Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Nebokadnezara

Date
Dimanche 26 novembre 2023

 

Amin'ny maha-Advantista mitandrina ny andro fahafito antsika dia mino ny antsoina hoe "fanavotana tsy voafetra" isika. Midika izany fa tsy tahaka ireo Kristianina: sasany isika, inoantsika mantsy fa ho an'ny taranak'olombelona rehetra no nahafatesan'i Kristy fa tsy ho ana vondron'olona izay efa notendren' Andriamanitra mialoha ho voavonjy. Satria Andriamanitra "tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina"- 1 Tim. 2:4, dia nanolotra ny Tenany i Jesosy ho sorona noho ny "fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa." 1 Jao. 2:2. Izany no nahatonga ny olona rehetra ho voafidy "tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao" - Efes. 1:4, na dia tsy ny rehetra aza no mifidy Azy ho setrin'izany. Izany koa no ahitantsika ireo tantara ao amin'ny Baiboly mikasika ireo olona samihafa izay nobaboina ho an Andriamanitra.

Vakio ny Dan. 4. Inona no nitranga tamin'ny mpanjaka teto, ary inona no ambaran'izany amintsika momba ny famonjena ho tonga amin'ilay anankiray amin'ireo lehilahy manana ny maha-izy azy indrindra teto amin'izao tontolo izao?

Ohatra iray manaitra ao amin'ny Baiboly mikasika ny fomba nanatraran'Andriamanitra ireo tsy mpino ny tantaran'i Nebôkadnezara mpanjaka. Nahatra taminy tahaka izay natao tamin'ireo mpanjaka Isiraelita sasany ny fitsaran' Andriamanitra (jereo, ohatra, ny 2 Tant. 32:25, 26; 1 Mpanj. 14:21-31; 1 Sam. 28). Ny fitantaran'ny Baiboly ny momba an'i Nebokadnezara, izay nody saina sy niaiky ny maha-Mpamorona an' Andriamanitra, dia maneho fa mihevitra ny amin'ireo mpanankarena sy manana ny maha-izy azy Andriamanitra, tahaka ny iheverany ireo malemy sy mahantra. Ao amin'ny and. 34, dia izao no nambaran'ilay lehilahy nanana ny maha- izy azy indrindra teto an-tany: "Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny flavonavonana dia hainy aetry." - Dan. 4:34. Raha mba mahatakatra izany fahamarinana izany mantsy ireo mpanankarena sy ireo manana ny maha-izy azy ary ny mpiavonavona eo amin'ny olombelona mety maty!

Inona no avy azontsika sintonina amin'io tantara io? Voalobany, ampiasain' Andriamanitra ny mpino manolo- tena, tahaka an'i Daniela, mba ho fitaovana hanatrarana ireo tsy mpino manana ny maha-izy azy. Faharoa, afaka miditra an- tsehatra mivantana amin'ny fijoroana ho vavolombelona Andriamanitra mba hanatrarana ireo tsy mpino manana ny maha-izy azy. Naetrin'Andriamanitra i Nebokadnezara noho ny avonanovany sy ny fireharehany. Ary na dia tantara manaitra tokoa aza izany, dia maro tokoa ireo fomba azon' Andriamanitra hampietrena ireo mpanankarena sy manana fahefana ary mpiavonavona.

Na dia tsy mpanankarena sy manana ny maha-izy azy araka ny fenitr'izao tontolo izao aza isika, nahoana no tokony hitandrina mba tsy hananantsika ny avonavona toy izay nananan'ity mpanjaka ity? Nahoana no mora kokoa noho izay mety eritreretintsika ny hananana Izany toetra izany?

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • octobre 2023 (40)
  • novembre 2023 (40)
  • décembre 2023 (33)
  • janvier 2024 (27)
  • février 2024 (57)
  • mars 2024 (60)
  • avril 2024 (55)
  • mai 2024 (63)
  • juin 2024 (57)
  • juillet 2024 (63)

Pagination

  • 1
  • Page suivante
Propulsé par Drupal