Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Hizara ny vaovao mahafaly

Date
Dimanche 05 novembre 2023

Vakio ny Lio. 24:1-12. Inona no nataon'ireo izay nandre ny amin'i Kristy nitsangana tamin'ny maty?

Ny Alahady mangiran-dratsy, vao taorian'ny nahafatesan'i Jesosy, dia ambaran'i Lioka fa vehivavy maromaro no nankany amin'ny fasana. Nitondra zava- manitra izy ireo, azo inoana araka izany fa handeha hanosotra izany amin'ny fatin'i Jesôsy izy ireo satria efa nifarana ny Sabata. Nanantena hahita fasana mbola mihidy sy misy tombokase izy ireo ka akory ny hatairany raha nahita ny fasana foana. Tsy azony antoka izay tokony hatao, natahotra izy ireo rehefa niseho taminy ny lehilahy roa nanao akanjo mamirapiratra. Nanan-kafatra ho azy anefa ireo lehilahy ireo. Nampahatsiahivin'ireo lehilahy ireo azy ny teny nataon'i Jesosy, nambarany tamin'ireto vehivavy ireto fa efa nitsangana tamin'ny maty araka izay efa nambaranyi Jesosy. Feno hafaliana ireo vehivavy ireo rehefa nandre ny vaovao ka niverina haingana tany amin'izay nisy an'ireo mpianatra sy ireo mpanara-dia an'i Jesosy ary nilaza tamin'izy ireo ny zavatra reny sy hitany, satria tsy lanany intsony ny fifaliany. Izany hoe, nizara izay reny momba an'i Kristy tamin'ny hafa izy ireo.

Azonao an-tsaina ve fihetsehampon'ireo ny vehivavy ireo? Fanandramana mahagaga no vao avy niainany, izay azo antoka fa nahatalanjona azy, kanefa nataon'ireo mpianatra hoe "arirarira foana" izany ka tsy ninoany. Tsy azón'i Petera antoka na tokony hino ireo vehivavy ireo izy na tsia, koa nihazakazaka nankany amin'ny fasana izy mba hizaha.

Ho an'i Petera, ary ho an'ny maro amintsika, dia mampisalasala ny hanaiky zavatra iray satria olon-kafa no nilaza izany. Na dia nihaino ireo vehivavy ireo aza i Petera, dia tsy niaina ny fanandraman'izy ireo raha tsy taoriana kely. Tamin'ny voalohany dia fasana foana no hitany, ary ambaran'i Lioka fa nahatonga azy "gaga noho ny zavatra izay tonga teo" izany (Lio. 24:12). Tsy nitovy tamin'ny fanandramana niainan'ireo vehivavy ny niainany teo amin'ny fasana.

Na inona na inona fihetsik'i Petera, raha vao ren'ireo vehivavy ireo ny vaovao momba an'i Jesosy, dia naniry ny hizara izany tamin'ny hafa izy ireo. Inona moa ny antony lehibe kokoa manosika antsika hanatanteraka ny iraka mihoatra noho ny fampahafantarana ny hafa ny zavatra izay nataon'i Jesôsy ho azy? Inona no antony manosika lehibe kokoa mihoatra noho ny fanapariahana ny vaovao mahafalin'ny famonjena ao amin'i Jesosy, Ilay hany fanantenana ho antsika rehetra?

Mazava loatra fa ilaintsika ny hanana fanandramana manokana miaraka amin'Andriamanitra, mialoha ny hizarantsika izany amin'ny hafa. Ny faniriantsika hizara ny zavatra tiantsika fatratra amin'ny hafa no tokony ho ampahany lehibe amin'ny antony manosika antsika hiasa. Tsy azontsika zaraina rahateo izay tsy ananantsika, sa tsy izany?

Inona ireo fanandramana niainanao mahakasika an'Andriamanitra sy ny Fitiavany? Nahoana ireny fotoana ireny no sarobidy aminao, ary ahoana no handrisihan'ireny anao hanatratra ny hafa amin'ny vaovao mahafaly?

Ecole Sabbat Semaine

sam 01 nov 2025
L’ennemi intérieur
dim 02 nov 2025
La violation de l’alliance
lun 03 nov 2025
Le péché d’Acan
mar 04 nov 2025
Des choix fatidiques
mer 05 nov 2025
La porte de l’espoir
jeu 06 nov 2025
Témoin de la puissance de Dieu
ven 07 nov 2025
Réflexion avancée
sam 08 nov 2025
Loyauté ultime: adorer dans une zone de guerre

Ecole Sabbat S. dernière

sam 25 oct 2025
Dieu combat pour vous
dim 26 oct 2025
L’iniquité des Cananéens
dim 26 oct 2025
L’iniquité des Cananéens
lun 27 oct 2025
Le Juge suprême
mar 28 oct 2025
Dépossession ou anéantissement?
mer 29 oct 2025
Le libre choix
jeu 30 oct 2025
Le Prince de la paix
ven 31 oct 2025
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal