiratra tao Jerikó,

Ary mety manantena isika fa manana finoana lehibe ny vahoakan' Andriamanitra. Saingy na tao Nazareta tanána nahaterahan'i Jesôsy aza dia nametra ny asa fanompoana nataon'i Kristy ny fahakelezan'ny finoana - mba tsy hilazana hoe ny tsy fisiam-pinoana tao. Raha teo anivon'ny mpianany i Jesosy dia imbetsaka no nilaza momba ny Isiraely hoe: "ry kely finoana!" (Mat. 6:30; Mat. 8:26; Mat. 14:31; Mat. 16:8). Ary izao no lazain'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 17:17: "Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika!"

Inty misy lesona iray azontsika ampiharina ankehitriny: any amin'ny toerana tsy ampoizina no ahitana finoana, any amin'ireo tanan-dehiben'ny hafa firenena, any amin'ny mpanompo sampy, any amin'ireo antokom-pivavahana hafa. Tsy maintsy mandeha amim-panetren-tena any amin'ireo tanan-dehibe tahaka an'i Jesosy isika mba hitady ireo izay hanam-pinoana mahavonjy rehefa torina aminy ny fahamarinana, dia finoana an'i Jesosy. Ary ho hitantsika ao tokoa izy ireo.

Fanamby: Ao anatin'ny fitolomana amim-bavaka dia sokafy ny fonao mba hanana finoana lehibe kokoa hahazoanao mizara fitiavana amin'ny hafa, na akaiky na lavitra anao.

Manaova fihaikana: Ahoana no nahafantaranao an'i Jesôsy sy ireo hafatra sarobidin'ny anjely telo? Mitanisà fitahiana telo ara-panahy izay azonao avy amin'i Jesôsy teo amin'ny fiainanao manokana. Miomána hizara izany fanandramana izany ao amin'ny kilasin'ny Sekoly Sabata.

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie
lun 16 juin 2025
Adorer l’image

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal