Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Mandeha lavitra, ivelan'ny faritra mahazatra antsika

Date
Dimanche 15 octobre 2023

Tian’Andriamanitra hiala amin’ny faritra mahazatra sy mampilamina antsika isika mba hanatrarana ny hafa. Mety hitarika ho amin’ny fitiavan-tena, eny amin’ny ratsy aza, ny faniriana hitoetra mandrakariva eo anivon’ny vondrona misy antsika, eo amin’ny foko na fiarahamonina misy antsika. Anisan’ny lesona notsoahina avy amin’ny tantaran’ny tilikambon’i Babela io loza mitatao io.

Vakio ny Gen. 11:1-9. Inona no nokasain'ny olona hatao? Inona ny tanjon'izy ireo ary nahoana no nosakanan'Andriamanitra izany?

Ny tantaran’ireo vahoakan’ny tilikambon’i Babela dia manambara ny tanjona lehibe tian’izy ireo hotratrarina. Nikasa hanao rafi-trano goavana izy ireo – tanàna sy tilikambo izay tsy misy toa azy manerana ny tany: “tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin 'ny tany rehetra isika.” – Gen. 11:4.

Impiry moa ny olona no miezaka hanao toy izany koa ankehitriny? Atao izany na amin’ny alalan’ny pôlitika, na ny zava- kanto, na ny fandraharahana, eny na ny fivavahana aza. Misy ireo izay maniry ny hahazo laza lehibe ho an’ny tenany. Amin’ny farany anefa dia ho hita fa zava-poana sy tsinontsinona ny ezaka vitany (jereo Mpitt. 2:1-11.)

Araka ny voalazan’ny Baiboly ao amin’ny Gen. 11:4 dia naniry hanorina tilikambo ireo olona ireo mba tsy hielezany eny ambonin’ny tany rehetra. Naniry hikambana noho ny antony feno fitiavan- tena izy ireo, saingy nanana drafitra hafa Andriamanitra.

Niray hina hanatanteraka ilay asa koa ireo vahoaka ireo. Kanefa “hoy Jéhovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary i.ty vao Jîandohan 'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. ” — Gen. 11:6. Raha ny marina dia ratsy io drafitra nimatimatesan’izy ireo io.

Na tsy milaza izany mazava aza ny Soratra Masina dia ambaran’i Ellen G. White fa tsy natoky ny teny fikasan’Andriamanitra momba ny tsy handravany intsony ny tany amin’ny alalan’ny safodrano izy ireo (Gen. 9:14,15). Naleon’izy ireo nanorina fiarovana araka ny fiheverany azy toy izay hatoky ny tenin’Andriamanitra. Na inona na inona antony lehibe nanosika azy dia fantatr’Andriamanitra fa tsy nadio ny fikasan’ny fony ary faniriana feno fitiavan-tena no nameno azy; koa nosakanan’Andriamanitra izy ireo tsy hahatratra ny tanjony.

Vondron’olona sa fiaraha-monina milamina sy mifankazatra tsara no misy anao? Ahoana no mety hanakaikezanao olona hafa izay tsy isan'ny vondrona na foko na firenena misy anao?

Ecole Sabbat Semaine

sam 18 avr 2026
Le rôle de la Bible
dim 19 avr 2026
L’arme la plus puissante
lun 20 avr 2026
L’Écriture, l’autorité
mar 21 avr 2026
La vérité biblique
mer 22 avr 2026
Les affirmations de la Bible!
ven 24 avr 2026
Réflexion avancée

Ecole Sabbat S. dernière

sam 11 avr 2026
L’orgueil et l’humilité
dim 12 avr 2026
Les doigts serrés de l’orgueil
lun 13 avr 2026
Connais-toi toi-même
mar 14 avr 2026
Moïse, humble serviteur
mer 15 avr 2026
La plus grande offense
jeu 16 avr 2026
Contemplez-Le
ven 17 avr 2026
Réflexion avancée
sam 18 avr 2026
Le rôle de la Bible

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal