Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mampahafantratra Andriamanitra vaovao

Date
Mercredi 06 décembre 2023

Rehefa nahazo ny fahalianan'ireo mpandinika tao Atena i Paoly dia nampitodika ny mpihaino azy ho amin'llay Andriamanitry ny lanitra.

Vakio ny Asa. 17:24-27. Inona ny fomba fiasan'i Paoly eto mba hanatrarana ireo olona ireo?

Nampieritreritra ireto vahoaka liana tamin'ny zava-panahy ka nanorina alitara ho an'andriamanitra tsy fantatra ireto, ny tenin'i Paoly, dia ny amin'llay Andriamanitra. Mpahary Izay tsy mila na inona na inona. avy amin'olombelona fa manome izay ilain'izy ireo kosa. Ho an'ny kolontsaina izay vonton'ny lovantsofina grika, izay mampianatra fa Andriamanitra dia manan- toetra tsy ampoizina, tia tena, ary lozabe, dia 4. mampieritreritra sy mahavariana tokoa ny momba izany Andriamanitra lazain'i Paoly izany. Nanao ny dingana voalohany nankeo amin'llay Andriamanitra fitiavana izao ireo lehilahy tao Areopago.

Ary io Andriamanitra tsy fantatr'izy ireo io, hay azo fantarina ny momba Azy! Sady Izy rahateo koa maniry ny ho fantatr'izy ireo.

Azo inoana fa niresaka maharitra kokoa i Paoly tao Areopago, tsy araka izay teny notaterin'i Lioka ao amin'io tantara io. Mety ho noho ny tsy fahampian'ny toerana dia naleon'i Lioka namintina ny lahatenin'i Paoly. Raha izany no izy, ireo hevitra tsirairay izay efa novakintsika hatreto dia mety ho efa nofakafakain'i Paoly an tsipiriany. Koa hozarazaraintsika araka ireto hevitra ireto ny lahatenin'i Paoly:

  1. Nidera ny toe-tsaina ara-panahy sy Ony fahatsoram-po nananan'izy ireo tamin'io fotoana io i Paoly.
  2. Manaraka izany, nasehony fa efa nandinika ny finoan'izy ireo izy ary nahita avy tamin'izay nianarany, zavatra sasantsasany izay nomeny haja.
  3. Avy eo dia nolazainy azy ireo ny zavatra manokana izay hitany nandritra ny fandinihany ny fivavahan'izy ireo, izay neken'izy ireo fa tsy takany.
  4. Taorian'izany dia naneho lafin- toetran' Andriamanitra izay fantany fa tena ilain'izy ireo indrindra izy, dia ny hoe: misy Andriamanitra, ary Izy dia tia azy ireo sady tsy lavitra akory. 
  5. Farany, teo am-pamaranany ny lahateniny dia nampitandrina azy ireo i Paoly ny amin'ny vokatry ny fandavana ny fahalalana io Andriamanitra izay tsy mbola fantatr'izy ireo io. 

Nentin'i Paoly lavitra araka izay azony natao izy ireo, niainga tamin'izay zavatra fantany momba ny finoan'izy ireo. Raha vitany ny mitondra azy ireo lavitra toy izany dia efa fandrosoana tsara izany.

Mariho ny firesahan'l Paoly ny amin'ny tontolo nohariana sy momba an' Andriamanitra amin'ny maha-Mpamorona Azy rehefa mandresy lahatra Izy (jereo koa ny Rom. 1:18-25).

Nahoana no fomba fiasa tsara tokony harahina izany, farafahakeliny eo am-plandohana, rehefa miasa amin'ny ankamaroan'ny olona? Fa inona no manondro mazava an'Andriamanitra ao amin'ny tontolo nohariana?

Ecole Sabbat Semaine

sam 03 mai 2025
Comprendre le sacrifice
dim 04 mai 2025
Des sacrifices vains?
lun 05 mai 2025
Le sang des taureaux et des boucs
mar 06 mai 2025
L’Agneau pascal
mer 07 mai 2025
Jésus au temple
jeu 08 mai 2025
Car Tu as créé toutes choses!
ven 09 mai 2025
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 26 avr 2025
Les nations: 2e partie
dim 27 avr 2025
Le tout premier commandement
lun 28 avr 2025
Daniel 2
mar 29 avr 2025
Daniel 7
mer 30 avr 2025
Entre la terre et la mer
jeu 01 mai 2025
Prophétise encore
ven 02 mai 2025
Réflexion avancée
sam 03 mai 2025
Comprendre le sacrifice

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal