Aller au contenu principal
Accueil
Eglise Adventiste du 7ème jour Lyon Est

Navigation principale

  • Accueil
  • EDS Jour
  • EDS Semaine
  • EDS Semaine dernière
  • EDS Semaine prochaine
Menu du compte de l'utilisateur
  • Se connecter

Fil d'Ariane

  1. Accueil
  2. EDS Jour

Inty aho, iraho aho

Date
Jeudi 02 novembre 2023

Mahavariana tokoa ny tantaran'i Jônà. Ny namonjen'Andriamanitra ny Ninivita, na teo aza ny tsy fahatanterahan'ny asa fitoriana nataon'i Jônà, dia fampahatsiahivana mahery vaika fa ny anjarantsika dia ny ho fantsona ampiasain'Andriamanitra fotsiny ihany, fa izy irery no mahay mandresy lahatra sy manova ny fo. Mampahatsiahy izany fa mpitondra hafatra vonona sy manetry tena ihany, izay manaraka ny toromarika avy Aminy, no ilain' Andriamanitra.

Vakio ny lsa.6:1-8. Inona ny heviny dehibe ao amin'ireo andininy ireo?

Eto ny antso. Olona vonona hirotsaka an-tsitrapo no tadiavin'Andriamanitra. Natao hamaly izany antso izany amin'ny fitarihan'Andriamanitra isika, amin'ny fihainona ny feony, ary ny fifidianana hankatô izay rehetra lazainy amintsika. 

Mampiseho ny fitiavan'Andriamanitra ny olona ny tantaran'i Jônà, dia olona izay monina any amin'ny toerana izay tsy hahatsapana ny fitiavan'Andriamanitra na hihainoana ny feony. Onena ireo olona antapitrisany mameno ireo tanàn-dehibe ankehitriny koa Andriamanitra, izay feno trano avo-be ho solon'ny hazo sy ny voninkazo, ka tsy ahitana fitoniana firy sy mila tsy ifandrenesana noho ny tabataba, dia tahaka ny nangorahany an'i Ninive. Hoy Andriamanitra momba an'i Ninive: "olona (...) izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny "haviany" izy ireo (jereo Jônà 4:11). Mpitory vonona hitondra hafa-panantenana ho an'ireo izay trotaky ny firotorotoana sy ny haratsiam-piainana no ilain'Andriamanitra. 

Nandre feo i Isaia nanao hoe: "izay no handeha (...)? " Dia inona no havalinao? 

Fanamby: Soraty amin'ny taratasy fotsy na ao amin'ny kahie fandraisanao antom-bavaka ny anaran'ny olona 10 fantatrao fa tsy mpino. Andeha hantsointsika hoe "mpianatrao" izy ireo. Ataovy akaiky ho mora raisina izany lisitra izany, ka mivavaha isan'andro ho an'ireo mpianatrao 10 ireo. Mivavaha mba ho tonga naman'ireo olom-pantatrao ireo ianao. Mivavaha mba hahazoanao miditra lalina kokoa ka ho tonga sakaizan'izy ireo mahatoky. Eo ampifandraisanao ety kokoa amin'izy ireo dia aoka ianao hanara-maso sy hihaino tsara mba hahafantaranao izay tena ilain'izy ireo, izay mahory na mampijaly azy. Avy eo dia mivavaha mba hanampian'Andriamanitra azy ireo amin'izany lafim-piainana izany.

Manaova fihaikana: mifidiana tanàna iray akaiky anao sy iray koa any amin'ny faritra hafa eo amin'izao tontolo izao. Manomboha mivavaka ho an'ny mponina miaina sy miasa ao amin'ny tsirairay amin' ireo. Angataho Andriamanitra hampisy Advantista matanjaka ao, izay afaka hizara ny fahamarinana fantatsika - dia ny fahamarinana momba ny fiavian'i Jesôsy tsy ho ela.

EDS Semaine

sam 25 nov 2023
Fampidirana
dim 26 nov 2023
Nebokadnezara
lun 27 nov 2023
Namana
mar 28 nov 2023
Mijoro ho vavolombelona amin'ireo manam-pahaizana: Nikodemosy
mer 29 nov 2023
Misasa amin'ireo mpanankarena
jeu 30 nov 2023
Mamita ny iraka amin'ireo manana ny maha-izy azy
ven 01 déc 2023
Fianarana fanampiny

EDS Semaine prochaine

sam 02 déc 2023
Fampidirana
dim 03 déc 2023
Hebreo iray tao Atana
lun 04 déc 2023
I Paoly tao Areopago
mar 05 déc 2023
I Paoly sy ilay Andriamanitra tsy fantratra
mer 06 déc 2023
Mampahafantratra Andriamanitra vaovao
jeu 07 déc 2023
Mihoatra ny fetra
ven 08 déc 2023
Fianarana fanampiny

EDS Semaine dernière

sam 18 nov 2023
Fampidirana
dim 19 nov 2023
Ny finoan'ireo namana
lun 20 nov 2023
Ny fomba fiasan'i Kristy irery ihany
mar 21 nov 2023
Ireo mpitsoa-ponenana sy mpifindra monina
mer 22 nov 2023
Manampy ireo mijaly
jeu 23 nov 2023
Fitiavana lehibe kokoa
ven 24 nov 2023
Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (41)
  • novembre 2023 (40)
Flux RSS
Propulsé par Drupal