Aller au contenu principal
Accueil
MALINA (Malgaches adventistes de Lyon intéressés par l'avenir)

Navigation principale

  • Accueil
  • Ecole Sabbat Jour
  • Vigile Jour
  • Ecole Sabbat Semaine
  • Ecole Sabbat S. dernière
  • Ecole Sabbat S. prochaine
  • Radio AWR

Fil d'Ariane

  1. Accueil

Ny fanontaniana manan-danja indrindra

Date
Dimanche 12 novembre 2023

Iza isika? Nahoana isika no eto? Inona mitranga rehefa maty isika? Inona ny anjara miandry antsika? Ireo, amin'ny lafiny maro, no fanontaniana manan-danja indrindra apetraky ny voary mety maty, izay mahalala fa mety maty izy ireo (mety maty koa ny masaja na "huître" sy ny akoho saingy tsy fantany izany). Ary ao amin'ny filazantsaran'i Lioka dia misy olona manatona an'i Jesôsy mba hametraka ny fanontaniana manan-danja indrindra.

Vakio ny Lio. 10:25. Inona fanontaniana napetrak'ilay ny mpahay lalana, ary nahoana izy no nanontany izany?

Na dia fanontaniana matotra tokoa aza izany dia ambaran'ny Baiboly mazava fa ny haka fanahy an'i Jesôsy no antony nametrahana izany. Fantatsika fa mety hanatona amim-pisalasalana, na tsy amim- pinoana mihitsy aza, ny olona indraindray; mety tsy misy fahamatorana koa aza ny fanontaniana apetrany, kanefa mbola azo atao ny manatratra azy ireny. Tahaka izany mihitsy no nataon'i Jesôsy tamin'ilay mpahay lalana, na dia fantany aza fa tsy vokatry ny fo marina ny fanontaniana napetrak ilay mpahay lalana. Ho an'ity farany sy ireo vahoaka nanatrika anefa dia fanokafana azon'i Jesosy nampiasaina mba handrisihana azy ireo handini-tena izany fanontaniana izany. Na dia fantatr'i Jesosy aza ny antony nanosika ity mpahay lalàna ity hanontany dia tsy nodiany tsy re izy na koa nanehoany tsy fanajana.

Inona rahateo moa ny fanontaniana manan-danja mihoatra noho izay napetrak'ilay mpahay lalana? "Inona no hataoko handovako flainana mandrakizay?" Na inona na inona fombafombam- pivavahantsika dia ao ambadik'ireo izany fanontaniana manan-danja izany. Inona moa, raha ampitahaina amin'izany, no tena zava-dehibe ho an'ny voary izay manana aina voalaza fa "zavona ihany (...), izay miseho vetivety, dia levona"-Jak. 4:14? Inona ny safidy hafa ankoatra ny flainana mandrakizay raha tsy ny fahafatesana mandrakizay?

Vakio ny 1 Kor. 15:30-32. Inona ny teboka asongadin'i Paoly eto izay manasongadina ny maha-zava- dehibe ny flainana mandrakizay?

Fanontaniana manan-danja tokoa no napetrak'ilay mpahay lalana na dia anjoanjo aza no nametrahany izany, kanefa nohararaotin'i Jesosy hanatrarana fanahy maro izany, Izy izay mikendry mandrakariva ny hampiasa ny hirika rehetra mba hanatanterahana ny iraka nampanaovina azy.

Ahoana no hahatonga antsika hahay hanararaotra ny hirika rehetra eo anoloantsika mba hijoroana ho vavolombelona, eny fa na dia tsy tonga lafatra ho amin'izany aza ny toe- javatra?

Ecole Sabbat Semaine

sam 14 juin 2025
Les précurseurs
dim 15 juin 2025
Daniel 2 et l’approche historiciste de la prophétie
lun 16 juin 2025
Adorer l’image

Ecole Sabbat S. dernière

sam 07 juin 2025
Ruth et Esther
dim 08 juin 2025
Famine dans « la maison du pain »
lun 09 juin 2025
Ruth et Boaz
mar 10 juin 2025
Boaz, en tant que rédempteur
mer 11 juin 2025
Haman et Satan
jeu 12 juin 2025
Pour un temps comme celui-ci
ven 13 juin 2025
Réflexion avancée
sam 14 juin 2025
Les précurseurs

Ecole Sabbat S. prochaine

Archive mensuelle

  • juin 2025 (32)

Pagination

  • Page précédente
  • 3
Propulsé par Drupal