Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fanontaniana manan-danja indrindra

Date
Dimanche 12 novembre 2023

Iza isika? Nahoana isika no eto? Inona mitranga rehefa maty isika? Inona ny anjara miandry antsika? Ireo, amin'ny lafiny maro, no fanontaniana manan-danja indrindra apetraky ny voary mety maty, izay mahalala fa mety maty izy ireo (mety maty koa ny masaja na "huître" sy ny akoho saingy tsy fantany izany). Ary ao amin'ny filazantsaran'i Lioka dia misy olona manatona an'i Jesôsy mba hametraka ny fanontaniana manan-danja indrindra.

Vakio ny Lio. 10:25. Inona fanontaniana napetrak'ilay ny mpahay lalana, ary nahoana izy no nanontany izany?

Na dia fanontaniana matotra tokoa aza izany dia ambaran'ny Baiboly mazava fa ny haka fanahy an'i Jesôsy no antony nametrahana izany. Fantatsika fa mety hanatona amim-pisalasalana, na tsy amim- pinoana mihitsy aza, ny olona indraindray; mety tsy misy fahamatorana koa aza ny fanontaniana apetrany, kanefa mbola azo atao ny manatratra azy ireny. Tahaka izany mihitsy no nataon'i Jesôsy tamin'ilay mpahay lalana, na dia fantany aza fa tsy vokatry ny fo marina ny fanontaniana napetrak ilay mpahay lalana. Ho an'ity farany sy ireo vahoaka nanatrika anefa dia fanokafana azon'i Jesosy nampiasaina mba handrisihana azy ireo handini-tena izany fanontaniana izany. Na dia fantatr'i Jesosy aza ny antony nanosika ity mpahay lalàna ity hanontany dia tsy nodiany tsy re izy na koa nanehoany tsy fanajana.

Inona rahateo moa ny fanontaniana manan-danja mihoatra noho izay napetrak'ilay mpahay lalana? "Inona no hataoko handovako flainana mandrakizay?" Na inona na inona fombafombam- pivavahantsika dia ao ambadik'ireo izany fanontaniana manan-danja izany. Inona moa, raha ampitahaina amin'izany, no tena zava-dehibe ho an'ny voary izay manana aina voalaza fa "zavona ihany (...), izay miseho vetivety, dia levona"-Jak. 4:14? Inona ny safidy hafa ankoatra ny flainana mandrakizay raha tsy ny fahafatesana mandrakizay?

Vakio ny 1 Kor. 15:30-32. Inona ny teboka asongadin'i Paoly eto izay manasongadina ny maha-zava- dehibe ny flainana mandrakizay?

Fanontaniana manan-danja tokoa no napetrak'ilay mpahay lalana na dia anjoanjo aza no nametrahany izany, kanefa nohararaotin'i Jesosy hanatrarana fanahy maro izany, Izy izay mikendry mandrakariva ny hampiasa ny hirika rehetra mba hanatanterahana ny iraka nampanaovina azy.

Ahoana no hahatonga antsika hahay hanararaotra ny hirika rehetra eo anoloantsika mba hijoroana ho vavolombelona, eny fa na dia tsy tonga lafatra ho amin'izany aza ny toe- javatra?

Ecole Sabbat Semaine

sam 12 Sep 2026
Face aux faux docteurs
dim 13 Sep 2026
Une guerre spirituelle

Ecole Sabbat S. dernière

sam 05 Sep 2026
Économat chrétien et mission
dim 06 Sep 2026
L’exemple de Jésus
lun 07 Sep 2026
La motivation
mar 08 Sep 2026
La planification
mer 09 Sep 2026
L’attitude
jeu 10 Sep 2026
L’unité
ven 11 Sep 2026
Réflexion avancée
sam 12 Sep 2026
Face aux faux docteurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • avril 2026 (51)
  • mai 2026 (58)
  • juin 2026 (51)
  • juillet 2026 (61)
  • August 2026 (52)
  • septembre 2026 (27)

Pagination

  • Page précédente
  • 4
Propulsé par Drupal